Anisan’ny Olana ve Ilay Vahaolana?

Anisan’ny Olana ve Ilay Vahaolana?

Anisan’ny Olana ve Ilay Vahaolana?

“Ny fanambaniana sy ny fanakiviana ny mpigadra no fomba ratsy indrindra hanomanana azy ho amin’ny fiainana any ivelan’ny fonja.”—LAHATSORATRY NY MPAMPANONTA NY LALÀM-PANORENAN’I ATLANTA (ANGLISY).

MATETIKA ny figadrana no arofanina fotsiny, sady mandritra ny fotoana voafetra. Tena nibaby ny vokatry ny helony ve ny mpigadra iray rehefa navoaka? Ahoana ny amin’ireo nasiany ratsy na ny havan’izy ireny? “Nisy namono ny zanako”, hoy i Rita nitaraina, rehefa navoaka ilay namono ny zanany lahy 16 taona, rehefa avy nanefa ny saziny telo taona monja. “Eritrereto kely ange e! Saintsaino. Azonao an-tsaina ve ny dikan’izany?” Araka ny asehon’io zavatra niainan-dRita io, dia mbola mitohy ela be atỳ aorian’ny nahavitan’ny fitsarana sy ny firesahan’ny gazety momba izany ny voka-dratsin’ilay heloka.

Mahaliana io raharaha io, na ho an’ireo voakasiky ny heloka bevava izany, na ho an’ny olon-kafa rehetra. Raha ny tena izy, dia mahakasika mivantana ny filaminan-tsainao sy ny filaminanao amin’ny ankapobeny mihitsy aza ny vokatry ny zavatra niainan’ireo mpigadra nafahana, na niova izy, na vao mainka niharatsy.

Sekolin’ny mpanao heloka bevava

Tsy manafoana tanteraka ny toetran’ny mpanao heloka bevava foana akory ny figadrana. Nanoratra tao amin’ny gazety Time i Jill Smolowe, fa “matetika no mialoha lalana heloka bevava betsaka kokoa—sy ratsy kokoa—fotsiny ny fandaniana vola be hanorenana efitra figadrana, fa tsy hanorenana indray ny fiheveran’ilay mpigadra ny tenany”. Hanaiky an’io teny io i Peter, a izay nigadra nandritra ny 14 taona. “Heloka madinika aloha no nataon’ny ankamaroan’ireo niara-nigadra tamiko, avy eo izany dia nisondrotra ho heloka momba ny fananana, ary farany dia nihanitombo ny fahaizany ka nanao heloka lehibe tamin’ny olona izy ireo”, hoy izy. “Toy ny fianarana asa ny figadrana ho azy ireo. Ho ratsy kokoa izy ireo rehefa mivoaka avy ao.”

Na dia manakana ny mpanao heloka bevava tsy hiasa mandritra ny fotoana kelikely aza ny figadrana, dia toa zara raha manafoana, na tsy manafoana mihitsy, ny heloka bevava mandritra ny fotoana maharitra. Heverin’ny tovolahy sy ny lehilahy tanora any amin’ny tanàn-dehibe ho anisan’ny fombafomba mba hahatongavana ho olon-dehibe ny fidirana am-ponja. Matetika izy ireo no lasa mpanao heloka bevava gaigilahy. “Tsy manova anao mihitsy ny figadrana”, hoy i Larry, gadralava. “Mivoaka sy miditra ny figadrana ry zalahy ireny, nefa mamerina ny zava-drehetra nataony indray.”

Noho ny tsy fisian’ny vahaolana maharitra, dia tokony ho 5 isan-jaton’ireo mpanao heloka bevava no nanao ny antsasak’ireo heloka bevava lehibe rehetra, araka ny fanadihadiana iray natao tany Etazonia. “Rehefa tsy misy atao ny mpigadra”, hoy ny gazety Time, “dia matetika no mampitombo lolompo, raha tsy hotononina aza ny fianarana tetika fanaovana heloka bevava, izay ... hampiasainy rehefa tafavoaka izy.”

Tsy any Etazonia ihany no misy tarehin-javatra toy izany. Izao no nolazain’i John Vatis, dokotera ao amin’ny fonja miaramila any Gresy: “Nanjary tena nahay nampiofana olona mpandrahona sy mahery setra ary ratsy fanahy ny fonjantsika. Maniry ‘hamaly faty’ amin’ny fiaraha-monina ny ankamaroan’ireo voafonja, rehefa tafavoaka.”

Vidiny aloan’ny fiaraha-monina

Mahakasika ny tahirim-bolanao mihitsy ny fahasahiranana lalovan’ny fonja. Tombanana, ohatra, fa mandoa 21 000 dolara isan-taona isaky ny mpigadra ny mpandoa hetra, any Etazonia. Mety ho avo telo henin’io vola io no lany amin’ireo mpigadra mihoatra ny 60 taona. Misy antony hafa mahatonga ny olona tsy hatoky ny fonja intsony, any amin’ny tany maro. Eo ny fanahiana momba ny famotsorana aloha be ny mpanao heloka bevava, ary eo koa ny fahafahan’izy ireny mandositra ny saziny, satria manana mpisolovava fetsy mahita teknika momba ny lalàna. Matetika ilay tsy manan-tsiny no tsy mahatsiaro ho voaro tsara amin’ny famelezana hafa, ary mety tsy ho afaka hiteny firy, mandritra ny fikarakarana ilay raharaha eo anivon’ny manam-pahefana.

Mitombo ny fanahian’ny olona

Tsy mahatonga ny olona hatoky ny fonja ny tarehin-javatra mampahonena misy ny mpigadra, araka ny hazavaina eo amin’ilay faritra voafefy miaraka amin’ity. Mazàna no tsy miova ny mpigadra niaritra fitondrana mitanila teo am-panefana ny saziny. Mampanahy ny fikambanana maro mpiaro ny zon’olombelona koa ny habetsahan’ireo anisan’ny antokon’olom-bitsy migadra. Manontany tena izy ireo raha toa ka fifanandrifian-javatra izany na vokatry ny fanavakavaham-bolon-koditra.

Nisarika ny saina ho amin’ny fiangavian’ny mpigadra taloha iray tao amin’ny Fonjan’i Holmesburg, any Pennsylvanie, Etazonia, ny tatitry ny Associated Press tamin’ny 1998. Nangataka onitra izy io noho izy nampiasaina hanaovana andrana siantifika fony izy mbola tao am-pigadrana, araka ny filazany. Ary ahoana ny amin’ny famerenana ny gadra miara-mifatotra any Etazonia? Izao no lazain’ny Amnesty International: “Matetika no miasa amin’ny hainandro migaingaina, mandritra ny adiny 10-12, ireo gadra miara-mifatotra, ka tsy miato raha tsy rehefa misotro rano vetivety sy misakafo antoandro mandritra ny adiny iray. ... Ny hany kabinen’izy ireo dia pô azo entina, ka asiana zavatra zara raha manakontakona azy fotsiny. Mbola miara-mifatotra amin’ny rojo ireo mpigadra rehefa mampiasa azy io. Rehefa tsy azo aleha eny amin’ilay pô, dia terena hanao maloto eo ampahibemaso ireo mpigadra.” Mazava ho azy fa tsy ny fonja rehetra no toy izany. Na izany aza, dia ratsy ny vokatry ny fitondrana tsy mifaditrovana toy izany, satria manaisotra ny fahatsapana fangorahana amin’ireo mpigadra sy ireo manao fitondrana toy izany.

Misy soa raisin’ny fiaraha-monina ve?

Rariny raha mahatsiaro ho milamina kokoa ny ankamaroan’ny mpiara-monina rehefa migadra ny mpanao heloka bevava gaigilahy. Misy antony hafa itiavan’ny olona ny fampiasana ny fonja. Notoherin’ny mponina ny fikasana hanakatona ny fonja iray tany Cooma, tanàna kely iray any Aostralia. Nahoana? Satria nanome asa ho an’ireo mpiara-monina sahirana ara-pivelomana ilay fonja.

Vao haingana, dia nisy fitondram-panjakana nivarotra ny fonjany tamin’ny orinasa, mba hitsitsiana vola. Mampalahelo fa mahazo tombony ny mpandraharaha rehefa maro kokoa ny mpigadra ary lava kokoa ny fotoana igadrany. Mifangaro amin’ny resa-barotra, araka izany, ny fitsarana.

Rehefa heverina izany rehetra izany, dia izao no fanontaniana lehibe: Manova ny mpanao heloka bevava ve ny figadrana? Na dia tsia aza no valin’izay matetika, dia mety ho gaga ianao hahafantatra ny amin’ny mpigadra sasany nampiana mba hiova. Andeha hojerentsika ny fomba nanaovana izany.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Novana ny anarana sasany ato amin’ity lahatsoratra ity.

[Efajoro/Sary, pejy 6, 7]

Topy Maso ao Am-ponja

FENO LOATRA: Misetra olana lehibe momba ny fonja feno loatra ny any Grande-Bretagne. Ary tsy mahagaga izany satria io tany io no faharoa amin’ireo tany any Eoropa Andrefana manana voafonja betsaka indrindra, satria voafonja 125 isaky ny mponina 100 000 no any! Namboarina ho an’ny voafonja 500 ny fonja lehibe indrindran’i São Paulo, Brezila, nefa misy voafonja 6 000 hazonina ao. Voafonja 90 ka hatramin’ny 110 no ao amin’ny efitra tokony ho an’ny 28, any Rosia. Tery loatra ilay toerana, hany ka voatery mifandimby ny voafonja rehefa hatory. Voafonja 13 na 14 no afatratra ao anaty efitra mirefy telo metatra toradroa, any amin’ny firenena aziatika iray. Namaha ny olana teo amin’ny tsy fahampian’ny toerana kosa ny manam-pahefana any amin’ny faritra Andrefana amin’i Aostralia, ka kaontenera fandefasana entana no nasiany an’ireo voafonja.

HERISETRA: Milaza ny gazety alemà Der Spiegel fa mamono sy mampijaly ny hafa ireo voafonja mahery setra noho ny “adin’ireo mpifaninana amin’ny raharaha tsy ara-dalàna toy ny alkaola sy ny zava-mahadomelina, ny maha lahy sy maha vavy ary ny fampanjanaham-bola”. Mampipoaka herisetra ao am-ponja koa matetika ny adim-poko. “Avy amin’ny firenena 72 ireo mpigadra”, hoy ny Der Spiegel. “Tsy azo sorohina ny fifandirana sy ny fifandrafiana mahatonga herisetra.” Nilaza ny manam-pahefana fa 12 isam-bolana ny salanisan’ny voafonja misy mamono ho faty, any amin’ny fonja iray any Amerika Atsimo. “Nilaza ireo voafonja fa avo roa heny noho izany no maty”, hoy ny gazety Financial Times any Londres.

FAMETAVETANA: Namoaka lahatsoratra mahakasika ny “Olana Momba ny Fametavetana any Am-ponja”, ny The New York Times, ary milaza fa tombanana ho “lehilahy voafonja maherin’ny 290 000 no iharan’ny fisavihana isan-taona”. Hoy ihany izy: “Matetika no tsy maningana intsony ny fisavihana mampivarahontsana fa manjary zavatra fahita isan’andro.” Tombanan’ny fikambanana iray fa misy fisavihana 60 000 isan’andro any amin’ireo fonja any Etazonia.

FAHASALAMANA SY FAHADIOVANA: Voaporofo fa mihanaka any am-ponja ny aretina azo avy amin’ny firaisana. Misarika ny sain’ny mpanara-baovao maneran-tany ny tioberkilaozy eo amin’ireo voafonja any Rosia sy any amin’ireo firenena afrikanina vitsivitsy, sy ny fanaovana tsirambina eo amin’ny fitsaboana sy ny fahadiovana ary ny sakafo, any amin’ny fonja maro maneran-tany.

[Sary]

Fonja iray feno loatra any São Paulo, Brezila

[Sary nahazoan-dalana]

AP Photo/Dario Lopez-Mills

[Sary, pejy 4, 5]

Fonja mihidy mafy indrindra ny Fonja La Santé, any Frantsa

[Sary nahazoan-dalana]

AP Photo/Francois Mori

[Sary, pejy 6]

Vehivavy migadra any Managua, Nikaragoay

[Sary nahazoan-dalana]

AP Photo/Javier Galeano