LESONA 15
Tsy Nanadino An’i Josefa Mihitsy i Jehovah
Nanofy i Farao, mpanjakan’i Ejipta, indray andro, ary tsy nisy nahay ny dikan’ilay nofiny mihitsy. Mbola nigadra i Josefa tamin’izay. Nisy mpiasan’i Farao anefa niteny hoe mahay manazava ny dikan’ilay nofy i Josefa. Tonga àry dia nampanantsoin’i Farao izy.
Hoy i Farao tamin’i Josefa: ‘Hainao ve ny dikan’ilay nofiko teo?’ Dia hoy i Josefa: ‘Hisy sakafo be dia be eto Ejipta mandritra ny fito taona, dia avy eo tsy hisy mihitsy mandritra ny fito taona. Mifidiana olona iray tena mahay dia asaivo manangona sakafo izy, amin’izay ny olona hanana sakafo foana fa tsy ho faty noana.’ Hoy i Farao: ‘Tonga dia ianao izany no fidiko! Ianao no hataoko ambony indrindra manarakaraka an’ahy.’ Fa ahoana no nahaizan’i Josefa ny dikan’ilay nofin’i Farao? Satria izy nampian’i Jehovah.
Nanangona sakafo i Josefa nandritra ny fito taona. Dia tsy nisy sakafo intsony tokoa eran-tany taorian’izay, afa-tsy tany Ejipta. Nankany amin’i Josefa daholo àry ny olona mba hividy sakafo. Fantatr’i Jakoba, dadan’i Josefa, fa nisy sakafo tany Ejipta, ka nirahiny nankany ny zanany folo.
Nankany amin’i Josefa àry izy folo lahy. Tonga dia fantatr’i Josefa ireo zokiny ireo, fa ry zareo tsy nahafantatra azy. Niankohoka teo anatrehany ry zareo, araka ilay nofiny tamin’izy mbola tanora. Tian’i Josefa ho fantatra raha mbola ratsy toetra foana ry zareo, ka hoy izy: ‘Tonga hitsikilo ny taninay fotsiny ianareo dia hijery hoe aiza no mora tafihina!’ Dia hoy ry zareo: ‘Tsy mpitsikilo izany izahay! Avy
any Kanana izahay, ary 12 mirahalahy. Efa maty ny zandrinay lahy anankiray, dia ny zandrinay faralahy any amin’ny dadanay.’ Dia hoy i Josefa: ‘Ho ento atỳ àry izany zandrinareo izany, izay aho vao mino anareo.’ Dia lasa nody ry zareo avy eo.Lany indray ny sakafon-dry Jakoba, dia nasainy niverina tany Ejipta ny zanany. Nentin-dry zareo tamin’izay i Benjamina, ilay faralahy. Dia nahita hevitra indray i Josefa. Mody nafeniny tao anaty gonin’i Benjamina ny kaopiny volafotsy, dia nolazainy avy eo hoe nangalarin-dry zareo ilay izy. Nokarohin’ny mpiasan’i Josefa ilay izy, dia hitany tao anaty gonin’i Benjamina. Taitra be ny zokin’i Josefa, ka niangavy azy hoe aleo ry zareo no sazina fa tsy i Benjamina.
Fantatr’i Josefa amin’izay izao fa efa niova ny zokiny. Tsy tanany intsony àry ny ranomasony, ka hoy izy: ‘Izaho ange no Josefa e, ilay zandrinareo! Mbola velona any ve i Dada?’ Taitra be mihitsy ry zareo. Hoy koa i Josefa: ‘Aza malahelo amin’ny zavatra nataonareo an’ahy, fa Andriamanitra no nandefa an’ahy tatỳ mba hamonjena anareo. ’Ndana haingana alaivo mankatỳ i Dada.’
Dia lasa nody ry zareo nitantara an’ilay vaovao tsara tamin’ny dadany, sady haka azy ho any Ejipta. Ela ny ela ka nifankahita indray i Josefa sy ny dadany!
‘Raha tsy mamela ny heloky ny olona ianareo, dia tsy hamela ny helokareo koa ny Rainareo.’—Matio 6:15