NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA
Vao Mainka Isika Matoky ny Fahendren’i Jehovah Rehefa Mandinika ny Zavaboary
Fantatr’i Jehovah foana ve hoe inona no mety indrindra amintsika? Ie, tena fantany! Hendry isika raha mino an’izany dia manaraka ny tari-dalany. (Oh 16:3, 9) Rehefa tsy mitovy amin’ny eritreritsika anefa ny tari-dalan’i Jehovah, dia mety hisalasala isika ka tsy hatoky azy. Hatoky kokoa ny fahendren’i Jehovah isika rehefa misaintsaina ny zavaboariny.—Oh 30:24, 25; Ro 1:20.
JEREO ILAY VIDEO HOE NISY NAMORONA VE? NY FAHAIZAN’NY VITSIKA MIVEZIVEZY MILAMINA TSARA. VALIO IRETO AVY EO:
-
Inona no ataon’ny ankamaroan’ny vitsika, isan’andro?
-
Inona no ataon’ny vitsika mba hilamina tsara foana izy ireo rehefa mivezivezy?
-
Inona no azon’ny olombelona ianarana avy amin’ny fomba ivezivezen’ny vitsika?
JEREO ILAY VIDEO HOE NISY NAMORONA VE? NY FAHAIZAN’NY TANTELISIAKA MANIDINA. VALIO IRETO AVY EO:
-
Nahoana no sarotra amin’ny olombelona ny mitondra raoplanina kely?
-
Ahoana no ataon’ny tantelisiaka mba hahitsy tsara foana ny lalany rehefa manidina ao anaty rivotra be izy?
-
Inona no mety ho vitan’ny olombelona any aoriana any, rehefa mandinika ny fahaizana voajanahary ananan’ny tantelisiaka izy ireo?
Rehefa mandinika ny zavaboary any aminareo ianao, ahoana no ahitanao hoe hendry i Jehovah?