NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA
Sarobidy Aminao ve ny Tenin’Andriamanitra?
Hita ao amin’ny Baiboly ny hevitr’i Jehovah Andriamanitra sy ny zavatra nolazainy. (2Pe 1:20, 21) Manome fanantenana antsika koa ny Baiboly. Resahina ao mantsy fa hanamarina ny zon’i Jehovah hitondra ny Fanjakany, ka tsy ho ela dia ho tsara be ny fiainana. Hita ao amin’ny Baiboly koa ny toetran’i Jehovah, ilay Raintsika any an-danitra.—Sl 86:15.
Tsy mitovy ny antony itiavantsika ny Tenin’i Jehovah. Asehontsika anefa hoe tena sarobidy amintsika izy io, raha mamaky azy io isan’andro isika sady mampihatra an’izay voalaza ao. Enga anie ho hita amin’ny zavatra ataontsika fa tena ‘tiantsika ny lalàny.’—Sl 119:97.
JEREO ILAY VIDEO HOE SAROBIDY TAMIN’IZY IREO NY BAIBOLY: AMPAHANY (WILLIAM TYNDALE), ARY VALIO IRETO:
-
Nahoana i William Tyndale no nandika ampahany amin’ny Baiboly?
-
Nahoana no tena niavaka ny ezaka nataony mba handikana ny Baiboly?
-
Nampidirina an-tsokosoko tany Angletera ny Baiboly nadikan’i Tyndale. Ahoana no nanaovana an’izany?
-
Ahoana no azontsika tsirairay ampisehoana fa sarobidy amintsika ny Tenin’Andriamanitra?