Ratsy Toetra Noho ny Taloha ve ny Olona?
Ratsy Toetra Noho ny Taloha ve ny Olona?
RAHA asainao mampitaha ny toetran’ny olona taloha sy ny ankehitriny ny mpahay tantara, dia mety hilaza fa sarotra ny mampitaha ny toetran’ny olona tamin’ny vanim-potoana samy hafa. Mety hilaza izy fa ny vanim-potoana niainan’ny olona no tokony hitsarana azy.
Jereo, ohatra, ny heloka bevava miharo herisetra nitombo tany Eoropa nanomboka tamin’ny taonjato faha-16. Efa be ny mpamono olona na dia tamin’ny 400 taona lasa aza. Matetika ny olona no tsy miandry fitsarana fa tonga dia manafay, hany ka be ny mpamaly faty.
Nanoratra koa anefa i Arne Jarrick sy i Johan Söderberg, mpahay tantara, ao amin’ilay boky hoe Fahamendrehana sy Herin’olombelona (soedoà), fa “tena nihatsara ny fiaraha-monina” tany amin’ny toerana sasany, teo anelanelan’ny 1600 sy 1850. Nanjary hain’ny olona kokoa ny nihevitra izay nilain’ny hafa, ary nahay niombom-pihetseham-po kokoa izy ireo. Milaza, ohatra, ny mpahay tantara fa kely lavitra noho ny ankehitriny ny halatra sy ny heloka momba ny fananana, tamin’ny taonjato faha-16. Tsy nisy firy ny andian-jiolahy mpangalatra, indrindra fa teo anivon’ny tantsaha.
Nisy koa anefa ny fanandevozana, ary io no niteraka ny heloka bevava lehibe indrindra hatramin’izay: Naka an-keriny olona an-tapitrisany maro avy atỳ Afrika mba hataony andevo ny Eoropeanina mpivarotra. Nanaovana herisetra ireny olona ireny tany amin’ny tany nitondrana azy.
Hitantsika, araka izany, fa nisy toe-javatra tsara kokoa, ary nisy ratsy kokoa, nandritra ireo taonjato maro lasa. Nisy zavatra tena hafa sy tena lehibe, ary mbola tsy nisy toy izany mihitsy, anefa, nitranga nandritra ny taonjato faha-20, sy mbola mitranga ankehitriny.
Nanova zavatra be ny taonjato faha-20
Izao no nolazain’i Jarrick sy i Söderberg, mpahay tantara: “Nitombo be indray ny famonoana olona tamin’ireo taona 1930, ary mampalahelo fa nitohy nandritra ny dimampolo taona mahery izany.”
Voalazan’ny mpilaza vaovao fa niharatsy be ny toetran’ny olona nandritra ny taonjato faha-20. Hoy ny lahatsoratra iray, momba ny toetra sy ny filozofia: “Voamariky ny olona fa niova be, tao anatin’ireo 30 na 40 taona lasa, ny fomba fijerin’ny fiaraha-monina ny fanaovana firaisana sy
izay toetra azo ekena. Taloha dia noferana tamin’ny alalan’ny lalàna hentitra ny atao hoe toetra mety, fa ankehitriny kosa dia ny tsirairay no manapa-kevitra momba izany.”Heverin’ny maro, araka izany, fa izy ihany no manapa-kevitra momba ny fitondran-tena eo amin’ny lahy sy ny vavy sy ny fitondran-tena hafa. Manamafy izany ny lahatsoratra iray rehefa nilaza fa ny 5,3 isan-jaton’ny ankizy rehetra any Etazonia no zazasary, tamin’ny 1960. Nitombo ho 28 isan-jato izany tamin’ny 1990.
Niresaka momba ny toetran’ny olona ankehitriny i Joe Lieberman, Senatera amerikanina, tao amin’ny lahateny nataony tany amin’ny Oniversite Notre Dame, ka nilaza fa “niharatsy be izany, ... satria nihasimba tsikelikely ny fiheverana mahazatra momba izay mety sy tsy mety.” Araka an’i Lieberman, dia “efa nitranga saika nandritra ny fiainan’ny taranaka roa izany.”
Tsy tia fivavahana
Inona no lazain’ny mpahay tantara sy ny mpandinika hafa momba io fiovana lehibe nandritra ny taonjato faha-20 io? “Ny tsy fitiavana fivavahana no anisan’ireo fiovana lehibe indrindra teo amin’ny fiaraha-monina nandritra ny 200 taona lasa”, hoy ilay boky hoe Fahamendrehana sy Herin’olombelona. Ny hoe tsy tia fivavahana dia midika fa “homena fahafahana hifidy izay hevitra tiany manokana amin’ny firehan-kevitra samy hafa ny olona. Ny filozofa tamin’ny taonjato faha-18, nanindrahindra ny fahaizana no niandohan’io hevitra io, ary voalohany nandà ny hoe ny Baiboly no hany loharanon’ny fahamarinana.” Tsy heverina ho mpanoro ny toetra tsara toy ny taloha intsony, araka izany, ny fivavahana, indrindra fa ny Kristianisma Anarana.
Fa nahoana no 200 taona atỳ aoriana vao manjaka ny filozofia iray niorina tamin’ny taonjato faha-18? “Ela vao voarain’ny olona ireo hevitra ireo”, hoy ilay boky voatonona etsy ambony. “Niadana ny fitomboan’ny tsy fitiavam-pivavahana.”
Nisoko mangina io fironana hanary ny fitsipi-pitondran-tena taloha sy ny toetra tsara kristianina io nandritra ireo 200 taona lasa, nefa nitombo haingana nandritra ny taonjato faha-20, indrindra tao anatin’ireo folo taona faramparany. Fa nahoana?
Fitiavan-tena sy fitiavam-bola
Anisan’ny mahatonga izany ny fandrosoan’ny teknolojia sy ny toe-karena, nandritra ny taonjato faha-20. Nilaza ny lahatsoratra iray tao amin’ilay gazety alemà hoe Die Zeit, fa “mihetsiketsika ny fiaraha-monina misy antsika fa tsy mipetra-potsiny toy ny tamin’ireo taonjato taloha.” Nohazavain’ilay lahatsoratra fa nipoitra noho izany ilay antsoina hoe fanalalahana ny tsena, izay miorina amin’ny fifaninanana ary atosiky ny fitiavan-tena.
“Tsy misy mahasakana an’io fitiavan-tena io”, hoy ihany ilay lahatsoratra. “Mitombo noho izany, ny hamafin’ny fiainana hitantsika isan’andro, sy ny tsolotra izay tonga hatrany amin’ny fitondrana, any amin’ny tany maro. Ny tenany sy ny fanatanterahany ny faniriany no heverin’ny olona.”
Tsikaritra tamin’ny fikarohana lalina nataon’i Robert Wuthnow, manam-pahaizana momba ny fiaraha-monina, fa mifantoka kokoa amin’ny vola ny Amerikanina ankehitriny, tsy toy ny taranaka teo alohany. Nasehon’ilay fanadihadiana fa “matahotra ny Amerikanina maro sao dia ho simban’ny fitiavam-bola tafahoatra ny toetra tsara hafa toy ny fanajana olona sy ny fahamarinana eo amin’ny asa ary ny fandraisana anjara eo amin’ny fiaraha-monina.”
Mitombo koa ny fitiavam-bola satria mpandraharaha maro no mampitombo be ny karamany sy ny tombontsoa azony amin’ny fisotroan-dronono, nefa mampirisika ny mpiasa mba tsy hitaky fisondrotan-karama be. “Ny tena ratsy dia hoe mamindra ny toe-tsain’ireo mpandraharaha mpitady tombony ireo, sady mampihen-danja ny fitondran-tenan’ny olona amin’ny ankapobeny”, hoy i Kjell Nilsson, anisan’ny mpampianatra fitsipi-pitondran-tena sy mpitantana ny fampianarana ara-pivavahana ao amin’ny Filan-kevitra Kristianin’i Soeda. “Tena manimba ny toetran’ny fiaraha-monina sy ny tsirairay izany.”
Herin’ny fampitam-baovao
Ny herin’ny fampitam-baovao no anisan’ireo antony lehibe nanaratsy haingana ny toetran’ny olona tamin’ny faramparan’ny taonjato faha-20. Araka ny Senatera Lieberman, dia “ireto avy no nanjary mpamaritra ny toetra tsara: Ny mpamorona fandaharan’ny televiziona sy sarimihetsika, ny mpanao dokam-barotra lamaody ary ny mpanao rap sy ny maro hafa anisan’ny mpampita vaovao. Nisy heriny tena lehibe tamin’ny kolontsaintsika sy ny zanatsika indrindra indrindra, izy ireo, ary zara raha takany, na tsy takany mihitsy aza matetika ny andraikiny manoloana ny toetra manimba aparitany.”
Nanome ohatra momba ny raki-kiran’ny tarika mpihira heavy metal atao hoe Cannibal Corpse (Fatin’ny Mpihinan’olona),
i Lieberman. Resahin’ny hiran’izy ireo amin’ny an-tsipiriany ny fametavetana vehivavy iray ambanana antsy. Niangavian’i Lieberman sy ny mpiara-miasa taminy ilay kompania mpandray feo mba tsy hamoaka ilay raki-kira. Tsy nisy vokany anefa izany, hoy izy.Miady mafy amin’ny herin’ny fampitam-baovao, araka izany, ny ray aman-dreny mandray andraikitra. Iadiana amin’izany ny hoe iza no hitaona sy hitaiza ny ankizy. Ahoana anefa ireo fianakaviana misy ray aman-dreny tsy mailo? Hoy i Lieberman: “Tsy misy manohitra ny herin’ny fampitam-baovao amin’izay, fa izy io no mametra ny fitsipika, ka ny zavatra hitan’ny ankizy ao amin’ny televiziona sy ny sinema ary reny amin’ny CD no mamolavola voalohany izay heveriny ho mety sy tsy mety, na ny zava-dehibe eo amin’ny fiainana.” Manampy an’ireo koa izao ny Internet.
“Miverina mianatra” ny atao hoe toetra tsara
Inona no mampiseho ny vokatr’ireo fitaoman-dratsy ireo eo amin’ny tanora? Anisan’ny vokatr’izany ny hoe mitombo ny isan’ny ankizy sy zatovo manao zavatra tsy mifaditrovana sy herisetra tamin’ny ankizy sy olon-dehibe hafa.
Ohatra mahatsiravina ny nitranga tany Soeda tamin’ny 1998. Nokendain’ny ankizilahy roa, dimy sy fito taona, ny zaza iray efa-taona niara-nilalao taminy, ka maty! Maro no nanontany hoe: Tsy mba manana fieritreretana manakana azy tsy hanao zavatra tafahoatra ve ny ankizy? Izao no teny manaitra nolazain’ny mpitsabo aretin-tsain’ankizy iray: “Tsy tonga ho azy ny fieritreretana manakana tsy hanao zavatra tafahoatra. Mety ho ... ny olona tahafin’ny ankizy sy ny zavatra hitany ataon’ny olon-dehibe no mamolavola izany.”
Hita ao amin’ny mpanao heloka bevava koa izany zavatra izany. Araka an’i Sten Levander, mpampianatra mpitsabo aretin-tsaina any Soeda, dia ny 15 ka hatramin’ny 20 isan-jaton’ny mpigadra rehetra no marary saina, izany hoe faran’izay tsy mahalala afa-tsy ny tenany, tsy miantra, ary tsy afaka na tsy vonona ny hahatakatra ny mety sy ny tsy mety. Voamariky ny mpandinika fa misy tena tsy mahalala ny atao hoe toetra tsara, na dia ireo ankizy sy tanora toa ara-dalàna aza. “Miverina mianatra ny atao hoe toetra tsara isika”, hoy i Christina Sommers, mpampianatra filozofia. Voamariny fa tena tsy milamin-tsaina ny tanora mpianany rehefa anontaniana hoe inona no mety sy tsy mety. Avy eo dia mamaly izy ireo hoe tsy misy izany mety sy tsy mety izany. Mihevitra izy ireo fa ny tsirairay no tsy maintsy mifidy izay mety indrindra aminy.
Maro tamin’ny mpianany no tsy nanaiky fa ny ain’olombelona ihany no tokony hohajaina sy harovana. Rehefa nanontaniana, ohatra, izy ireo, hoe iza no hovonjeny raha samy tandindomin-doza ny ain’ny biby iray tsy foiny sy ny olona iray tsy fantany, dia maro no namaly hoe aleony mamonjy an’ilay biby.
“Tsy ny tanora akory no hoe tsy mahay na inona na inona, na tsy azo itokisana, na masiaka be, na mpamitaka”, hoy ny Profesora Sommers. “Tsy fantatr’izy ireo, raha tsorina, ny atao hoe mety sy tsy mety.” Milaza izy fa tanora maro ankehitriny no misalasala raha misy izany mety sy tsy mety izany. Heveriny koa fa anisan’ny mety hanimba ny fiaraha-monina izany toe-tsaina izany.
Tena miharatsy toetra tokoa, araka izany, ny olona ankehitriny. Maro no matahotra ny mety ho voka-dratsin’izany. Milaza ilay lahatsoratry ny Die Zeit, notononina etsy ambony, fa mety ho “simba sy ho rava tanteraka toy ny nanjo ny rafitra sosialista vao haingana” ny fanalalahana ny tsena.
Inona no tena dikan’izany rehetra izany? Inona ny hoavy tokony hantenaintsika?
[Sary, pejy 6, 7]
“Ireto avy no nanjary mpamaritra ny toetra tsara: Ny mpamorona fandaharan’ny televiziona sy sarimihetsika, ny mpanao dokam-barotra lamaody ary ny mpanao rap...”