Raharaha Mahakasika Feon’ny Fieritreretana
Raharaha Mahakasika Feon’ny Fieritreretana
NILAZALAZA ny hafainganan’ny nahafatesan’ny anti-dahy maromaro vao avy nisotro divaim-boaroy mainty nifangaro arsenika ilay sarimihetsika kilasika hoe Arsenic and Old Lace (Arsenika sy Dantelina Tranainy), naseho tamin’ny 1944. Ilay sarimihetsika dia mampiseho tsara ny fiheveran’ny besinimaro hoe poizina haingam-piasa sy mety hahafaty foana ny arsenika. Ny fahafatesana tampoka voalazalaza tao amin’ilay sarimihetsika, raha ny marina, dia vokatry ny strychnine sy ny sianora nafangaro tamin’ilay divay koa, fa tsy vokatry ny arsenika.
“Tsy mafy, amin’ny ankapobeny, ny fisehon’ny fanapoizinana amin’ny arsenika”, hoy ny nosoratan’ny Dr. Robert E. Gallagher, ao amin’ny The New England Journal of Medicine. Hoy koa anefa izy hoe: “Olana lehibe mahakasika ny fahasalamam-bahoaka, any amin’ny faritra maro amin’izao tontolo izao, ny fanapoizinana amin’ny arsenika avy amin’ny rano fisotro voaloto sy ny fandoto indostrialy, ka mahatonga ny olona any ho mora voan’ny aretina samihafa, toy ny kanseran’ny hoditra, ny tatavia, ny havokavoka ary ny aty.”
Rehefa heverina io fanazavana etsy ambony io, dia takatra ny antony tsy anomezan’ny dokotera arsenika hitsaboana aretina, raha ny ara-dalàna. Araho tsara anefa ity fitantaran’ny marary iray tany Kanada ity. Mariho ny hoe rehefa natolotra ho fitsaboana ny fampidiran-dra, ary avy eo, ny arsenika, dia nisy fifanoheran’ny feon’ny fieritreretana teo amin’ilay marary antsoina hoe Darlene, sy ny dokoterany, ny mpitsabo mpanampy ary ny farmasianina. Toy izao no ilazan’i Darlene ny tantarany.
“Tamin’ny May 1996, dia nisy mangana be ny tenako, voan’ny lotsi-dra aho, ary nandeha ra ny akanjonifiko, nefa tsy mpahazo ahy izany. Nampahafantatra ilay aretina ho karazana kansera tsy fahita firy, antsoina hoe leucémie promyéloblastique aiguë (LMA), na kansera mahery mamely ny sela fotsin’ny ra, ny Dr. John Matthews, ilay mpahay siansa momba ny ra, nizaha ahy eto Kingston, Ontario. Rehefa avy nanao fitsirihana ny ra nifampitohitohy, anisan’izany ny fandinihana ny tsoka mba hamantarana aretina, aho, dia nohazavain’ny Dr. Matthews tamin-katsaram-panahy lehibe hoe inona izany LMA izany ary ahoana no itsaboana azy io. Raha ny ara-dalàna, ny fitsaboana dia mahafaoka fanoloana ny ra, ampiarahina amin’ny fitsaboana simika. Tsy mamela ahy hanaiky fampidiran-dra anefa ny feon’ny fieritreretako voataiza araka ny Baiboly.
Tsy nandany fotoana sarobidy niezahana nampiova hevitra ahy ireo dokotera, fa nanao fikarohana kosa mba hahitana fitsaboana hafa. Ilay fitsaboana nasiam-panovana dia nahafaoka fampiasana zavatra avy amin’ny vitaminina A, nampiarahina tamin’ny fitsaboana simika maherihery ihany. Nisava nandritra ny telo volana ilay kanseran’ny rako, nefa niverina mafy indray. Tsy zaka ny aretin’andoha nateraky ny fivontosan’ny atidoha. Fanampin’izany, dia nanjary tsy nandairan’ilay fitsaboana intsony aho. Tamin’izay ny dokotera no nampahafantatra anay fa tsy nisy fitsaboana azo natao tamiko, ankoatra ny fampidiran-dra. Nilazana izahay fa tapa-bolana latsaka sisa hahavelomako.
Nandritra ireo andro vitsy nanaraka aho dia nivezivezy nanao fitsirihana ra indray, nandeha tany amin’ny mpisolovava momba ny didim-pananako, ary nanao ny fiomanana momba ny fandevenana. Nandritra izany fotoana izany, ny Dr. Matthews dia niresaka taminay momba ny fitsaboana iray tsy mahazatra, izay nahomby rehefa
nampiasain’ny dokotera tany Chine hitsaboana ny LMA, ary gazety ara-tsiansa lehibe, toy ny Blood sy ny Proceedings of the National Academy of Sciences, no nanao tatitra momba ilay izy. Rehefa nanao fikarohana ilay dokotera sy ny mpiara-miasa taminy iray, dia namaky tao amin’ny gazety ara-pitsaboana iray fa ‘mety hahagaga ny maro ny fahalalana fa efa nampiasaina, ary nahomby, ny telonôksida-na arsenika nampidirina tamin’ny lalan-dra, mba hitsaboana ny karazana kansera mahery nahazo ahy (LMA), ary kely ny fanapoizinana nentiny’.Safidy roa izao no natrehiko: na handika ny feon’ny fieritreretako ka hanaiky fampidiran-dra, na handray an’io fitsaboana tsy hay firy, ampiasana arsenika, io. Ilay fitsaboana amin’ny arsenika no nofidiko. * Tsy azoko an-tsaina mihitsy hoe hisy fanelingelenan’ny feon’ny fieritreretana hahakasika ny dokotera, ny mpitsabo mpanampy, ny farmasianina, ary ny manam-pahefana tao amin’ny hopitaly mihitsy aza.
Nanontany ny manam-pahefana mpanao lalàna ilay hopitaly, taorian’izany, mba hahazoana antoka raha azo omena ho toy ny fanafody ny telonôksida-na arsenika. Tamin’izay ihany izy ireo vao namela ny hirosoana tamin’ny fitsaboana toy izany. Tamin’ny voalohany, dia tsy nety niara-niasa ny farmasianina, satria tsy nandry ny feon’ny fieritreretany sao hahitan-doza ilay fitsaboana. Voatery nanome fanazavana nampiaiky sy nanao filazana tsara momba io fitsaboana io ny dokoterako, ny Dr. Matthews sy ny Dr. Galbraith. Nihevitra ireo manam-pahefana tao amin’ilay hopitaly sy ilay farmasianina tamin’ny farany fa afaka niara-niasa, rehefa avy nampisehoana porofo ara-pitsaboana ampy izy ireo.
Nanaiky hikarakara ilay arsenika sy hanala otrikaretina taminy, mba ho azo ampidirina avy hatrany amin’ny lalan-dra, ilay farmasianina. Izao anefa dia ny feon’ny fieritreretan’ireo mpitsabo mpanampy tamin’ny fitambarany no tsy namela azy ireo hanantona ilay kitapo nisy ilay ranoka niteraka adihevitra, mba hampidirina amin’ny lalan-dra. Teo fotsiny izy ireo, fa ny tenan’ireo dokotera mihitsy no nanantona kitapo maromaro ihany tamin’ilay ranoka. Niangavy ahy mba handray ra ireo mpitsabo mpanampy. Nino mafy izy ireo fa ho faty aho, hany ka nanentana ny toe-tsain’ny matihanina tao amin’izy ireo aho, ka nangataka azy ireo mba hanaja ny feon’ny fieritreretako izay mandà tsy handray ra. Naneho ny fankasitrahako azy ireo aho, nisakambina azy ireo, ary nangataka azy mba hanilika ny fihetseham-pony manokana. Tsara foana ny fifandraisanay. Nitohy nandritra ny enim-bolana ilay fitsaboana tamin’ny telonôksida-na arsenika, ary nihasalama tsara aho. Nifanara-kevitra àry ireo dokotera fa ho afaka hanohy ny fitsaboana sisa atỳ an-trano aho.
Nisy fandaharana natao niaraka tamin’ny Holafitry ny Mpitsabo Mpanampy any Victoria, mba hisy ho tonga hikarakara ahy atỳ an-trano. Nipoitra indray koa ny raharaha mahakasika feon’ny fieritreretana. Tsy nety nampiditra ilay ranoka koa izy ireo. Nisy fivoriana sy taratasy ary lahatsoratra ara-pitsaboana avy tao amin’ny gazety ara-pitsaboana lehibe natao ka nampitsimbadika ny toe-javatra. Nanaiky hiara-miasa ireo mpitsabo mpanampy, taorian’izay. Vita ny fitsaboana ahy tamin’ny Septambra 1997.
Marina aloha fa mety mbola hiverina ilay karazana kansera nahavoa ahy. Milaza ny dokotera fa toy ny hoe mipetraka eo ambonin’ny baomba mety mbola hipoaka aho. Nianatra ny hahita fifaliana tamin’ny andro tsirairay nandalo anefa aho, ka tsy nahafoy na oviana na oviana ny toerana fanompoam-pivavahana, sady be zavatra natao foana teo amin’ny fizarana ny fanantenana miorina amin’ny Baiboly ny amin’ny fotoana ‘tsy hisian’ny mponina hilaza hoe: Marary aho’.” — Isaia 33:24.
Manana andraikitra mavesatra ireo matihanina ara-pitsaboana eo amin’ny fanomezana fikarakarana ara-pahasalamana tsara. Amin’ny ankapobeny, dia mihevitra izany ho zava-dehibe izy ireo, ka mampiasa ny feon’ny fieritreretany rehefa mitsabo, araka izay tratran’ny fahaizany sy ny fahalalany amin’izao fotoana izao. Araka ny porofoin’iny fitantarana iny, dia mahavita zavatra betsaka tokoa ireo dokotera, mpitsabo mpanampy ary matihanina hafa ao amin’ny fikarakaram-pahasalamana, raha mitoetra ho mora milefitra sy manaja ny hevitra ekena mafy sy ny feon’ny fieritreretan’ny marary ampy taona sy nahazo fahalalana tsara.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 8 Mitatitra ilay fitantarana fotsiny ny Mifohaza! fa tsy mampirisika ny hampiasana fanafody na fitsaboana amin’ny endriny manokana, na inona izany na inona.
[Sary, pejy 20]
Darlene Sheppard