Kente—Fitafian’ny Mpanjaka
Kente—Fitafian’ny Mpanjaka
AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ATSY GHANA
MAILAKA aoka izany ny tanan’ilay mpanao tenona, mandroso sy miverina eo ambonin’ilay lamba. Toy ny manaraka ny gadon’ilay fitaovana fanenoman-damba midridrodridroka ny fihetsiky ny tanany, nefa mifantoka amin’ilay lamba mareva-doko eo anoloany izy. Mihazona tady eo anelanelan’ny rantsantongony izy. Ireo tady ireo no manetsika ireo tariby amin’ilay milina, izay miaka-midina mba hampisarahana sy hitarihana ny kofehy mitsangana. Tonga hatrany amin’ny enina metatra eo anoloan’ilay milina ireo kofehy ireo, izay antsoina hoe tenany. Mailaka erỳ ny tanany mandrary ireo fahan-tenona, na kofehy mitsivalana, izay landy mareva-doko, mba hifampidipiditra tsara amin’ireo kofehy mitsangana. Ireo indray dia terena tsara, mba ho mafy ilay lamba vita avy eo.
Folo santimetatra monja ny lambanan’ilay lamba vita, kanefa manaitra aoka izany ny lokony mamirapiratra sy ny sorany mifampidipiditra. Faly sady afa-po ilay mpanao asa tanana mijery ny sangan’asany—lamba kente tena izy.
Asa tanana nentim-paharazana
Efa an’arivony taona maro izay no nampiasan’ireo mpanao asa tanana kinga an’io fomba fanenomana nentim-paharazana io. Kofehy avy amin’ny rongonim-bazaha sy hasy ary landy foana no nampiasaina. Ny loko fototra kosa dia avy amin’ny ravina na fakan-javamaniry, izay namoronan’ny mpanao tenona sarisary tsotra isan-karazany.
Namorona milina fanenomana kely sady mora nentina ireo Afrikanina mpifindrafindra monina. Lamba kely lavalava, nanana lambanany 7,5 na 11,5 santimetatra teo ho eo, no vitan’ireny milina fanenomana ireny. Nakambankambana ny sisin’ny lamba, mba hahazoana lamba be iray azo notafina manodidina ny vatana. Nasaina nentin’ny biby mpitondra entana izy ireny, ka afaka
namakivaky tany efitra sy renirano ary tendrombohitra mideza. Nanova be ny fiainan’ireo nampiasa azy ilay milina, izay nentina teny amin’ireo lalana fitaterana entam-barotra fahiny.Naniry hanana ilay lamba izy ireo
Nanapaka teo amin’ilay faritra be harena an-kibon’ny tany, nantsoin’ny Eoropeanina hoe Côte-de-l’Or, a nandritra ny taonjato maro, ireo mpanjaka sy andrianan’i Afrika Andrefana. Volamena be dia be no notrandrahana teo, ka nampanankarena an’ireo mpanjaka achanti sy ny fianakaviany. Nampideradera ny harenany sy ny heriny ary ny fahefany ireo mpanjaka ireo sy ny andrianany, izay samy nanao firavaka volamena natevina sy nitafy lamba voatenona ho azy manokana. Nantsoina hoe kente tatỳ aoriana ilay lamba manokana nanaovan’ireny mpanapaka ireny. Mety ho noho ny fomba fanenomana ilay lamba, mitovitovy amin’ny fandrariana harona, no niantsoana azy toy izany. Nisy foko hafa koa tany Côte-de-l’Or, nanao io karazan-tenona io. Kanefa, teo amin’ireo mpanjaka achanti dia nanjary marika nampiseho laza sy fiandrianana ny lamba kente.
Kofehy vita tamin’ny hasy teo an-toerana ihany no nampiasain’ireo mpanao tenona tany Côte-de-l’Or. Kofehy manga ihany no nananany, ka ireo no norariny niaraka tamin’ilay lamba hasy fotsy matroka, mba hanaovana sarisary tsotsotra ho an’ny olona teo an-toerana.
Natokana ho an’ny mpanjaka ihany ny fomba fanenomana lamba kente voakaly kokoa. Nisy antokona mpanao tenona notendrena mba hamorona sy hanamboatra lamba mihaja. Tsy navela hisy hahalala ny fomba nampiasain’izy ireo, fa nohazonina ho tsiambaratelo. Norarana ireo mpanao tenona hafa mba tsy hamerina ny modely sy ny sora-damba voatokana ho an’ny mpanjaka sy ny fianakaviany. Nanangona lamba an-jatony maro ilay mpanjaka, ka samy hafa avokoa ny modeliny sy ny sorany. Indray mandeha monja no nanaovany ny lamba iray ampahibemaso.
Ny loko no notadiavina
Nisy karazana lamba hafa tonga tany Côte-de-l’Or, tamin’ny taonjato faha-16. Tsy fitaovana fanenoman-damba afrikanina no nanaovana azy io, fa avy tany an-tany lavitra izy io, nentin’ireo tantsambo eoropeanina voalohany, izay nitady ivoara sy volamena ary andevo. Nisy kofehy feno loko nangirana sy nanaitra ny maso ireo lamba avy tany ivelany ireo. Vetivety foana, dia zavatra tena sarobidy no nomena ho takalon’io lamba lafo vidy voaravaka tamin’ny kofehy mena sy mavo ary maitso io, hany ka vitsy no nahavidy azy. Ny Achanti mpanan-karena ihany no nahatakatra azy, satria izy ireo no nitantana ny volamena sy ny ivoara ary ny andevo, izay namidy tamin’ireo sambo niantsona teny amin’ny morontsiraka. Tsy ilay lamba
voatenona anefa no notadiavin’ny mpanjaka achanti sy ny andrianany.Somokotra mafy ireo mpanao tenona namaha sy naka ireo kofehy niloko izay niriny fatratra ireo, raha vantany vao nahazo ilay lamba, ary nariany kosa ny ambiny. Avy eo dia naverina norarina teo amin’ny milin’ireo mpanao tenon’ny mpanjaka ireo kofehy sarobidy ireo. Nihanitombo ny isan’ny loko nampiasaina, ary nihanitombo toy izany koa ny fahasahian’ireo mpanao tenona hamoron-java-baovao. Nisongadina mbola tsy nisy toy izany ny fahaizan’izy ireo namoron-javatra sy ny talentany. Nisy mpanao tenona nahay avy tamin’ny foko hafa nampiasain’ny mpanjaka achanti, mba hamokatra lamba kente tsy nanan-tsahala.
Ireo sarisary mampiseho trondro, vorona, voankazo, ravinkazo, masoandro mody, avana, sy zavaboary hafa, dia nanome zavakanto tena voakaly, ary nisy heviny manokana. Ny lamba nisy kofehy volamena, ohatra, dia nampiseho harena, ny loko maitso kosa dia mariky ny zavatra velombelona sy vaovao, ny mainty naneho alahelo, ny mena nitory fahatezerana, ary ny volafotsy nilaza fahadiovana sy fifaliana.
Naharitra niasa tamin’ny lamba iray nandritra ny volana maro ireo mpanao tenona, no sady tsy nirotoroto, satria fantany fa izay asa vitany no hitsarana ny talentany sy ny fahaizany namoron-javatra. Vitsy mpitady io asa tanana ary fomba io, satria vitsy no nahavidy ny lamba kente, izay sady tsy fahita firy no lafo vidy.
Ny kente ankehitriny
Nihalefy anefa ny fahefan’ireo mpanjaka sy ny andrianany, rehefa nandeha ny fotoana. Tsy nila nanao lamba nampiavaka azy tamin’ny sarambaben’ny olona intsony ny mpanjaka sy ny fianakaviany. Nihamaro ny mpitady an’ilay lamba tsara tarehy, satria nanomboka nampiasa azy io koa ny olona tsy anisan’ny fianakavian’ny mpanjaka. Notenomina haingana be ny lamba kente, satria maika ny hahavita betsaka ireo mpivarotra, hany ka niharatsy ny akora nampiasaina, tsy voakaly tsara intsony ny asa, ary nidina koa ny vidiny.
Amin’izao andro izao, dia vita amin’ny akora namboarin’olombelona avokoa ny ankamaroan’ny lamba kente. Zavatra maro samihafa sy be dia be indray miaraka no vita aminy, toy ny kitapo, karavato, fehikibo, satroka, ary akanjo. Vitsy ny mpanao tenona vonona hanamboatra lamba kente toy ny taloha, izay sady mitaky ezaka be no mandany fotoana be. Tahirizina toy ny rakitra sarobidy ankehitriny ireo lamba kente kanto dia kanto fahiny, ary ifandovan’ny taranaka mifandimby. Eny tokoa, efa navalon’ny lasa ny fanamboarana ny lamba kente tsy manan-tsahala, natao tamin’ny milina hazo tsotra, nefa noderaina ho ny lamban’ny mpanjaka.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Ghana ankehitriny.
[Sary, pejy 20]
Maivana sy mora entina ireo milina fanenomana
[Sary, pejy 21]
Mampiasa ny tongony ny mpanao tenona mba hanetsehana ny kofehy miakatra sy midina