NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA
Hatsarao ny Fanompoanao: Aoka Ianao ho Vonona Hanao Fiverenana Mitsidika
NAHOANA IZANY NO ILAINA?
Mila tondrahana ny voan’ny fahamarinana afafintsika. (1Ko 3:6) Inona àry no tokony hatao rehefa mahita olona liana? Mametraha fanontaniana hovaliana amin’ny manaraka. Hahaliana kokoa an’ilay olona ilay resaka amin’izay, ary ho mora amintsika ny hanao fiverenana mitsidika. Rehefa miverina isika, dia afaka milaza fotsiny hoe tonga izahay mba hamaly an’ilay fanontaniana tamin’ny farany.
AHOANA NO HANAOVANA AZY?
-
Rehefa manomana fitoriana isan-trano ianao, dia mitadiava fanontaniana hovaliana amin’ny manaraka. Mety ho avy ao anatin’ilay zavatra atolotrao ihany ny valin’ilay izy, na koa avy ao amin’ny boky na bokikely natao hampianarana Baiboly, izay mbola homenao azy.
-
Raha liana ilay olona itorianao, dia resaho fa mbola te hiresaka aminy ianao amin’ny manaraka, ary lazao ilay fanontaniana efa nomaninao. Raiso ny nomeraony sy ny adiresiny, raha azo atao.
-
Raha nanome fotoana an’ilay olona ianao, dia aoka ianao hitana ny teninao.—Mt 5:37.