Samoina Tsara Tarehy
Samoina Tsara Tarehy
NANIDINA tao amin’ny hotely fisakafoana mihaja ny samoina iray, indray takariva nahafinaritra. Nikoropaka ny vehivavy iray nikopaka azy io toy ireny moka mitondra aretina ireny, rehefa nanidina teo akaikin’ny latabany izy io! Nanidina teny amin’ny latabatra hafa indray ilay samoina, ka farany dia nipetraka teo amin’ny vozon’akanjon’ny lehilahy iray. Hafa tanteraka noho izany ny fihetsik’io lehilahy io sy ny vadiny, satria tian’izy ireo ilay samoina, izay zavaboary tsara tarehy sy marefo dia marefo.
“Ny samoina no anisan’ny biby tsy mampidi-doza indrindra”, hoy i John Himmelman, anisan’ny mpanorina fikambanana iray momba ny lolo. “Tsy mahakaikitra ny vavany, ary na rehefa lehibe aza ny sasany aminy, dia tsy mihinan-kanina mihitsy. Tsy mitondra haromotana izy, na aretina hafa, ary tsy manindrona ... Raha ny marina, dia tsy fantatry ny ankamaroan’ny olona fa samoina manidina amin’ny antoandro ny lolo.”
Tian’ny olona ny lolo, kanefa vitsy no mankafy ny hatsaran-tarehin’ny karazan-tsamoina. ‘Ireny koa ve dia mba tsara tarehy?’, hoy angamba ianao. Misy mihevitra fa havan-tetezin’ny lolo tsara tarehy fotsiny ny samoina. Iray ihany anefa, araka ny siansa, ny fianakavian’izy ireo, dia ny Lepidoptera, midika hoe “elatra misy kirany”. Mahagaga ny karazany maro be amin’io biby mahafinaritra io. Milaza ny Rakipahalalana Momba ny
Bibikely (anglisy) fa misy karazany 150 000 ka hatramin’ny 200 000 amin’izy io no fantatra. Ny 10 isan-jaton’ireo monja anefa no lolo, fa samoina daholo ny ambiny!Tsy nieritreritra momba ny samoina mihitsy aho raha tsy rehefa mampirina ny akanjo fanao amin’ny ririnina, ary manisy famonoana bibikely azy io mba tsy hohanin’ireo samoina mpihinan-damba. Tsy fantatro mihitsy hoe tsy mihinan-damba ny samoina lehibe, fa raha mbola bibin-dandy ihany izy no manao izany. a
Inona no nanova ny fiheverako ny samoina? Vao haingana izahay mivady no nitsidika an’i Bob sy i Ronda, namanay. Mahafantatra tsara ny samoina i Bob. Nampiseho boaty kely tamiko izy, ary noheveriko fa lolo tsara tarehy ilay tao anatin’izy io. Nohazavainy fa samoinan-dandy ilay izy, dia iray amin’ireo samoina lehibe indrindra atỳ Amerika Avaratra. Mety hahatratra 15 santimetatra ny halavan’ny elany roa mivelatra, ary herintaona izy vao maty. Gaga be aho nahafantatra hoe herinandro ka hatramin’ny tapa-bolana fotsiny ny
faharetan’ny fiainan’ny samoina lehibe! Nanjary niova tanteraka ny fiheverako ny samoina, rehefa avy nandinika akaiky ny samoinan-dandy mahafinaritra aho.Nisy zavatra toy ny tasy kely tamin’ny fanambanin’ilay boaty. “Atody ireo”, hoy i Bob, “ary hompiako mandra-pahalehibeny.” Hiompy samoina? Nanitikitika ny saiko ilay hevitra. Tsy mora araka izay niheverana azy anefa ny fanatanterahana azy io. Nandraman’i Bob nakotrika nandritra ny tapa-bolana ireo atody, nefa tsy nety ho foy. Nandramany nasiana eton-drano àry ireo atody, ka afaka herinandro nanaovana izany, dia niaraka foy ny atody 26 tamin’ireo 29. Nataon’i Bob tao anaty vilanikely malamalama ireo olitra marefo nitovy habe tamin’ny moka ireo, mba tsy ho afaka hivoaka.
Ny akoran’atodiny no sakafon’ireo olitra ireo voalohany. Tsy maintsy nitady sakafo ho azy ireo i Bob taorian’izay, ary sarotra ilay izy. Rehefa nanao fikarohana kely izy, dia nanandrana nanome ravina érables ho azy ireo. Nandadizan’ireo bibikely fotsiny ireo ravinkazo fa tsy nohaniny. Nohanin’izy ireo avy hatrany anefa ny ravina serizy sy bouleaux nomen’i Bob azy ireo.
Nafindran’i Bob tao anaty boaty fitaratra misy sarony makarakara kely ireo bibikely, rehefa lasa bibin-dandy. Voalanjalanja tsara ny hamandoana ilain’ireo bibin-dandy sy ny ravinkazo tao anatin’izy io. Namefy an’ireo bibikely koa izy io, satria ta handehandeha be izy ireo rehefa afaka mandady.
Asa be tsy araka ny nanampoizana azy ny famahanana an’ireo bibin-dandy 26 ireo. Lanin’izy ireo ao anatin’ny roa andro ny ravinkazo amenoan’i Bob an’ilay fitoerany. Voatery niantso ny anabaviny sy ny ankizy mianadahy namana izy mba hiandry sy hamahana an’ireo bibin-dandy ireo.
Zava-dehibe ny ihinanan’ireo bibin-dandy sakafo be satria tsy vitan’ny hoe mampitombo azy izany fa tahirin-tsakafony rehefa lehibe koa. Hitanao fa tsy mahakaikitra ny vavan’ny samoina lehibe ary tsy mihinana mihitsy! Ny sakafo nohaniny tamin’izy mbola bibin-dandy no mamelona azy mandritra ny fotoana fohy iainany amin’ny maha samoina azy.
Hoditra vaovao
Miofo imbetsaka ny hoditr’ireo bibin-dandy, rehefa mihalehibe izy ireo.
Tsy mitombo ny hoditry ny samoinan-dandy raha mbola bibin-dandy izy, hany ka miofo amin’izay izy rehefa lehibe loatra ny vatany ka mitatra hatramin’ny farany ny hodiny. Fantatr’i Bob fa madiva hitranga izany, satria tsy mihinan-kanina intsony ireo bibin-dandy. Manamboatra kofehin-dandy ireo bibin-dandy ka
mamatotra ny tenany amin’izany. Avy eo dia tsy mihetsika eo izy mandritra ny andro maromaro, sady mampitombo tsikelikely ny hodiny vaovao. Rehefa feno ilay hoditra vaovao, dia mivoaka avy ao anatin’ny hodiny taloha fotsiny izy ireo, ka avelany hifatotra amin’ilay kofehin-dandy io hodiny taloha io. Gaga aho mahita ny haben’izy ireo rehefa avy niofo toy izany. Efa ho 12 santimetatra ny halavan’izy ireo ary lehibe noho ny fanondroko ny savaivony.Mandrary ombin-dandy
Samy mandrary ny ombin-dandiny ny bibin-dandy tsirairay aorian’io fiofoana farany io. Ny ombin-dandy dia kofehin-dandy manopy volondavenona mifamatopatotra, miraikitra eo amin’ny rantsankazo. Misy karazany roa ny ombin-dandy ataon’ny samoinan-dandy. Lehibe sy malalaka ny iray, miendrika kitapo, boribory ny fanambaniny, ary mihatery ny tendany. Kely kokoa sy mirary madinika kokoa ilay faharoa, ary miendrika mahitsizoro sady mihatery ny tendany sy ny fanambaniny. Samy misy ombin-dandy anatiny miendrika antsasa-paribolana ao anatin’izy roa ireo. Mazàna ny ombin-dandin’ny samoinan-dandy no miloko volondavenona manopy mena, na volontsôkôlà, na maitso antitra, na volondavenona. Lehibe kokoa noho ny ombin-dandin’ny karazan-tsamoina hafa atỳ Amerika Avaratra izy io, satria mahatratra folo santimetatra ny lavany ary dimy na enina santimetatra ny sakany. Ary afaka miaro ny bibin-dandy ao anatiny io ombin-dandy io, na dia 30 degre ambanin’ny zero aza ny maripana.
Tsy nisy azonay natao afa-tsy ny niandry tamim-paharetana, rehefa nipetraka tao anatin’ny ombin-dandiny ny bibin-dandy tsirairay. Ny lohataona nanaraka vao nivoaka tao izy ireo, izany hoe herintaona teo ho eo taorian’ny nahazoan’i Bob an’ilay samoina lehibe. Nataon’i Bob tao anaty tapaka polisitirenina ireo rantsankazo ipetrahan’ireo ombin-dandy, mba hijoro tsara. Tsy ela dia nivoaka avy tao anaty ombin-dandiny ireo soherina rehetra, afa-tsy ny iray ihany, ka noho izany dia tsy very maina ny faharetana sy ny asa mafy.
Tia samoina kokoa
Nanjary liana kokoa aho mijery ireo samoina manidina eny akaikin’ny jiro sy mipetaka eny amin’ny trano, rehefa avy nahita io tsingerim-piainan’ny samoinan-dandy io. Nanosika ahy hikaroka bebe kokoa momba io zavaboary mahavariana io koa ny zavatra hitako. Fantatro, ohatra, fa mahagaga ny fahaizan’ny samoina sy ny lolo manidina. Mifindra monina lavitra be ny sasany aminy. Mirefy 25 santimetatra monja ny halavan’ny elatra roan’ny samoina kely atao hoe samoina lamosin-diamondra rehefa mivelatra, kanefa vitany ny manidina tsy tapaka avy any Eoropa ho any Grande-Bretagne mamakivaky ny Ranomasina Avaratra misamboaravoara. Ary misy karazan-tsamoina hafa manidina eo ambonin’ny voninkazo toy ny ataon’ny kôlibria.
Nahita samoinan-dandy iray nipetraka teo ambonin’ny hazo teo ambanin’ny jiro iray aho indray mandeha, tatỳ aorian’ny nahitako ny tsingerim-piainany. Fantatro fa tsy tokony horaisina amin’ny elany mihitsy izy, satria marefo be ireo kirana eo amin’izy ireo. Raha atsotranao eo alohan’ny samoina kosa anefa ny tananao, dia mety hiakatra eo amin’ny rantsantananao izy. Nataoko izany, ka faly aho fa niakatra teo amin’ny fanondroadalako ilay izy. Nanidina ho eny an-tampon’ny hazo izy tamin’ny farany. Hitako ho nitovy be tamin’ny lolo izy io rehefa lasa nanidina. Koa rehefa mahita lolo ianao amin’ny manaraka, dia avereno jerena indray, fa mety ho samoina tsara tarehy sy tsy marefo dia marefo izy io.—Nisy nanome.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Misy olitra samoina manimba voly be koa.
[Sary, pejy 16, 17]
1. Samoinan-dandy
2. Samoinan’i Polyphème
3. Samoina masoandro mody
4. Samoina Atlas
[Sary nahazoan-dalana]
Natural Selection© - Bill Welch
A. Kerstitch
[Sary, pejy 18]
Ireto avy ny fiofoan’ny samoinan-dandy:
1. atody
2. bibin-dandy
3. samoina lehibe
[Sary nahazoan-dalana]
Natural Selection© - Bill Welch