Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Finoana Notsapaina Teto Polonina

Finoana Notsapaina Teto Polonina

Finoana Notsapaina Teto Polonina

NOTANTARAIN’I JAN FERENC

MBOLA tena tanora aho rehefa nafana ny Ady Lehibe Faharoa. Tsaroako tsara ny dadatoanay iray, izay Vavolombelon’i Jehovah. Nitsidika anay tany an-trano izy, ary namaky ny Baiboly taminay. Tsy liana ireo ray aman-dreniko, fa tena liana kosa i Józef rahalahiko sy i Janina anabaviko ary izaho. Tsy ela izahay dia samy nanamarika ny fanoloran-tenanay ho an’i Jehovah, tamin’ny alalan’ny batisa. Vao 14 taona monja aho, rehefa natao batisa.

Nanomboka nihaino ireo ray aman-dreninay, rehefa nahamarika ny vokatra tsara nateraky ny fianarana Baiboly teo amin’ny fiainanay. Rehefa takatry ny raiko fa melohin’ny Baiboly ny fanompoan-tsampy, dia hoy izy: “Raha izany no lazain’ny Tenin’Andriamanitra, dia nohazonin-dry mompera tao anatin’ny tsy fahalalana isika. Esory eny amin’ny rindrina, letsy, ireo sary rehetra, ary ario daholo a!” Natao batisa ny ray aman-dreniko, tokony ho roa taona taorian’izay. Nanompo an’i Jehovah tamim-pahatokiana izy ireo, mandra-pahafatiny.

Zava-tsarotra natrehinay

Niatrika fotoan-tsarotra ny Vavolombelon’i Jehovah taorian’ny ady. Nanaovan’ny Birao Miantoka ny Fiarovana bemidina, ohatra, ny birao tao Lodz, ka nosamborina ireo niasa tao. Tany atsinanan’i Polonina, dia nanafika tamin-kabibiana ny Vavolombelon’i Jehovah ny mpiady anaty akata avy amin’ny Tafi-panjakana, teo ambanin’ny fitaoman’ny mpitondra fivavahana katolika. *

Tokony ho tamin’io fotoana io koa, ny fitondram-panjakana kominista dia nisintona ny fahazoan-dalana nomeny anay taloha mba hanaovana ireo fivoriambenay, ary nanandrana nampitsahatra ireo fivoriambe izay efa teo am-panaovana azy. Ny fanoherana nitombo anefa dia vao mainka nampitombo ny fahatapahan-kevitray hanohy hitory ny Fanjakan’Andriamanitra. Tamin’ny 1949, izahay dia nanao tatitra momba ny Vavolombelona maherin’ny 14 000 teto Polonina.

Tsy ela aho dia tonga mpisava lalana, na mpitory manontolo andro eo amin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Tany amin’ny 500 kilaometatra teo ho eo avy teo amin’ny tanànako ny toerana nanendrena ahy voalohany. Taoriana kely anefa, dia notendrena ho mpiandraikitra mpitety faritany aho, tany amin’ny faritra atsinanan’i Lublin, tsy lavitra ny toerana nipetrahan’ireo ray aman-dreniko.

Nosamborina sy nampijalina

Tamin’ny Jona 1950, dia nosamborina aho ary nampangain’ny fitondram-panjakana kominista ho mpitsikilon’i Etazonia. Natsipy tao anatin’ny lakaly mando aho. Navoaka avy tao aho isan’alina, mba hoadinadinin’ny manam-pahefana mpanao famotorana iray. “Sekta ny fivavahana misy anao, sady fahavalon’ny Fitondranay”, hoy izy tamiko. “Miasa ho an’ny mpitsikilon’ny fanjakana amerikanina ny foibenareo. Azonay porofoina izany! Efa niaiky ireo rahalahinareo fa nanao dia nanerana an’i Polonina izy mba hanangonana fanazavana momba ny trano sy ozinina miaramila.”

Mazava ho azy fa diso tanteraka ireo fiampangana ireo. Na izany aza, dia nanoro hevitra ahy ilay manam-pahefana mba hanao sonia fanambarana iray handavako izay antsoiny hoe “fikambananareo manala baraka”. Niverimberina nanandrana hampanao sonia ahy izy. Nanandrana mihitsy aza izy ny hampanoratra ahy ny anarana sy ny adiresin’ny Vavolombelona rehetra fantatro sy ny toerana anaparitahana ireo zavatra vita an-tsoratra avoakantsika. Very maina ny ezaka nataony.

Taorian’izany, dia nokapohin’ireo manam-pahefana tamin’ny kibay aho, mandra-pahatorako. Avy eo dia notondrahany rano aho mba hahatsiaro tena indray, ary notohizina indray ny fanadihadiana taorian’izany. Ny alina nanaraka, dia voakapoka mafy teo amin’ny voditongotro aho. Niangavy an’Andriamanitra tamin’ny feo avo aho mba hanome hery ahy hiaretana. Tsapako fa nanao izany izy. Nitranga tsy tapaka nandritra ny efa ho herintaona ny famotorana tamin’ny alina toy ireny.

Navoaka ny fonja aho tamin’ny Aprily 1951, fa mbola nisy Vavolombelona maro nigadra. Nanatona Vavolombelona tompon’andraikitra iray aho ary nangataka fanendrena vaovao. “Tsy matahotra ny ho voasambotra indray angaha ianao?”, hoy izy nanontany ahy. “Mbola tapa-kevitra kokoa ny hiasa any amin’izay ilana fanampiana bebe kokoa aza aho”, hoy ny valin-teniko. Nanohy ny asako tamin’ny naha mpiandraikitra mpitety faritany aho, ary tatỳ aoriana dia nasaina mba handamina ny fanaovana pirinty sy ny fizarana ny zavatra vita an-tsoratra teto Polonina.

Tamin’izany fotoana izany, dia milina faran’izay tsotra fanaovana kopia sy stencils no nampiasainay mba hanaovana kopia Ny Tilikambo Fiambenana. Tsy dia tsara ireo zavatra vitanay pirinty, ary voatery nandoa vola be izahay nividianana ireo taratasy, izay tsy dia nisy firy tamin’izany fotoana izany. Tsy maintsy natao tany amin’ny toerana niafina ny fanaovana kopia, toy ny tany amin’ny sompitra na lakaly, na efitra fasiana korontan’entana. Ny fampidirana am-ponja no sazin’ireo izay tratra.

Tsaroako ny lava-drano maina iray nampiasainay. Teo amin’ny rindrin’izy io, tokony ho 11 metatra any ambanin’ny tany, no nisy lavaka iray hidirana tamin’ny efitra kely iray nanaovana kopia an’ireo gazetintsika. Mba hidinana tany, dia tsy maintsy nampidinina tamin’ny tady, izahay. Indray andro dia nampidinina tao amin’ilay lava-drano aho, tao anaty barìka hazo lehibe iray, rehefa tapaka tampoka ilay tady. Nianjera tany ambany aho, ary tapaka ny tongotro. Taorian’ny nivoahako ny hopitaly, dia niverina nampiasa ilay fitaovana fanaovana kopia indray aho.

Tokony ho tamin’io fotoana io, dia nihaona tamin’i Danuta, mpisava lalana be zotom-po aho. Nivady izahay tamin’ny 1956 ary nandritra ireo efa-taona nanaraka, dia niara-niasa tamin’ny fanompoana tany Polonina afovoany. Nanan-janaka roa izahay tamin’ny 1960, ary nanapa-kevitra fa hampitsahatra ny fanompoany manontolo andro i Danuta, mba hikarakarana azy ireo. Tsy ela dia voasambotra indray aho, ary tamin’ity indray mitoraka ity dia natao tao amin’ny efitra figadrana feno voalavo. Fito volana tatỳ aoriana, dia nomelohina higadra roa taona aho.

Fidirana sy fivoahana ny fonja

Nisy voafonja maherin’ny 300 tao amin’ny fonjan’i Bydgoszcz, ary nivavaka tamin’i Jehovah aho mba ho afaka hitory tamin’ireo tso-po ny hafatra momba ilay Fanjakana. Niresaka tamin’ny lehiben’ny fonja aho, ka nanipy hevitra taminy fa afaka manety volo aho. Gaga aho fa nanaiky izy. Tsy ela dia nanala ny volombavan’ireo mpigadra aho, nanety ny volon’izy ireo, ary nitory tamin’ireo izay toa nankasitraka.

Tsy ela dia nandray tsara ny dinidinika nataonay ilay mpigadra izay niara-nanety volo tamiko. Nanomboka niresaka tamin’ny hafa ny zavatra nianarany avy tao amin’ny Baiboly mihitsy aza izy. Tsy ela ny lehiben’ny fonja dia nandidy anay tsy hanao intsony izay nantsoiny hoe “fampielezan-kevitra manakorontana”. Tsy azo nohozongozonina ilay mpanety namako. Nanazava izy hoe: “Mpangalatra aho taloha, fa tsy izany intsony aho izao. Olona nandevozin’ny nikôtinina aho taloha, fa efa tsy mifoka sigara intsony izao. Nahita zava-kendrena eo amin’ny fiainako aho, ary maniry ho anisan’ny Vavolombelon’i Jehovah.”

Rehefa navoaka ny fonja aho, dia nalefa tany Poznań mba hiandraikitra ny “fanaova-mofo”, araka ny niantsoanay ny fanaovana pirinty miafina. Nihatsara be ny fanaovam-pirintinay tamin’ny faramparan’ireo taona 1950. Nianaranay koa ny fomba hampihenana amin’ny alalan’ny sary ny haben’ireo pejy — fandrosoana lehibe teo amin’ny teknolojianay — sy ny fomba fampiasa fanontam-pirinty Rotaprint. Nanomboka nanao pirinty sy nanambatra boky koa izahay tamin’ny 1960.

Tsy ela taorian’izay dia nitatitra ny asa nataonay ny mpifanila trano iray, ka nosamborina indray aho. Rehefa nafahana aho tamin’ny 1962, dia nahazo fanendrena hanompo tany Szczecin niaraka tamin’ny maro hafa. Talohan’ny tokony hiainganay anefa, dia nahazo izay noheverinay ho toromarika avy tamin’ny rahalahinay kristianina tsy mivadika izahay, mba ho any Kielce kosa. Nosamborina anefa izahay tany, ka nahazo sazy higadra herintaona sy tapany indray aho. Namadika anay ny mpisandoka avy tao anatiny. Hita izy ireo tatỳ aoriana, ka nesorina tsy ho anisanay.

Tamin’ny farany, rehefa navoaka ny fonja aho, dia notendrena hiandraikitra ny asa fanaovam-pirinty nanerana an’i Polonina. Tamin’ny 1974, taorian’ny folo taona nandosirana ny mpitsikilo, dia nenjehina aho ka voasambotra tao Opole. Tsy ela taorian’izay dia nalefa tany amin’ny fonjan’i Zabrze aho. “Tapitra ny asan’ny eveka ataonao”, hoy ny nolazain’ny lehiben’ny fonja tamiko. “Raha manohy ny fampielezan-kevitrao ianao, dia halefa any amin’ny efitra figadrana mitokana.”

Fitoriana tany am-ponja

Mazava ho azy fa tsy tapitra mihitsy akory ny asako amin’ny maha mpitory ahy. Raha ny marina, dia nanomboka fampianarana Baiboly tamin’ny roa tamin’ireo mpiara-migadra tamiko aho. Tamin’ny farany, dia nandroso izy ireo ka nataoko batisa tao amin’ny koveta be fandroana tao amin’ny fonja.

Nandray tsara ny fitorianay koa ny mpigadra hafa, ka tamin’ny Aprily 1977, dia niara-nivory izahay mba hankalaza ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy. (Lioka 22:19). Roa volana taorian’izay, ny Jona 1977, dia nafahana aho, ka tsy nosamborina indray intsony.

Tamin’izay ny fitondram-panjakana dia nanjary nandefitra kokoa nanoloana ny asanay. Tsy isalasalana fa nanampy be dia be ny fitsidihan’ireo anisan’ny Fitambara-mpitantan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Tamin’ny 1977, dia nisy telo tamin’izy ireo niresaka tamin’ireo mpiandraikitra sy mpisava lalana ary ireo Vavolombelona tranainy tany amin’ny tanàna maro. Herintaona taorian’izay, dia nanao fitsidihana ara-pomba ho fanajana tao amin’ny Biraon’ny Raharaha Ara-pivavahana, ny roa tamin’izy ireo. Tamin’ny 1989 anefa vao nesorina ny fandrarana ny asanay. Ankehitriny, dia misy Vavolombelona 124 000 eo ho eo marisika eto Polonina.

Noho i Danuta tsy dia salama loatra, dia tsy afaka niaraka tamiko izy tato anatin’ireo taona faramparany, nefa mampirisika ahy izy ary maniry ny hanohizako hitsidika kongregasiona. Ho velom-pankasitrahana mandrakizay aho, noho ny fanampiany nanatanjaka ahy nandritra ireo fampidirana ahy am-ponja imbetsaka.

Azo antoka fa fanapahan-kevitra nety ilay noraisiko 50 taona lasa izay, dia ny hanompo an’i Jehovah Andriamanitra. Nahita fifaliana lehibe aho teo amin’ny fanompoana azy amin’ny foko manontolo. Izahay mivady dia nahita ny fahamarinan’ny teny voarakitra ao amin’ny Isaia 40:29 hoe: “Mampahatanjaka ny reraka Izy [Jehovah], ary izay kely hery dia omeny hery be.”

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 6 Jereo ny Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 1994 (frantsay), pejy faha-213-222.

[Sary, pejy 20]

Nampiasa milina fanaovana kopia izahay, ary tatỳ aoriana dia nampiasa fanontam-pirinty Rotaprint, mba hanaovana ireo zavatra vita an-tsoratra

[Sary, pejy 21]

Izaho sy i Danuta vadiko