LESONA 63
Ilay Soratra teo Amin’ny Rindrina
I Belsazara indray no lasa mpanjakan’i Babylona tatỳ aoriana. Nanao sakafo be izy indray alina, ary nanasa olona ambony 1000. Nasainy navoakan’ny mpiasany ny kaopy volamena nalain’i Nebokadnezara tao amin’ny tempolin’i Jehovah. Dia nisotro tamin’ireny kaopy ireny izy sy ny vahininy, sady nidera ny andriamaniny. Nisy tanana nipoitra tampoka anefa teo amin’ny rindrina, dia nanoratra teny hafahafa.
Natahotra be i Belsazara, dia nantsoiny ny mpanao sikidy ka hoy izy: ‘Izay mahay manazava ny dikan’ireo teny ireo, dia hataoko mpitondra fahatelo eto Babylona.’ Nanandrana daholo ry zareo fa tsy nisy nahay. Dia tonga teo ny renin’ny mpanjaka, ka niteny hoe: ‘Misy an’izay Daniela izay any. Izy no nahay nanazava zavatra hoatran’io tamin’i Nebokadnezara. Hainy izao ny dikan’ireo.’
Rehefa tonga i Daniela, dia hoy i Belsazara taminy: ‘Raha hainao ny mamaky sy milaza ny dikan’ireo teny ireo, dia homeko rojo volamena ianao, ary hataoko mpitondra fahatelo eto Babylona.’ Dia hoy i Daniela: ‘Tsy mila an’izany aho. Holazaiko aminao ihany anefa ny dikan’io soratra io. Nanambony tena i Nebokadnezara dadanao, dia nataon’i Jehovah lasa ambany. Efa fantatrao izany, nefa mbola tsy nanaja an’i Jehovah ihany ianao, satria ny kaopy volamena avy tao amin’ny tempoliny no nisotroanao divay. Dia izao ilay soratra nosoratany: Mene, Mene, Tekela, ary Parsina. Ary izao no dikany: Ho resin’ny Medianina sy Persianina i Babylona, ary tsy ho mpanjaka intsony ianao.’
Hoatran’ny hoe tsisy haharesy izany mihitsy anefa i Babylona. Matevina be mantsy ny mandany, ary nisy renirano lalina be nanodidina azy. Nanafika an’ilay tanàna anefa ny Medianina sy ny Persianina tamin’iny alina iny ihany. Navilin’i Kyrosy mpanjaka persianina
ilay renirano, dia afaka nankeny amin’ny vavahady ny miaramilany. Rehefa tonga teny ry zareo, dia io fa nisokatra nidanadana ny vavahady! Niditra àry ry zareo dia resiny ilay tanàna. Novonoina i Belsazara, ary i Kyrosy indray no lasa mpanjakan’i Babylona.Hoy i Kyrosy, herintaona taorian’izay: ‘Niteny tamiko i Jehovah hoe tokony hamboarina indray ny tempoliny any Jerosalema. Afaka mandeha any daholo àry izay anisan’ny vahoakany ka te hanampy hanamboatra an’ilay izy.’ Marina tokoa ny tenin’i Jehovah! Be dia be mantsy ny Jiosy nody tany Jerosalema, 70 taona taorian’ny nandravana azy. Naverin’i Kyrosy tany koa ny kaopy volamena sy volafotsy ary ny fitaovana nalain’i Nebokadnezara tao amin’ny tempoly. Hitanao ve hoe ahoana no nampiasan’i Jehovah an’i Kyrosy mba hanampiana ny vahoakany?
“Nianjera, nianjera i Babylona Lehibe, ka lasa fonenan’ny demonia!”—Apokalypsy 18:2