Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LESONA 17

Nifidy ny Hanompo An’i Jehovah i Mosesy

Nifidy ny Hanompo An’i Jehovah i Mosesy

Israelita no lasa niantsoana ny taranak’i Jakoba, tamin-dry zareo nipetraka tany Ejipta. Maty i Jakoba sy Josefa tatỳ aoriana, ary Farao hafa indray no nanjaka tany. Nataon’io Farao io andevo ny Israelita, satria natahotra izy hoe sao dia lasa matanjaka noho ny Ejipsianina ry zareo. Notereny hanao biriky be dia be sy hiasa mafy tany an-tsaha ry zareo. Vao mainka lasa be dia be anefa ny Israelita. Tsy tian’i Farao izany, ka nasainy novonoina daholo izay zazalahikely israelita vao teraka. Natahotra be izao ny Israelita tamin’izany e?

Niteraka lahikely mahafatifaty ny vehivavy israelita iray atao hoe Jokebeda. Dia inona no nataony mba hiarovana an’ilay zaza? Nataony tao anaty harona izy, dia nafeniny tao anaty bararata teny amin’ny Reniranon’i Neily. Niandriandry teny akaiky teny i Miriama, anabavin’ilay zaza, mba hijery izay hitranga.

Nandeha nandro tao amin’ilay renirano ny zanakavavin’i Farao, dia hitany ilay harona ary nosokafany. Zazakely nitomany no hitany tao, dia nalahelo be izy. Hoy i Miriama tamin’ilay zanakavavin’i Farao: ‘Itadiavako vehivavy hampinono sy hitaiza an’io zaza io ve ianao?’ Nanaiky ilay zanakavavin’i Farao, dia ny maman’izy dahy ihany avy eo no nantsoin’i Miriama, izany hoe i Jokebeda. Hoy ny zanakavavin’i Farao taminy: ‘Mba ho ento any ity zaza ity dia ampinonoy, fa homeko karama ianao.’

Nentin’i Jokebeda tany amin’ny zanakavavin’i Farao ilay zaza rehefa lehibebe. Nataon’ny zanakavavin’i Farao hoe Mosesy ny anarany, ary notezainy hoatran’ny hoe zanany mihitsy izy. Hoatran’ny mpanjaka kely i Mosesy tamin’izany, sady afaka nahazo an’izay tiany. Tsy nanadino an’i Jehovah mihitsy anefa izy. Fantany mantsy hoe Israelita izy fa tsy Ejipsianina. Nifidy ny hanompo an’i Jehovah àry izy.

Tapa-kevitra i Mosesy tamin’izy 40 taona hoe handeha hanampy ny Israelita. Rehefa nahita Ejipsianina nikapoka andevo israelita izy, indray mandeha, dia nikasi-tanana an’ilay Ejipsianina. Mafy loatra ny namelezan’i Mosesy azy, dia maty ilay olona! Nafeniny tao anaty fasika ny fatiny avy eo. Fantatr’i Farao izany tatỳ aoriana, ka notadiaviny hovonoina i Mosesy. Nitsoaka nankany Midianina àry izy. Nokarakarain’i Jehovah foana anefa izy tany.

“Finoana no nahatonga an’i Mosesy tsy hanaiky hatao hoe zanaky ny zanakavavin’i Farao. ... Naleony nampijalina niaraka tamin’ny vahoakan’Andriamanitra.”​—Hebreo 11:24, 25