LESONA 33
Rota sy Naomy
Nisy mosary tany Israely indray mandeha izay. Nifindra tany Moaba àry ny Israelita anankiray atao hoe Naomy, niaraka tamin’ny vadiny sy ny zanany roa lahy. Maty anefa ny vadin’i Naomy tatỳ aoriana. Nanambady vehivavy moabita atao hoe Rota sy Orpa ny zanany lahy. Maty koa anefa izy roa lahy!
Niverina nody tany Israely i Naomy, rehefa fantany hoe tsy nisy mosary intsony tany. Niaraka taminy koa i Rota sy Orpa. Hoy anefa i Naomy rehefa teny an-dalana: ‘Tsara fanahy be tamiko sy tamin’ny zanako lahy ianareo roa vavy. Fa tiako anefa raha manambady indray ianareo roa. Tsy aleonareo ve mody any Moaba?’ Dia hoy izy roa vavy: ‘Ianao ange tianay be e! Izahay tsy handeha hody izany.’ Notenenin’i Naomy an’izany foana anefa ry zareo, dia farany nody i Orpa. Dia hoy i Naomy tamin’i Rota: ‘Iny izao i Orpa fa lasa nody any aminy sy any amin’ireo andriamaniny. Mandehana miaraka aminy, dia modia any amin’ny mamanao.’ Dia hoy i Rota: ‘Efa hoe izaho hiaraka aminao foana, dia ny firenenao no ho fireneko, dia izay Andriamanitra ivavahanao no hivavahako.’ Faly be izao i Naomy e?
Tonga tany Israely i Rota sy Naomy rehefa nanomboka ny fijinjana vary orza. Indray andro izay i Rota nandeha nitsimpona an’izay vary orza tavela teny amin’ny sahan’ny lehilahy iray atao hoe Boaza. Zanak’i Rahaba izy io. Henon’i Boaza tamin’olona hoe Moabita i Rota, sady tsy nanary an’i Naomy mihitsy. Noteneniny àry ny mpiasany mba hamela vary misimisy kokoa hangonin’i Rota.
Hoy i Naomy, rehefa nody i Rota ny harivan’iny: ‘Fa taiza ianao no niasa androany?’ Dia hoy i Rota: ‘Teny amin’ny sahan’izay Boaza izay.’ Hoy i Naomy: ‘Hay! Havan’ny vadiko iny. Aza miala eny amin’ny sahany, amin’izay ianao tsisy manadala.’
Dia niasa teo amin’ny sahan’i Boaza foana i Rota, mandra-pahatapitry ny fijinjana. Hitan’i Boaza hoe nazoto niasa izy sady tena tsara toetra. Tamin’izany, raha maty ny lehilahy iray nefa tsy manan-janakalahy, dia ny havany ihany no manambady an’ilay vadiny. Nanambady an’i Rota àry i Boaza, dia niteraka lahikely ry zareo. Obeda no anarany. Lasa dadaben’i Davida Mpanjaka izy tatỳ aoriana. Faly be ny naman’i Naomy tamin’izay. Hoy ry zareo: ‘Nomen’i Jehovah an’i Rota ianao, ary tena nikarakara anao i Rota. Izao indray ianao nahazo zafikely. Hoderaina anie i Jehovah!’
‘Misy namana mifikitra noho ny rahalahy aza.’—Ohabolana 18:24