9-15 Martsa
GENESISY 24
Hira 132 sy Vavaka
Teny Fampidirana (1 min.)
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA
“Vady ho An’i Isaka”: (10 min.)
Ge 24:2-4: Nasain’i Abrahama nitady vady ho an’i Isaka ny mpanompony, ary nilaza izy fa tokony ho mpanompon’i Jehovah ilay vehivavy (wp16.3 14 § 3)
Ge 24:11-15: Nihaona tamin’i Rebeka teo akaikin’ny lavadrano ilay mpanompon’i Abrahama (wp16.3 14 § 4)
Ge 24:58, 67: Nanaiky hanambady an’i Isaka i Rebeka (wp16.3 14 § 6-7)
Andao Hikaroka Harena Miafina: (10 min.)
Ge 24:19, 20: Inona no ianarantsika avy amin’io zavatra nataon’i Rebeka io? (wp16.3 12-13)
Ge 24:65: Nahoana i Rebeka no nisaron-doha rehefa nahita an’i Isaka, ary inona no ianarantsika avy amin’izany? (wp16.3 15 § 3)
Tamin’ny famakiana Baiboly tamin’ity herinandro ity, inona ny harena miafina hitanao momba an’i Jehovah, ny fanompoana, na zavatra hafa?
Famakiana Baiboly: (4 min. na latsaka) Ge 24:1-21 (th lesona 2)
FAMPIOFANANA AMIN’NY FANOMPOANA
Video Fitoriana: (4 min.) Fiaraha-midinika. Alefaso ilay video. Fanontaniana: Ahoana no ahitana fa nahay nametraka fanontaniana ilay mpitory? Ahoana no nataon’ilay mpitory rehefa avy nilaza ny heviny momba an’i Jesosy ilay olona?
Fitoriana: (2 min. na latsaka) Ampiasao ilay hevitra azo resahina. (th lesona 1)
Fitoriana: (3 min. na latsaka) Atombohy amin’ilay hevitra azo resahina. Manohitra ilay olona, ary fanoherana fahita eny amin’ny faritaninareo ilay izy. Miezaka mamaly azy ianao. (th lesona 12)
Fanasana Amin’ny Fahatsiarovana: (3 min. na latsaka) Atombohy amin’ilay hevitra azo resahina rehefa hanolotra fanasana. Liana ilay olona. Teneno izy fa tianao haseho azy ilay video hoe Tsarovy ny Nahafatesan’i Jesosy (mody asehoy fotsiny fa aza alefa). Iaraho midinika ilay izy avy eo. (th lesona 11)
NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA
Ezaka Manokana Hizarana Fanasana Fahatsiarovana Manomboka ny Asabotsy 14 Martsa: (8 min.) Fiaraha-midinika. Omeo fanasana iray avy ny mpanatrika, ary resaho izay voalaza ao amin’ilay izy. Alefaso ilay video fanolorana fanasana, ary iaraho midinika. Resaho ny fandaharana ataon’ny fiangonana mba hamitana ny faritany.
“Iza koa no Azonao Asaina?”: (7 min.) Fiaraha-midinika.
Fianarana Baiboly: (30 min.) jy toko 107
Teny Famaranana (3 min. na latsaka)
Hira 9 sy Vavaka