NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA
Manaiky Ampianarin’i Jehovah ve Ianao?
NAHOANA IZANY NO TENA ILAINA? Manome antsika ny fampianarana tsara indrindra i Jehovah, ilay Mpampianatra Be Voninahitra. Ampianariny isika mba hanana fiainana tsara kokoa dieny izao sy amin’ny hoavy. Maimaim-poana ilay izy! (Is 11:6-9; 30:20, 21; Ap 22:17) Ampiofanin’i Jehovah koa isika mba hahay hizara an’ilay hafatra mamonjy aina.—2Ko 3:5.
AHOANA NO HANAOVANA AZY?
-
Miezaha hanetry tena mba ho mora ampianarina.—Sl 25:8, 9
-
Hararaoty ireo fampiofanana efa omena anao amin’izao, ohatra hoe ny anjara amin’ny fivoriana andavanandro
-
Manàna tanjona eo amin’ny fanompoana.—Fi 3:13
-
Miezaha mafy mba hahafeno fepetra, raha misy sekoly mbola tianao hatrehina.—Fi 3:8
JEREO ILAY VIDEO HOE MANANKARENA ARA-PANAHY SATRIA AMPIANARIN’I JEHOVAH, ARY VALIO IRETO:
-
Inona no vato misakana tsy maintsy noresen’ny mpitory sasany, mba hanatrehana ny Sekolin’ny Mpitory Ilay Fanjakana?
-
Ampiofanina hanao inona ireo manatrika an’io sekoly io?
-
Ahoana no nanampian’ny fiangonana an’ireo mpianatra, rehefa tonga tany amin’ny toerana nanendrena azy izy ireo?
-
Inona no fepetra takina amin’ireo maniry hanatrika ny Sekolin’ny Mpitory Ilay Fanjakana? (kr 189)
-
Inona koa ny sekoly misy eo anivon’ny fandaminan’i Jehovah?