NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA
Vonona Hahafoy ny Fotoananao sy ny Herinao ve Ianao?
Tena mandroso be izao ny ampahany eto an-tany amin’ny fandaminan’i Jehovah, ka hita hoe tanteraka ny faminanian’i Isaia. (Is 54:2) Tena ilaina àry ny manorina Efitrano Fanjakana, Efitrano Fivoriambe, ary tranon’ny sampana. Mila kojakojaina ireny trano ireny rehefa vita, ary tsy maintsy havaozina tanteraka ny sasany rehefa mandeha ny fotoana. Vonona hahafoy ny fotoananao sy ny herinao ve ianao, mba hanohanana an’ireo asa ireo? Inona no azonao atao?
-
Afaka manadio Efitrano Fanjakana ianao, rehefa anjaran’ny andia-mpitory misy anao ny manao an’izany
-
Miresaha amin’ny anti-panahy, raha tianao ny hahazo fampiofanana momba ny fikojakojana Efitrano Fanjakana
-
Afaka mameno Fangatahana ho Mpiasa An-tsitrapo Manao Fanorenana eo An-toerana (DC-50) ianao. Amin’izay ianao afaka manampy rehefa misy fanorenana na fikojakojana atao eny amin’ny faritra misy anareo
-
Azo atao koa ny mameno Fangatahana ho Mpiasa An-tsitrapo (A-19), raha tianao ny hanao asa an-tsitrapo mandritra ny herinandro na mihoatra ao amin’ny Betela na any amin’ny trano hafa ampiasain’ny sampana
JEREO ILAY VIDEO HOE TRANO VAOVAO HAORINA—AMPAHANY. VALIO IRETO AVY EO:
-
Inona no porofo fa lasa nampiasaina be ny video nanomboka tamin’ny 2014?
-
Vao mainka hihabetsaka ny video havoakantsika amin’ny hoavy. Inona àry ny tetikasa eritreretin’ny fandaminana hatao, ary haharitra firy taona ilay izy?
-
Inona avy ny asa azon’ny mpiasa an-tsitrapo atao amin’io tetikasa io?
-
Tokony hameno fangatahana (DC-50) ianao ary handray anjara amin’ny tetikasa fanorenana ataon’ny Sampan-draharaha Misahana ny Fanorenana eo An-toerana (SFA), raha tianao ny handray anjara amin’ilay tetikasa any Ramapo. Nahoana izany no tena ilaina?
-
Inona no porofo fa i Jehovah no mitarika an’io tetikasa io?
-
Inona no azonao atao mba hanohanana an’io tetikasa io, raha tsy afaka mandray anjara amin’ilay izy ianao?