NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA
Nahitana Vokatra Tsara Maneran-tany ny Kalesy Fampirantiana
Tantaraina ao amin’ny Asan’ny Apostoly toko 5, fa nitory tao amin’ny tempoly ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany. Be olona mantsy tao. (As 5:19-21, 42) Mahita vokatra tsara koa isika amin’izao, rehefa mitory eny amin’ny toerana be olona.
JEREO ILAY VIDEO HOE NAHITANA VOKATRA TSARA MANERAN-TANY NY KALESY FAMPIRANTIANA, ARY VALIO IRETO:
-
Oviana ny kalesy fampirantiana no nampiasaina voalohany, ary inona no natao tamin’izany?
-
Nahoana ny kalesy no tsara kokoa noho ny latabatra fampirantiana?
-
Inona no ianarantsika avy amin’ny tantaran’i Mi Jung You?
-
Nahoana no sarobidy io karazana fitoriana io, araka ny tantaran’i Jacob Salomé?
-
Raha jerena ny modely nomen’i Annies sy ny vadiny, inona no azontsika atao mba hahita vokatra isika rehefa manao fampirantiana?