Taranaka Mety ho Simba
Taranaka Mety ho Simba
“Mbola faly sy navitrika aho hatramin’ny roa volana lasa izay. Tsy mahavita na inona na inona intsony anefa aho izao. Malahelo be aho sady mora tezitra. Tsy fantatro hoe ahoana no ahaizan’ny hafa mifandray amiko. Tsy haiko mihitsy hoe maninona aho no lasa sarotra ifandraisana tampoka teo.”—Paul.
“Mitomany aho ary manaintaina mafy ara-pihetseham-po. Rehefa tsy izany indray dia mahatsiaro ho malemilemy aho. Tsy misy zavatra mahafaly ahy. Tsy tiako intsony ny miaraka amin’ny namako. Matory foana aho. Matetika aho no tsy tafafoha handeha hianatra, ka lasa ratsy be ny naotiko.”—Mélanie.
TSY i Paul sy i Mélanie ihany no nandalo izany. Araka ny fanadihadiana dia 8 isan-jaton’ny tanora amerikanina no tratran’ny fahaketrahana samihafa, ary 4 isan-jato no manjary ketraka mafy isan-taona. Tsy mahalaza ny tena zava-misy rehetra anefa ireo tarehimarika ireo, satria matetika no tsy hitan’ny mpitsabo, na odiana tsy hita tsotra izao ny fahaketrahana. Hoy i David Fassler, psikologin’ny tanora: “Rehefa nodinihina ny fikarohana natao tamin’ny ankizy sy zatovo, dia heveriko fa maherin’ny ampahefatry ny tanora no handalo fahaketrahana, alohan’ny faha-18 taonany.”
Vokany manimba
Misy vokany manimba eo amin’ny zatovo ny fahaketrahana. Heverin’ny
manam-pahaizana fa izy io no antony lehibe miteraka ny fihinanana tsy ara-dalàna eo amin’ny zatovo, ny aretina vokatry ny toe-tsaina sy ny zava-manahirana any am-pianarana, ary ny fidorohana zava-mahadomelina.Mbola ratsy kokoa aza fa lazaina ho antony mahatonga ny zatovo hamono tena ny fahaketrahana. Araka ny Ivon-toerana Amerikanina Momba ny Fahasalaman’ny Saina, dia 7 isan-jaton’ny tanora tena ketraka mafy no mamono tena. a Mbola tsy mahalaza tanteraka an’ilay zava-manahirana izany, satria inoana fa mbola maro kokoa noho ny tanora mamono tena ireo manandrana manao izany. Marina tokoa, araka izany, ny nolazain’ny Filan-kevitra Carnégie Momba ny Fitomboan’ny Zatovo hoe: “Mitady loza isika, raha manao tsirambina ny zava-manahirana ny zatovo. Tena mety hanimba taranaka iray ny tsirambina toy izany.”
Tsy manan-java-manahirana ve?
Tsy mino ny sasany hoe tena ketraka ny zatovo. Mety hilaza ny olon-dehibe hoe ‘Mbola zaza ange izy ireo e! Tsy manan-java-manahirana izy, ary azo antoka fa tsy manana fanahiana toy ny ananan’ny olon-dehibe.’ Marina ve izany? Tena miatrika fanerena mafy lavitra noho ny mety hoheverin’ny olon-dehibe tokoa izy ireo. Hoy ny Dr. Daniel Goleman: “Mety ho tratran’ny fahaketrahana lehibe kokoa noho ny ray aman-dreniny ny taranaka rehetra nifandimby hatramin’ny fiandohan’ny taonjato [faha-20]. Tsy alahelo fotsiny izany fa tsy fahavitana na inona na inona, fahakiviana, fitseran-tena ary tsy fisian’ny fanantenana mihitsy, manoloana ny fiainana. Manomboka amin’ny zandriny kokoa hatrany io fahaketrahana io.”
Mbola mety hilaza anefa ny ray aman-dreny maro hoe: ‘Tsy tratran’ny fahaketrahana izany izahay tamin’ny tanora, ka nahoana ny zanakay no tototry ny fihetseham-po ratsy toy izany?’ Tsy azon’ny olon-dehibe ampitahaina anefa ny fiainany tamin’izy mbola zatovo sy ny an’ny tanora amin’izao fotoana izao. Sady samy hafa koa ny fahitan’ny tsirairay ny tontolo manodidina azy sy ny fihetsiny manoloana azy io.
Maro kokoa, ankoatra izany, ny zava-manahirana ny zatovo ankehitriny. “Samy hafa be ny fiainan’ny tanora ankehitriny sy ny taloha”, hoy ny Dr. Kathleen McCoy ao amin’ilay bokiny hoe Fantaro ny Fahaketrahan’ny Zanakao Zatovo (anglisy). Izao no famaranan-keviny, rehefa avy nanonona fiovana lehibe tao anatin’ireo folo taona faramparany izy: “Be ahiahy kokoa, tsy dia matoky tena loatra ary kely fanantenana kokoa noho isika taranaka teo aloha, ny zatovo ankehitriny.”
Rehefa jerena izany fahaketrahana mahazo ny tanora maro izany, dia hamaly an’ireto fanontaniana telo ireto ny lahatsoratra manaraka:
• Inona no anisan’ny famantarana ny fahaketrahan’ny zatovo?
• Inona no miteraka izany?
• Ahoana no anampiana ny zatovo ketraka?
[Fanamarihana ambany pejy]
a Misy manam-pahaizana mino fa mbola maro kokoa noho izany no maty, satria mety ho famonoan-tena no tena anton’ireo fahafatesana lazaina fa hoe loza tsy nampoizina.