NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA
Inona no Azonao Ianarana avy Amin’ireo Hira ao Amin’ny Tele JW?
Iza amin’ireo hira ao amin’ny Tele JW no tianao indrindra? Nahoana? Hitanao ve hoe mampiseho ny zavatra iainantsika isan’andro ny video amin’izy ireny? Miresaka zavatra samihafa ireny hira ireny, sady isan-karazany ny mozika amin’ilay izy. Mandray soa daholo àry isika tsirairay. Tsy natao hampiala voly fotsiny anefa izy ireny.
Mampianatra antsika lesona azo ampiharina eo amin’ny fiainana sy ny fanompoana ireny hira ireny. Ny sasany, ohatra, miresaka momba ny fahaizana mandray vahiny, firaisan-tsaina, namana, herim-po, fitiavana, na finoana. Ny hafa indray mampirisika antsika hiverina amin’i Jehovah, hamela heloka, tsy hivadika, ary hanatratra tanjona eo amin’ny fanompoana. Misy aza manampy antsika handanjalanja rehefa mampiasa telefaonina. Inona koa ny lesona hafa nianaranao?
JEREO ILAY VIDEO HOE EFA AO AMBADIKA AO, ARY VALIO IRETO:
-
Inona avy ny fitahiana nosaintsainin’ilay mpivady be taona?—Ge 12:3
-
Inona no hanampy antsika hatoky kokoa fa mahavita manatanteraka ny fampanantenany i Jehovah?
-
Afaka ny hihaona amin’iza indray isika tsy ho ela?
-
Nahoana isika no hahavita hiatrika olana, raha misaintsaina ny zavatra hataon’ilay Fanjakana?—Ro 8:25