Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 24

Mitandrema sao Lasa Mpangalatra!

Mitandrema sao Lasa Mpangalatra!

EFA nisy nangalatra ve ny zavatrao?... Dia ahoana hoy ianao?... Na iza na iza naka ilay izy dia mpangalatra, ary tsy misy olona tia mpangalatra. Nahoana no lasa mpangalatra ny olona, araka ny hevitrao? Vao teraka ve izy dia efa mpangalatra?...

Vao avy nianarantsika fa nahazo ota ny olona. Tsy lavorary isika rehetra, nefa tsy misy hoe vao teraka dia efa mpangalatra. Mety ho olona tsara ny havan’ny mpangalatra. Manao ny marina angamba ny ray aman-dreniny sy ny zokiny ary ny zandriny. Mety ho lasa mpangalatra anefa izy, raha maniry hahazo vola, sy hahazo zavatra be dia be.

Iza, hoy ianao, no mpangalatra voalohany?... Andeha hodinihintsika ny amin’izany. Fantatr’ilay Mpampianatra Lehibe izy io tamin’izy tany an-danitra. Anjely io mpangalatra io. Inona no nahatonga azy ho mpangalatra, nefa nataon’Andriamanitra lavorary ny anjely rehetra?... Hitantsika tao amin’ny Toko 8 fa naniry zavatra tsy azy izy. Inona izany zavatra izany raha tadidinao?...

Nirin’io anjely io hivavaka taminy ny lehilahy sy vehivavy voalohany noforonin’Andriamanitra. Tsy tokony ho izy mihitsy no hivavahana. Andriamanitra ihany no tokony hivavahana, nefa nangalariny izany zon’Andriamanitra izany! Lasa mpangalatra ilay anjely rehefa nitarika an’i Adama sy Eva hivavaka taminy. Lasa Satana Devoly izy.

Inona àry no mahatonga ny olona ho lasa mpangalatra?... Ny faniriana hahazo izay tsy azy. Mety hanjary ho mafy be ilay faniriana ka hahatonga olona tsara hanao zava-dratsy. Tsy mibebaka intsony ireny olona lasa mpangalatra ireny indraindray, ary tsy manao ny tsara intsony. Anisan’izany i Jodasy Iskariota, apostolin’i Jesosy.

Fantatr’i Jodasy fa ratsy ny mangalatra, satria efa nampianarina azy ny Lalàn’Andriamanitra, hatramin’izy mbola kely. Fantany fa niteny avy tany an-danitra tamin’ny vahoakany mihitsy Andriamanitra, nanao hoe: “Aza mangalatra.” (Eksodosy 20:15) Nifankahita tamin’ilay Mpampianatra Lehibe i Jodasy rehefa lehibe, ary lasa mpianany. Nofidin’i Jesosy ho anisan’ny apostoliny 12 mihitsy aza izy tatỳ aoriana.

Niaraka i Jesosy sy ny apostoliny rehefa nisy dia nataony. Niara-nisakafo izy ireo. Natambatra ny volan’izy ireo, ka natao tao anaty boaty iray. I Jodasy no nasain’i Jesosy nikarakara ilay boaty. Mazava ho azy fa tsy an’i Jodasy irery ilay vola. Inona anefa no nataony, rehefa afaka kelikely, raha fantatrao?...

Nahoana no nangalatra i Jodasy?

Nanomboka naka vola tao amin’ilay boaty izy, nefa tsy nasaina nanao izany. Naka izany izy rehefa tsy nisy nahita, ary nitady fomba hahazoana vola misimisy kokoa aza. Vola foana no tao an-tsainy nanomboka teo. Andeha hojerentsika hoe tonga hatraiza io fanirian-dratsy io, andro vitsivitsy monja talohan’ny namonoana ilay Mpampianatra Lehibe.

Nitondra menaka faran’izay tsara i Maria, anabavin’i Lazarosy naman’i Jesosy, ary nararany teo amin’ny tongotr’i Jesosy. Nimenomenona anefa i Jodasy. Nahoana?... Tokony ho namidy, hoy izy, ilay menaka ary nomena ny mahantra ny vola. Raha ny marina anefa, dia te hahazo vola bebe kokoa hatao tao anatin’ny boaty izy, mba hahafahany hangalatra ilay izy.—Jaona 12:1-6.

Notenenin’i Jesosy i Jodasy mba tsy hampalahelo an’i Maria, vehivavy tena tsara fanahy. Tsy faly izy ka lasa tany amin’ny lohan’ny mpisorona, fahavalon’i Jesosy. Te hisambotra an’i Jesosy ireo lehilahy ireo, nefa tiany raha tamin’ny alina mba tsy hisy hahita.

Hoy i Jodasy tamin’ny mpisorona: ‘Hatoroko anareo ny toerana hisamborana an’i Jesosy, raha homenareo vola aho. Ohatrinona no homenareo ahy?’

‘Homenay sekely volafotsy telopolo ianao’, hoy ny mpisorona.—Matio 26:14-16.

Noraisin’i Jodasy ilay vola. Toy ny hoe nivarotra an’ilay Mpampianatra Lehibe tamin’ireo lehilahy ireo izy tamin’izany! Dia hisy olona hahavita zavatra ratsy be toy izany ve, araka ny hevitrao?... Izany no mety hitranga rehefa lasa mpangalatra ny olona ary mangala-bola. Tiany mihoatra noho ny olona ny vola, eny, tiany mihoatra noho Andriamanitra mihitsy aza.

Hilaza angamba ianao hoe ‘Tsy hisy ho tiako mihoatra noho i Jehovah Andriamanitra.’ Tsara izany. Izany koa angamba no tao an-tsain’i Jodasy rehefa nofidin’i Jesosy ho apostoly izy. Mety ho toy izany koa ireo olon-kafa lasa mpangalatra. Andeha hijery ny sasany amin’izy ireny isika.

Inona ny zava-dratsy eritreretin’i Akana sy Davida eto?

Anisan’izany i Akana, mpanompon’Andriamanitra velona ela be talohan’ny nahaterahan’ilay Mpampianatra Lehibe. Nahita akanjo tsara tarehy sy vongam-bolamena ary volafotsy i Akana. Tsy azy ireo zavatra ireo fa an’i Jehovah, satria avy tamin’ny fahavalon’ny vahoakan’Andriamanitra, hoy ny Baiboly. Tena tiany ho azo anefa izy ireo ka nangalariny.—Josoa 6:19; 7:11, 20-22.

Ity koa misy ohatra hafa. Nifidy an’i Davida ho mpanjakan’ny Israely fahiny i Jehovah. Nijery an’i Batseba, vehivavy tsara tarehy, i Davida, indray andro. Nandinika azy teo foana izy, ka nieritreritra ny haka azy ho vady. Efa vadin’i Oria anefa io vehivavy io. Inona no tokony ho nataon’i Davida?...

Tokony ho tsy nieritreritra ny haka vady an’i Batseba izy. Tsy izany anefa no nataony, fa nentiny tany an-tranony izy. Nasainy novonoina i Oria taorian’izay. Nahoana no nanao izany zava-dratsy izany i Davida?... Satria tsy nitsahatra naniry hahazo vehivavy efa vadin’olona izy.—2 Samoela 11:2-27.

Nahoana no mpangalatra i Absaloma?

Nibebaka i Davida ka tsy novonoin’i Jehovah. Nahita fahasahiranana maro anefa izy nanomboka teo. Te ho lasa mpanjaka haka ny toerany i Absaloma zanany. Nisakambina sady nanoroka ireo olona tonga tany amin’i Davida àry i Absaloma. Hoy ny Baiboly: ‘Nangalarin’i Absaloma ho azy ny fon’ny lehilahy tamin’ny Israely.’ Notambatambazany ireny olona ireny mba hanao azy ho mpanjaka.—2 Samoela 15:1-12.

Efa tena naniry zavatra, toa an’i Akana sy Davida ary Absaloma ve ianao?... Raha zavatr’olona ilay izy, dia mangalatra ianao raha maka izany nefa tsy niera. Inona no nirin’i Satana, ilay mpangalatra voalohany, raha tadidinao?... Niriny hivavaka taminy fa tsy tamin’Andriamanitra ny olona. Nangalatra àry i Satana rehefa nanao izay hankatoavan’i Adama sy Eva azy.

Rehefa manan-javatra ny olona iray, dia izy no manana fahefana hilaza hoe iza no avelany hampiasa io fananany io. Ohatra, mandeha milalao any an-tranon’ny ankizy hafa ianao. Ho tsara ve raha maka zavatra any ianao ary mitondra izany ato an-trano?... Tsia, raha tsy hoe navelan’ny ray aman-drenin’ilay ankizy haka izany angaha ianao. Mangalatra ianao raha mitondra zavatra mody nefa tsy niera.

Nahoana no mety halaim-panahy hangalatra ianao?... Satria maniry hahazo zavatr’olona ianao. Na tsy misy mahita aza ny hakanao ilay izy, iza no mahita izany?... Jehovah Andriamanitra. Tokony hotadidintsika fa halan’Andriamanitra ny halatra. Raha tia an’Andriamanitra sy ny mpiara-belona aminao ianao, dia tsy ho lasa mpangalatra mihitsy.

Hazavain’ny Baiboly fa ratsy ny mangalatra. Vakio ny Marka 10:17-19; Romanina 13:9; Efesianina 4:28.