Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fampidirana ny Fizarana 1

Fampidirana ny Fizarana 1

Vao manomboka ny Baiboly, dia miresaka momba ny famoronana. Lasa azontsika tsara àry hoe tsara tarehy be ny zavatra nataon’i Jehovah, na ny any an-danitra na ny etỳ an-tany. Raha manan-janaka ianao, dia ampianaro azy hoe isan-karazany ny zavatra noforonin’i Jehovah, sady tsara be daholo. Tsy nataony mitovy amin’ny biby ny olombelona fa nataony mahay miteny, mieritreritra, mamorona zavatra, mihira, ary mivavaka. Ampio ny zanakao mba hahazo tsara hoe mahery sy manam-pahendrena i Jehovah ary tiany daholo ny zavatra noforoniny, anisan’izany isika tsirairay.

ATO AMIN’ITY FIZARANA ITY

LESONA 1

Nanamboatra ny Lanitra sy ny Tany Andriamanitra

Resahin’ny Baiboly hoe nanao ny lanitra sy ny tany Andriamanitra. Fantatrao ve anefa hoe maninona izy no namorona anjely iray aloha vao nanao ny zavaboary hafa rehetra?

LESONA 2

Nanao Lehilahy sy Vehivavy Andriamanitra

Nataon’Andriamanitra tao amin’ny zaridainan’i Edena ny lehilahy sy vehivavy voalohany. Nasainy hiteraka izy mivady, sady hanao ny tany manontolo ho paradisa.