NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA
Inona no Hataonao Rehefa Tonga ny Hain-tany?
Mifandray akaiky ny finoana sy ny fatokisana an’i Jehovah. Raha tena manam-pinoana, ohatra, isika dia hatoky hoe hiaro sy hikarakara antsika izy. (Sl 23:1, 4; 78:22) Efa mihamanakaiky ny faran’ity tontolo ity, ka vao mainka hanenjika antsika i Satana. (Ap 12:12) Inona àry no hanampy antsika?
JEREO ILAY VIDEO HOE INONA NO HATAONAO REHEFA TONGA NY HAIN-TANY?, ARY VALIO IRETO:
-
Nahoana isika no mitovy amin’ilay “hazo” resahin’ny Jeremia 17:8?
-
Inona ny iray amin’ireo “hafanana” na fitsapana mahazo antsika?
-
Hanao ahoana ilay “hazo” rehefa tonga ny hain-tany? Nahoana?
-
Inona no tanjon’i Satana?
-
Nahoana isika no mitovy amin’ny olona efa zatra mandeha raoplanina?
-
Nahoana isika no tokony hatoky foana ny mpanompo mendri-pitokisana sy malina? Ary ahoana no hahitana hoe matoky azy ireo isika?
-
Esoin’ny olona isika satria manaraka ny toro lalan’ny Baiboly. Nahoana anefa isika no tokony hatoky foana hoe mahasoa ny mampihatra azy ireny?