Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

 TOKO FAHA-21

Niezaka Izy mba Tsy Hatahotra na Hisalasala

Niezaka Izy mba Tsy Hatahotra na Hisalasala

1-3. Inona avy no nitranga tamin’io andro io sy nandritra ny alina?

NIEZAKA mafy nivoy an’ilay sambokely i Petera. Reraka be ny lamosiny sy ny sorony, satria efa nandritra ny alina izy no nivoy an’ilay izy. Nahita zavatra nanjavozavo kely izy terỳ atsinanana. Fa efa hiposaka sahady angaha ny masoandro? Nifofofofo koa ny rivotra ka lasa nisamboaravoara ny rano. Nisy onja nisesisesy nidona teo amin’ny lohan-tsambo ka hotsaka sy nangatsiaka i Petera, nefa mbola nivoy ihany.

2 I Petera sy ny namany ihany no niaraka teny, fa tsy teo i Jesosy. Nanao fahagagana i Jesosy tamin’io andro io, ka nampitombo mofo sy trondro vitsivitsy mba ho an’ny vahoaka an’arivony. Notadiavin’ny olona hatao mpanjaka àry izy avy eo. Tsy nety anefa izy fa nandositra, ary ny mpianany koa tsy tiany hanao politika. Nasainy nandeha sambo nankeny ampita ry Petera, fa izy kosa nankany an-tendrombohitra mba hivavaka irery.—Mar. 6:35-45; vakio ny Jaona 6:14-17.

3 Mbola teny afovoan’ny lanitra ny volana rehefa niainga ry Petera. Efa erỳ amin’ny faravodilanitra kosa ilay izy izao, nefa mbola tsy lasa lavitra ihany ry zareo. Tsy nifandrenesana teny ambony sambo satria nifofofofo ny rivotra ary nidoboka be ny onja. Nangina àry ny rehetra, ka lasa saina teo i Petera.

Betsaka ny efa nianaran’i Petera nandritra ny roa taona, fa be koa no mbola mila ianarany

4. Nahoana i Petera no modely ho antsika?

4 Maro ny zavatra nifamahofaho tao an-tsain’i Petera. Efa roa taona mahery izay no nahalalany an’i Jesosy. Betsaka ny zavatra efa nampianarin’i Jesosy azy, nefa betsaka koa no mbola tokony hianarany. Mbola nila niezaka, ohatra, izy mba hatoky an’i Jehovah  sy Jesosy, fa tsy hisalasala na hatahotra. Vonona hiezaka foana izy ka modely ho antsika. Andeha àry harahintsika ny tantarany.

“Efa hitanay ny Mesia!”

5, 6. Tantarao ny mombamomba an’i Petera.

5 Tsy hohadinoin’i Petera mihitsy ny andro nahitany an’i Jesosy. I Andrea rahalahiny tamin’izay no niteny taminy hoe: “Efa hitanay ny Mesia!” Niova be ny fiainan’i Petera nanomboka teo.—Jaona 1:41.

6 Kapernaomy no tanàna niavian’i Petera. Eo avaratr’ilay farihy atao hoe Ranomasin’i Galilia izy io. Niara-niasa tamin’i Jakoba sy Jaona, zanak’i Zebedio, izy sy Andrea. Mpanarato izy ireo. Nanambady i Petera, ary niara-nipetraka taminy koa ny rafozambaviny sy Andrea. Nila niasa mafy sy nitady hevitra foana izy mba hamelomana azy ireo. Tsy mora ilay izy satria niasa nandritra ny alina izy sy ny namany. Mitondra sambo roa ry zareo ka alatsany eo anelanelany ny harato, ary ampiakariny avy eo izay trondro azo. Tsy maintsy niasa koa ry zareo ny antoandro. Nila nofantenana mantsy ny trondro ary namidy avy eo. Ny harato koa mbola nila namboarina sy nodiovina.

7. Inona no henon’i Petera momba an’i Jesosy, ary nahoana no tena niavaka izany vaovao izany?

7 Mpianatr’i Jaona Mpanao Batisa i Andrea tamin’ny voalohany. Azo antoka fa liana erỳ i Petera isaky ny nitantarany an’izay nolazain’i Jaona. Nanondro an’i Jesosy avy any Nazareta i Jaona, indray andro, sady niteny hoe: “Iny ilay Zanak’ondrin’Andriamanitra!” Maika erỳ àry i Andrea hilaza tamin’i Petera hoe tonga ny Mesia. Efa 4 000 taona teo ho eo izy io no nandrasana. Rehefa nikomy mantsy i Adama sy Eva, dia nampanantena i Jehovah fa hisy olona miavaka hanavotra ny olombelona. (Gen. 3:15) Tsy iza izany fa i Jesosy. Nahita azy i Andrea, ary lasa nanara-dia azy. (Jaona 1:35-41) Mba may hahita azy koa i Petera!

8. Inona no dikan’ilay anarana hoe Kefasy na Petera, ary nahoana no misy mihevitra hoe tsy mety aminy ilay izy?

8 Simona na Simeona no anaran’i Petera talohan’izay. Nijery azy anefa i Jesosy ary niteny hoe: “ ‘Ianao no Simona zanak’i Jaona, ary ianao hatao hoe Kefasy’—izay adika hoe Petera.” (Jaona 1:42) Ny hoe “Kefasy” dia midika hoe “vato” na “vatolampy.” Faminaniana io tenin’i Jesosy io. Fantany mantsy fa ho lasa andry hiankinan’ny mpiray finoana aminy i Petera, satria hanana finoana matanjaka na mafy toy ny vato, sady tsy hivadika mihitsy. Izany  ve no fahitan’i Petera ny tenany? Toa tsy izany mihitsy. Na ny olona sasany mpamaky Filazantsara aza mihevitra fa tsy hoatr’izany i Petera. Misy milaza fa olona taitaitra sy tsy azo ianteherana izy.

9. Inona no jeren’i Jehovah sy Jesosy ao amintsika? Ary nahoana isika no tokony hatoky azy ireo, araka ny hevitrao?

9 Fantatr’i Jesosy fa nanao fahadisoana i Petera. Manahaka an’i Jehovah Rainy anefa i Jesosy ka mijery ny toetra tsaran’ny olona foana. Fantany fa afaka ny hanana toetra tsara maro i Petera. Nataon’i Jesosy àry izay hanampiana azy hampiseho kokoa an’izany. Mijery ny toetra tsarantsika koa i Jehovah sy ny Zanany. Tsy mino angamba isika hoe hahita an’izany ao amintsika izy ireo. Mila matoky azy ireo anefa isika, ary manaiky hampianariny sy hahitsiny, toa an’i Petera.—Vakio ny 1 Jaona 3:19, 20.

“Aza matahotra”

10. Inona avy no hitan’i Petera, nefa inona indray no nataony avy eo?

10 Azo inoana fa nanaraka an’i Jesosy tany amin’ny toerana sasany nitoriany i Petera, taorian’ny nihaonan’izy ireo voalohany. Mety ho teo izy rehefa nanao fahagagana voalohany i Jesosy, tamin’ny fampakaram-bady iray tao Kana. Nanova rano ho divay i Jesosy tamin’izay. Nandre azy nitory ny Fanjakan’Andriamanitra mihitsy aza i Petera, ary tsy misy hafatra miavaka sy manome fanantenana hoatr’izany. Lasa niverina nanarato anefa izy avy eo. Afaka volana vitsivitsy izy vao nihaona tamin’i Jesosy indray, ka nasainy hanara-dia azy.

11, 12. a) Inona no nahakivikivy an’i Petera? b) Inona no mety ho noeritreretiny rehefa nihaino an’i Jesosy?

11 Kivikivy i Petera tamin’io andro io. Nanarato mantsy izy sy ny namany ny alina manontolo, nefa tsy nahazo na inona na inona. Azo antoka fa efa nampiasa ny fahaizany rehetra i Petera, sady nivezivezy nitady izay toerana misy trondro. Raha ny tiany dia nojereny mihitsy tao anaty rano hoe aiza daholo ny trondro, ary tiany hobaikoina mihitsy aza izy ireo hoe midira ao anaty harato. Very hevitra tanteraka izy. Tsy fanalana andro fotsiny ilay izy ho an’i Petera, satria io no amelomany ny fianakaviany. Nody ry zareo nony farany, ary tsy nitondra afa-tsy tanam-polo. Lasa àry i Petera nanadio harato. Mbola sahirana be izy tamin’i Jesosy nanatona azy.

Tsy nankaleo an’i Petera mihitsy ny nihaino an’i Jesosy nanazava ny Fanjakan’Andriamanitra

12 Nifanesika nanodidina an’i Jesosy ny olona tamin’izay, ary nihaino an’izay rehetra nolazainy. Niakatra tao amin’ny sambokelin’i Petera àry i Jesosy, ary nasainy natao nihataka kely ilay sambo. Re tsara ny feon’i Jesosy satria nisy an’ilay rano, ka teo izy no nampianatra ny vahoaka. (Lioka 5:1-3) Nanongilan-tsofina i Petera  sy ny olona rehetra. Tsy nankaleo azy mihitsy ny nihaino an’i Jesosy nanazava ny Fanjakan’Andriamanitra, na dia efa io foana aza no notorin’i Jesosy. Mety ho nieritreritra i Petera hoe: ‘Tsara erỳ angamba ny hiara-mitory amin’i Kristy an’izany hafatra manome fanantenana izany! Izaho ve anefa dia hahavita an’izany? Ahoana no hamelomako ny fianakaviako raha manao an’izany aho? Izaho aza ity niasa mafy nefa tsy nahazo na trondro iray aza!’

13, 14. Inona ny fahagagana nataon’i Jesosy ho an’i Petera, ary nanao ahoana i Petera avy eo?

13 Rehefa vita ny toritenin’i Jesosy, dia hoy izy tamin’i Petera: “Mirosoa any amin’ny lalina, ary alatsaho ny haratonareo hahazoanareo trondro!” Nisalasala be i Petera, ka niteny hoe: “Mpampianatra ô, efa niasa mafy nandritra ny alina manontolo izahay, saingy tsy nahazo mihitsy. Noho ny teninao anefa, dia halatsako ihany ny harato.” Ilay harato anefa amin’io vao avy nodiovina. Sady amin’izay efa tsy miakatra intsony ny trondro. Tsy te handatsaka an’ilay harato mihitsy àry i Petera, nefa nanaiky ihany. (Lioka 5:4, 5) Nantsoiny koa ny namany tao amin’ilay sambokely hafa mba hanaraka azy.

14 Rehefa hisintona ny harato amin’izay izy, dia injay fa nisy zavatra navesatra be. Mbola tsy tena nino aloha izy ka nisintona mafy ihany. Izay vao hitany fa feno trondro nipitipitika be tao anaty harato! Nikoropaka izy niantso an’ireo namany tao amin’ilay sambokely hafa mba hanampy azy. Hita avy eo hoe tsy zakan’ny sambo iray ny trondro rehetra. Nofenoina koa àry ilay sambokely faharoa, nefa be loatra ilay izy ka nanomboka nilentika ireo sambo. Gaga be i Petera! Efa nahita an’i Kristy nanao fahagagana ihany izy talohan’io. Tamin’ity indray mitoraka ity anefa, izy mihitsy no nanaovan’i Jesosy an’ilay izy. Dia tena vitan’i Jesosy tokoa ny mibaiko ny trondro hankao anaty harato! Natahotra àry i Petera ka nandohalika sady niteny hoe: “Tompo ô, mialà amiko fa mpanota aho.” Hitany fa manana ny herin’Andriamanitra i Jesosy, ka nahatsiaro ho tsy mendrika izy. Nieritreritra izy hoe olona hoatr’azy ve dia hiaraka amin’i Jesosy.—Vakio ny Lioka 5:6-9.

‘Tompo ô, mpanota aho’

15. Ahoana no nampaherezan’i Jesosy an’i Petera mba tsy hatahotra na hisalasala?

15 Tsara fanahy i Jesosy ka niteny hoe: “Aza matahotra, fa manomboka izao dia olona velona no ho azonao.” (Lioka 5:10)  Asa lehibe ilay nasain’i Jesosy nataony, satria hanova ny hoavin’ny olombelona izy io. Tsy tokony hisalasala na hanahy mihitsy àry i Petera hoe ahoana no hamelomany ny fianakaviany sady hitory. Hanome izay ilain’izy ireo mantsy i Jehovah ary hampahery azy. (Mat. 6:33) Tsy tokony hatahotra koa izy hoe tsy hahay na tsy ho mendrika hitory, satria “tena mamela heloka tanteraka” i Jehovah.—Isaia 55:7.

16. Inona no nataon’i Petera sy Jakoba ary Jaona rehefa nasain’i Jesosy hanaraka azy, ary nahoana izany no safidy tsara?

16 Tonga dia nanaiky hanaraka an’i Jesosy i Petera, ary toy izany koa i Jakoba sy Jaona. “Naverin’izy ireo teny an-tanety ny sambokely, ary nandao ny zava-drehetra ireo ka lasa nanaraka azy.” (Lioka 5:11) Hita hoe tena nino an’i Jesosy sy Jehovah i Petera sy  ny namany. Maro ny Kristianina manahaka azy ireo, ka miezaka tsy hisalasala na hatahotra hanompo an’Andriamanitra. Tena manam-pinoana izy ireo. Tsy ho diso fanantenana mihitsy izay matoky an’i Jehovah, ka manao safidy tsara toy ny nataon-dry Petera!—Sal. 22:4, 5.

“Nahoana ianao no nanjary nisalasala?”

17. Inona avy ny zavatra hitan’i Petera nandritra ny roa taona nahafantarany an’i Jesosy?

17 Roa taona teo ho eo taorian’ny nihaonan’i Petera sy Jesosy no nitranga ilay tantara tany amin’ny fehintsoratra voalohany. Tsy fantatsika hoe inona avy no noeritreretin’i Petera tamin’izy nivoy an’ilay sambokely, teo amin’ny Ranomasin’i Galilia. Maro mantsy ny zavatra efa nitranga. Efa nanasitrana ny rafozambaviny, ohatra, i Jesosy. Nanao an’ilay Toriteny teo An-tendrombohitra koa izy, ary be dia be ny fampianarana sy fahagagana nataony, ka voaporofo fa izy ilay Mesia notendren’i Jehovah. Rehefa nandeha ny fotoana, dia lasa tsy dia natahotra na nisalasala loatra intsony i Petera, satria izy aza nofidin’i Jesosy ho anisan’ny apostoliny 12. Tsy hoe niova tanteraka anefa izy.

18, 19. a) Tantarao izay hitan’i Petera teny amin’ny Ranomasin’i Galilia. b) Inona no nataon’i Jesosy rehefa nangataka hanatona azy i Petera?

18 Mbola teny ambony lakana foana ry Petera, nefa efa “fiambenana fahefatra” tamin’izay, izany hoe teo anelanelan’ny tamin’ny telo maraina sy vao mangiran-dratsy. Nijanona tampoka anefa izy, ka tsy nivoy intsony. Nisy zavatra nanjavozavo mantsy terỳ lavitra terỳ. Onja tarafin’ny volana ve io? Hoatran’ny mijoro be anefa ilay izy! Ary toa olona? Toa mandeha eo ambony rano koa ity izy? Mihamanatona ihany ilay izy, ary manitsy eny amin-dry zareo. Io ve tsy matoatoa? Natahotra be àry ry Petera. Hoy anefa ilay olona: “Mahereza fa izaho ihany ity. Aza matahotra.” Hay i Jesosy ilay izy!—Mat. 14:25-27.

19 Te hanamafy ny finoany i Petera, ka may erỳ handray anjara amin’ilay fahagagana. Niteny àry izy hoe: “Raha ianao tokoa io, Tompoko, dia asaivo manatona anao eny ambony rano aho.” (Mat. 14:28) Tsara fanahy i Jesosy ka nanaiky. Sahisahy be i Petera tamin’ny voalohany. Nianika ny sisin’ilay sambokely izy ary nanitsaka an’ilay rano manonja. Alao sary an-tsaina ange e! Tsapany hoe lasa mafy be ilay rano, ary afaka nijoro teo izy. Lasa amin’izay izy nanatona an’i Jesosy. Gaga be tsy nisy hoatr’izany i Petera! Nisy eritreritra tonga tampoka anefa tao an-tsainy.—Vakio ny Matio 14:29.

‘Natahotra izy nony nahita ny tafio-drivotra’

20. a) Inona no nampikoropaka an’i Petera, ary inona no nitranga avy eo? b) Ahoana no nananaran’i Jesosy an’i Petera?

 20 Tokony ho nijery an’i Jesosy foana i Petera, fa tsy nieritreritra zavatra hafa. I Jesosy mantsy no nampiasa ny herin’i Jehovah ka nahatonga azy tsy hilentika. Ary nanaiky hanao izany i Jesosy satria nino azy i Petera. Niriorio anefa ny sain’i Petera ka lasa nikoropaka izy. Nilaozany nijery an’ilay rano nanonja be sy ny rivotra nifofofofo mantsy. Hoy ny Baiboly: ‘Natahotra izy nony nahita ny tafio-drivotra.’ Nieritreritra angamba izy hoe: ‘Marina tsy hilentika aho, dia ho sempotra ao anaty rano ao!’ Natahotra be izy ka tsy nanam-pinoana intsony. Nantsoina hoe Vatolampy i Petera satria nantenaina hoe hanana finoana matanjaka. Lasa vato alatsaka anefa izy ity, satria tsy ampy finoana! Ny tahotra koa moa no betsaka, ka na dia nahay nilomano be aza izy, dia niantsoantso hoe: “Tompo ô, vonjeo aho!” Noraisin’i Jesosy ny tanany ary nosintoniny izy. Mbola teny ambony rano izy ireo no nanarin’i Jesosy izy hoe: “Ry kely finoana, nahoana ianao no nanjary nisalasala?”—Mat. 14:30, 31.

21. Nahoana no tena ratsy ny misalasala, ary ahoana no hiadiantsika amin’izany?

21 “Nanjary nisalasala” tokoa i Petera. Navelany hahazo vahana tao aminy ny fisalasalana, ka tena ratsy ny vokany. Raha avelantsika hitombo ao an-tsaintsika koa ny fisalasalana, dia mety hihena tsikelikely ny finoantsika. Mila miady mafy àry isika. Tsy tokony hifantoka amin’ny zavatra mahakivy na mampahatahotra antsika isika, na izay zavatra hafa mety hahatonga antsika hanadino an’i Jehovah sy ny Zanany. Hatanjaka kosa ny finoantsika raha eritreretintsika foana izay efa nataon’i Jehovah sy Jesosy, sy izay mbola hataony ho antsika.

22. Nahoana i Petera no modely ho antsika?

22 Niverina tao an-tsambo i Jesosy sy Petera. Nitsahatra ilay tafio-drivotra, ka lasa tony ny rano. Niaiky i Petera sy ny namany hoe “Zanak’Andriamanitra tokoa” i Jesosy. (Mat. 14:33) Efa nangiran-dratsy tamin’izay. Faly be i Petera satria lasa natoky kokoa an’i Jehovah sy Jesosy. Mbola nila niezaka be anefa izy mba tsy hisalasala na hatahotra intsony, fa ho lasa “vatolampy” azo atokisana tokoa. Vonona hiezaka foana anefa izy. Modely ho antsika tokoa i Petera. Miezaha àry hanam-pinoana toa azy!