Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Hatsarao ny Fanompoanao: Mahaiza Manombo-dresaka Rehefa Mitory Tsy Ara-potoana

Hatsarao ny Fanompoanao: Mahaiza Manombo-dresaka Rehefa Mitory Tsy Ara-potoana

Tsy tonga dia nitory tamin’ilay vehivavy i Jesosy fa niresadresaka taminy aloha. Nihaino tsara àry ilay vehivavy rehefa nitory izy. Inona no azontsika atao, mba hahay hanombo-dresaka hoatr’azy isika?

  • Miezaha ho sariaka ary miresaha amin’ny olona. Niezaka niresaka tamin’ilay vehivavy samaritanina i Jesosy na dia efa reraka aza. Nangataka rano fotsiny izy aloha. Tadidio fa ny hiresaka amin’ny olona fotsiny no tanjontsika amin’ny voalohany. Afaka mitsiky aminy ianao, dia avy eo miresaka momba ny vidim-piainana, toetrandro, na zavatra hafa. Raha tsy te hiresaka ilay olona, dia olon-kafa indray iresahana. Mangataha fanampiana amin’i Jehovah mba ho sahy hiresaka ianao.—Ne 2:4; As 4:29.

  • Hararaoty rehefa afaka miresaka ny vaovao tsara amin’izay ianao. Aza terena be anefa ilay resaka sao tsy hahazo aina ilay olona, ka tsy hiresaka intsony. Aza kivy raha tsy afaka nitory akory ianao. Raha sarotra aminao ny mitory tsy ara-potoana, dia miezaha hanombo-dresaka fotsiny aloha. [Alefaso ilay video 1 ary iaraho midinika.]

  • Ataovy izay hahatonga an’ilay olona hametraka fanontaniana. Azonao atao, ohatra, ny miresaka ny soa azonao noho ianao mianatra Baiboly. Niresaka zavatra nahaliana an’ilay vehivavy i Jesosy. Lasa nametraka fanontaniana àry ilay vehivavy. Afaka niresaka momba ny vaovao tsara i Jesosy rehefa namaly ny fanontaniany. [Alefaso ilay video 2 ary iaraho midinika. Alefaso ilay video 3 aorian’izay.]