LESONA 76
Nanadio ny Tempoly i Jesosy
Nankany Jerosalema i Jesosy tamin’ny Aprily taona 30. Be dia be ny olona tonga nankalaza ny Paska tao tamin’izay, dia nanao sorona biby tao amin’ny tempoly. Anisan’ny fanao tamin’io fety io mantsy izany. Nitondra biby ny olona sasany, fa ny hafa kosa nividy tao Jerosalema.
Rehefa niditra tao amin’ny tempoly i Jesosy, dia nahita olona nivarotra biby. Aiza ve ka trano natao hivavahana amin’i Jehovah, nefa nataon-dry zareo hitadiavana vola! Dia ahoana hoy i Jesosy? Nanamboatra karavasy tamin’ny tady izy, dia noroahiny tany ivelan’ny tempoly daholo ireo ondry sy omby. Nazerany koa ny
latabatry ny mpanakalo vola, dia nararany tamin’ny tany ny volan-dry zareo. Dia hoy i Jesosy tamin’ny mpivarotra voromailala: ‘Ento mandeha any ireo! Aza atao toerana fitadiavam-bola ny tranon’ny Raiko!’Gaga be ny olona tao amin’ny tempoly nahita an’i Jesosy nanao an’izany. Dia tadidin’ny mpianany ilay faminaniana momba ny Mesia hoe: ‘Hafana fo be hiaro ny tranon’i Jehovah aho.’
Mbola nanadio ny tempoly indray i Jesosy tamin’ny taona 33. Tsy navelany hisy hanao tsinontsinona ny tranon’ny Rainy mihitsy.
“Tsy mahavita manompo an’Andriamanitra sy ny Harena ianareo.” —Lioka 16:13