“Aza Manaraka ny Maro”
Nampitandreman’i Jehovah ny vavolombelona sy ny mpitsara, mba tsy hanaiky hotaomin’ny maro hilaza zavatra tsy marina na hamoaka didim-pitsarana tsy ara-drariny. Azo ampiharina amin-javatra hafa koa anefa io toro lalana io. Miezaka foana mantsy ity tontolo ity mba hanery ny Kristianina hanaraka ny fomba fisainany sy ny fanaony.—Ro 12:2.
Nahoana no tsy mety ny manaraka ny maro rehefa...
-
maheno tsaho na fosafosa?
-
mifidy akanjo, taovolo, na fialam-boly?
-
mieritreritra momba ny olona tsy mitovy fiaviana, na kolontsaina, na fari-piainana aminao, sy rehefa mifandray amin’izy ireo?