Namela ny Fahadisoan’ireo Rahalahiny i Josefa
Tsy mora ny mamela heloka, indrindra raha nanao fanahy iniana nampalahelo anao ilay olona. Inona no nanampy an’i Josefa hamela an’ireo rahalahiny?
-
Tsy nieritreritra ny hamaly faty i Josefa. Nojereny kosa raha efa niova ireo rahalahiny, mba hahafahany mamela azy ireo.—Sl 86:5; Lk 17:3, 4
-
Tsy nitana lolompo i Josefa. Vonona hamela heloka hoatran’i Jehovah kosa izy.—Mi 7:18, 19
Ahoana no ampisehoako hoe vonona hamela heloka hoatran’i Jehovah aho?