3-9 Martsa
OHABOLANA 3
Hira 8 sy Vavaka | Teny Fampidirana (1 min.)
1. Asehoy hoe Matoky An’i Jehovah Ianao
(10 min.)
Aza matoky tena fa aleo matoky an’i Jehovah (Oh 3:5; ijwbv lahatsoratra 14 § 4-5)
Matokia an’i Jehovah ka tadiavo sy araho ny tari-dalany (Oh 3:6; ijwbv lahatsoratra 14 § 6-7)
Aza matoky tena be loatra (Oh 3:7; be 76 § 4)
SAINTSAINO IZAO: ‘Mitady ny tari-dalan’i Jehovah foana ve aho isaky ny hanao zavatra?’
2. Vatosoa Ara-panahy
(10 min.)
-
Oh 3:3: Inona no dikan’ilay hoe afatory eo amin’ny vozonao ny fitiavana sy ny tsy fivadihana, ary soraty eo amin’ny fonao? (w06 15/9 17 § 7)
-
Inona ny vatosoa ara-panahy hitanao tamin’ny famakiana Baiboly tamin’ity herinandro ity?
3. Famakiana Baiboly
(4 min.) Oh 3:1-18 (th lesona 12)
4. Miresadresaha Aloha
(3 min.) ISAN-TRANO. Miezaha mamaly fanoherana fahita eny amin’ny faritany. (lmd lesona 1, hevitra 5)
5. Miresadresaha Aloha
(4 min.) AMPAHIBEMASO. Resaho amin’ilay olona ny momba ny tranonkalantsika, dia omeo karatra jw.org izy avy eo. (lmd lesona 3, hevitra 3)
6. Lahateny
(5 min.) w11 15/3 14 § 7-10: Foto-kevitra: Asehoy hoe Matoky An’Andriamanitra Ianao Rehefa Tsy Raharahian’ny Olona ny Hafatra Torintsika. (th lesona 20)
Hira 124
7. Asehoy hoe Matoky ny Fandaminan’i Jehovah Ianao
(15 min.) Fiaraha-midinika.
Mety ho mora ihany ny matoky ny tari-dalana avy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, izany hoe ny Baiboly. Mety ho sarotra kokoa anefa ny matoky ny tari-dalana avy amin’ny olombelona tsy lavorary notendren’i Jehovah hitarika eo anivon’ny fandaminana, indrindra raha hoe tsy azontsika tsara ilay izy na hoe tsy mety amintsika.
Vakio ny Malakia 2:7. Iaraho midinika ity avy eo:
-
Nahoana isika no tsy gaga hoe mampiasa lehilahy tsy lavorary i Jehovah mba hitarika ny vahoakany?
Vakio ny Matio 24:45. Iaraho midinika ity avy eo:
-
Nahoana isika no afaka matoky ny tari-dalana avy amin’ny fandaminan’i Jehovah?
Vakio ny Hebreo 13:17. Iaraho midinika ity avy eo:
-
Nahoana isika no tokony hanohana ny fanapahan-kevitr’izay atokisan’i Jehovah hitarika antsika?
Alefaso ilay VIDEO hoe Vaovao Farany avy Amin’ny Filan-kevi-pitantanana (2021) #9: Ampahany. Iaraho midinika ity avy eo:
-
Nahoana ny tari-dalana azontsika nandritra an’ilay valanaretina no mahatonga anao hatoky kokoa ny fandaminan’i Jehovah?
8. Fianarana Baiboly
(30 min.) rr toko 22 § 23-31, efajoro 22A