Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Inona re Izao no Tian’i Jehovah Hataoko E?

Inona re Izao no Tian’i Jehovah Hataoko E?

Mametraka fanontaniana hoatr’izany ve ianao, isaky ny handray fanapahan-kevitra, na kely ilay izy na lehibe? Tsy ho haintsika daholo ny hevitr’i Jehovah. Lazainy ao amin’ny Teniny anefa izay ilaintsika, mba ho ampy fitaovana “ho amin’ny asa tsara rehetra” isika. (2Ti 3:16, 17; Ro 11:33, 34) Nahalala tsara ny sitrapon’i Jehovah i Jesosy, ary ny hanao an’izany no zava-dehibe indrindra taminy. (Jn 4:34) Tokony hanahaka azy isika, ka hiezaka handray fanapahan-kevitra mampifaly an’i Jehovah.—Jn 8:28, 29; Ef 5:15-17.

ALEFASO ILAY VIDEO HOE FANTARO HATRANY IZAY SITRAPON’I JEHOVAH (LE 19:18), ARY VALIO IRETO:

  • Nahoana no tena ilaina ny mampihatra ny toro lalan’ny Baiboly?

  • Inona no toro lalan’ny Baiboly manampy antsika hifidy ny hira hohenointsika?

  • Inona no toro lalan’ny Baiboly manampy antsika hifidy ny akanjo hanaovantsika?

  • Rahoviana koa isika no mila mampihatra ny toro lalan’ny Baiboly?

  • Inona no hanampy antsika hanatsara ny fahaizantsika misaina, izany hoe hamantatra ny sitrapon’i Jehovah?

Hita amin’ny fanapahan-kevitra raisiko ve hoe mifandray tsara amin’i Jehovah aho?