15-21 Jolay
SALAMO 63-65
Hira 108 sy Vavaka | Teny Fampidirana (1 min.)
1. “Tsara Noho ny Aina ny Fitiavanao sy ny Tsy Fivadihanao”
(10 min.)
Sarobidy lavitra noho ny aina ny mifandray tsara amin’Andriamanitra (Sl 63:3; w01 15/10 15-16 § 17-18)
Vao mainka isika hankasitraka an’i Jehovah rehefa misaintsaina ny fomba anehoany fitiavana sy tsy fivadihana (Sl 63:6; w19.12 28 § 4; w15 15/10 24 § 7)
Lasa te hidera an’i Jehovah isika satria tia antsika sy tsy mivadika amintsika izy (Sl 63:4, 5; w09 15/7 16 § 6)
ZAVATRA AZO ATAO FOTOAM-PIVAVAHAN’NY FIANAKAVIANA: Iaraho midinika hoe ahoana avy ny fomba nanehoan’i Jehovah hoe tia sy tsy nivadika taminareo izy.
2. Vatosoa Ara-panahy
(10 min.)
-
Sl 64:3: Nahoana io andininy io no mandrisika antsika hanao teny mampahery foana? (w07 15/11 15 § 6)
Valin-teninao -
Inona ny vatosoa ara-panahy hitanao tamin’ny famakiana Baiboly tamin’ity herinandro ity?
Valin-teninao
3. Famakiana Baiboly
(4 min.) Sl 63:1–64:10 (th lesona 12)
4. Miresadresaha Aloha
(2 min.) ISAN-TRANO. Tsy mahay ny fiteninao ilay tompon-trano. (lmd lesona 3, hevitra 4)
5. Miresadresaha Aloha
(2 min.) TSY ARA-POTOANA. Tapaka ilay resaka dia tsy nahavita nitory akory ianao. (lmd lesona 2, hevitra 4)
6. Miresadresaha Aloha
(3 min.) AMPAHIBEMASO. Fantaro hoe inona ny foto-kevitra mety hahaliana an’ilay olona, dia mifanaova fotoana mba hitsidihana azy indray. (lmd lesona 1, hevitra 5)
7. Hazavao ny Zavatra Inoanao
(4 min.) Fampisehoana. ijwfq 51: Foto-kevitra: Nahoana ny Vavolombelon’i Jehovah no Mbola Miresaka Amin’ny Olona Efa Niteny hoe Tsy Liana Izy? (lmd lesona 4, hevitra 3)
Hira 154
8. Asehoy hoe Tianao Andriamanitra
(15 min.) Fiaraha-midinika.
“Tena be fitiavana sy tsy mivadika” i Jehovah. (Sl 86:15) Ny hoe “be fitiavana sy tsy mivadika” dia midika hoe tia olona iray satria tsy te hivadika aminy sady tena tsy mahafoy azy ary miraiki-po aminy. Na dia tia ny olona rehetra aza i Jehovah, dia izay mifandray akaiky aminy ihany no anehoany an’ilay hoe tia sy tsy mivadika. (Sl 33:18; 63:3; Jn 3:16; As 14:17) Ankasitrahanao ve hoe tia sy tsy mivadika aminao i Jehovah? Asehoy àry hoe tianao izy ka ankatoavy ny didiny, anisan’izany ilay didy hoe: ‘Ampianaro ny olona mba ho lasa mpanara-dia an’i Jesosy.’—Mt 28:19; 1Jn 5:3.
Alefaso ilay VIDEO hoe Miezaha Foana Haneho Fitiavana Rehefa eny Amin’ny Fanompoana. Iaraho midinika ireto fanontaniana ireto avy eo:
Nahoana no mandrisika antsika hitory ny fitiavana
-
rehefa reraka isika?
Valin-teninao -
rehefa misy manohitra?
Valin-teninao -
eo amin’ny fiainantsika andavanandro?
Valin-teninao
9. Fianarana Baiboly
(30 min.) rr toko 12 § 1-6, video fampidirana, efajoro 12A