Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manome Fanantenana Marina ho An’ny Olona

Manome Fanantenana Marina ho An’ny Olona

Manome Fanantenana Marina ho An’ny Olona

NY TANORA iray 17 taona avy any Moldavia, repoblika sovietika teo aloha, dia nanoratra tany amin’ny biraon’ny Vavolombelon’i Jehovah any, mba haneho ny fankasitrahany ilay fitohitohizan-dahatsoratra hoe “Inona no Fanantenan’ny Tanora Amin’izao Andro Izao?”, tao amin’ny Mifohaza! tamin’ny 8 Septambra 1998. Nanazava toy izao ilay nanoratra:

“Tsy tanako ny ranomasoko, ary voatery tsotra izao aho nanoratra mba hisaotra anareo. Nampahatsiahy ahy ny fihetseham-po tsapako, fotoana fohy talohan’izao, ireo lahatsoratra ireo. Tsy fantatr’ireo Vavolombelon’i Jehovah akory, fa namonjy ahy izy ireo rehefa iny andeha hamono tena iny aho. Niresaka tamin’izy ireo mahakasika ny fanantenana momba ny hoavy aho, ary nanamafy ny fatokisako ny famindram-pon’ny Mpamorona, ka tafarina tsikelikely tamin’ny famoizam-po nahazo ahy. (...)

Tena fanehoana fitiavana ny mpiara-belona ny fanampiana atolotrareo ny olona, mba hahafantarany ny fikasan’Andriamanitra ny amin’ny hanorenany toe-piainana tsara kokoa. Miharihary fa tsy hoe tsy misy vokany akory ireny ezaka ireny. Mendri-piderana ny ezaka ataonareo hanasongadinana ireo olana lehibe indrindra eo amin’ny fiaraha-monina. Tohizo hatrany izany asa mahasoa izany. Tsy andriko foana izay hivoahan’ny nomerao manaraka amin’io gazety io.”

Hita ao amin’ilay fehintsoratra hoe “Nahoana no avoaka ny Mifohaza!”, eo amin’ny pejy faha-4 amin’izay nomerao mivoaka, ny filazana hoe: “Ity gazety ity dia mampitombo fatokiana ny fampanantenan’ny Mpamorona tontolo vaovao miadana sy mandry feizay izay hisolo ny fandehan-javatra ratsy sy tsy tan-dalàna ankehitriny.” Nanome hery olona an-tapitrisany maro maneran-tany mba hiatrehana ny olana aterak’izao fotoan-tsarotra izao ny fampanantenan’Andriamanitra miorina amin’ny Baiboly.

Ho hitanao ny fanantenana marina, izay atolotry ny Mpamorona antsika, voalazalaza amin’ny fomba kanto eo amin’ny pejy faha-32, ao amin’ilay bokikely hoe Inona no Zava-kendren’ny Fiainana? Ahoana no Mety Hahitanao Azy Io? Jereo ao, indrindra indrindra, ilay fizarana hoe “Ho Tanteraka Tsy ho Ela ny Fikasan’Andriamanitra” sy ilay hoe “Aoka Ianao Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Tany Paradisa”. Afaka mahazo bokikely iray ianao raha mameno ny tapakila etsy ambany sy mandefa azy io any amin’ilay adiresy aseho eo amin’ilay tapakila, na any amin’ny iray amin’ireo adiresy voalaza ao amin’ny pejy faha-5 amin’ity gazety ity.

◻ Mba andefaso ilay bokikely hoe Inona no Zava-kendren’ny Fiainana? Ahoana no Mety Hahitanao Azy Io? aho.

◻ Mba andefaso olona aho hampianatra Baiboly ahy maimaim-poana atỳ an-tokantranoko.