Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ataovy Namanao i Jehovah: Hira 084 Vonona Aho!

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Mihirà ho An’i Jehovah Amin’ny Fo Falifaly

Mihirà ho An’i Jehovah Amin’ny Fo Falifaly

Nanao hira fiderana ho an’i Jehovah i Paoly sy Silasy tao am-ponja. (As 16:25) Azo inoana hoe nanampy azy ireo hiaritra izany. Mampahery antsika koa ny hiran’ilay Fanjakana sy ny hira hafa avoakan’ny fandaminana. Manampy antsika tsy hivadika izy ireny. Ny tena zava-dehibe anefa dia hoe midera an’i Jehovah isika rehefa mihira. (Sl 28:7) Nisy fotoana isika nampirisihina mba hanao tsianjery an’ireo hira, na dia ny sasany ihany aza. Efa nanandrana ve ianao? Maninona raha mianatra hira mandritra ny fotoam-pivavahan’ny fianakavianareo?

JEREO ILAY VIDEO HOE ANKIZY MIDERA AN’I JEHOVAH AMIN’NY HIRA, ARY VALIO IRETO:

  • Ankizivavy roa mihira ao amin’ny studio

    Lasa manao ahoana isika rehefa manao an’ireo hira avoakan’ny fandaminana?

  • Anabavy manomana an’ireo fitaovana alohan’ny hahatongavan’ny ankizy

    Inona no fiomanana ataon’ireo ao amin’ny Sampan-draharahan’ny Feo/Video, alohan’ny fandraisam-peo?

  • Fianakaviana iray mihira mandritra ny fotoam-pivavahan’izy ireo

    Inona no fiomanana ataon’ireo ankizy sy ny fianakaviany, alohan’ny fandraisam-peo?

  • Ankizy maromaro miara-mihira

    Inona amin’ireo hira navoakan’ny fandaminana no tianao indrindra, ary nahoana?