Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

FIZARANA 6

Ankasitrahan’Andriamanitra ve ny Fivavahana Rehetra?

Ankasitrahan’Andriamanitra ve ny Fivavahana Rehetra?

1. Roa karazana ihany ny fivavahana, hoy ny Baiboly. Inona avy izy ireo?

HOY i Jesosy: “Midira amin’ny vavahady èty hianareo; fa lehibe ny vavahady, ary malalaka ny làlana izay mankany amin’ny fahaverezana, ka maro ny miditra any. Fa èty ny vavahady, ary tèry ny làlana izay mankany amin’ny fiainana, ka vitsy ny mahita azy.” (Matio 7:13, 14) Roa ihany ny karazana fivavahana, araka ny Tenin’Andriamanitra: ny iray marina ary ny iray diso; ny iray mitondra ho amin’ny fiainana, ary ny iray mitondra ho amin’ny fahaverezana, na fandringanana.

2. Inona avy ny andinin-teny manaporofo fa tsy ny fivavahana rehetra no ankasitrahan’Andriamanitra?

2 Misy mihevitra fa ankasitrahan’Andriamanitra ny fivavahana rehetra. Asehon’ireto andininy ireto fa tsy marina izany:

  • “Ny Zanak’Isiraely dia nanao izay ratsy eo imason’i Jehovah indray ka nanompo ireo Bala sy Astarta sy ny andriamanitr’i Syria sy ny andriamanitr’i Sidona sy ny andriamanitr’i Moaba sy ny andriamanitry ny taranak’i Amona ary ny andriamanitry ny Filistina, dia nahafoy an’i Jehovah izy ka tsy nanompo Azy. Dia nirehitra tamin’ny Isiraely ny fahatezeran’i Jehovah.” (Mpitsara 10:6, 7) Tsy hankasitrahan’i Jehovah isika, raha manompo sampy, na andriamanitra hafa ankoatra an’ilay Andriamanitra marina.

  • “Ity firenena ity manaja Ahy [Andriamanitra] amin’ny molony, fa ny fony kosa lavitra Ahy. Koa foana ny ivavahan’ireo amiko, raha mampianatra ny didin’olombelona ho fampianarana izy.” (Marka 7:6, 7) Foana, na tsy misy dikany, ny fivavahan’ny olona milaza ho manompo an’Andriamanitra, nefa mampianatra ny heviny manokana, fa tsy izay lazain’ny Baiboly. Tsy eken’Andriamanitra izany.

  • “Andriamanitra dia Fanahy; ary izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka amin’ny fanahy sy ny fahamarinana.” (Jaona 4:24) Tsy maintsy mifanaraka amin’ny fahamarinan’ny Tenin’Andriamanitra ny fivavahantsika.

Vokatry ny fivavahan-diso

3. Inona no anisan’ny fomba anavahana ny fivavahan-diso sy ny marina?

3 Ahoana no ahafantarantsika raha ankasitrahan’Andriamanitra ilay fivavahana na tsia? Hoy i Jesosy: “Ny hazo tsara rehetra dia mamoa voa tsara; fa ny hazo ratsy rehetra dia mamoa voa ratsy. . . . Ka dia ny voany no hahafantaranareo azy.” Hamoa voa tsara ny fivavahana avy amin’Andriamanitra, fa hamoa voa ratsy kosa ny avy amin’i Satana.—Matio 7:15-20.

4. Inona no toetra asehon’ny mpivavaka amin’i Jehovah?

4 Mamokatra olona mifankatia sy tia olona ny fivavahana marina, satria Andriamanitra fitiavana i Jehovah. Hoy i Jesosy: “Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro hianareo, raha mifankatia.” Mahafeno io fepetran’ny fivavahana marina io ve ireo fivavahana ankehitriny?—Jaona 13:35; Lioka 10:27; 1 Jaona 4:8.

5. Inona no lazain’ny boky iray mahakasika ny fivarotana andevo afrikanina?

5 Eritrereto ny fivarotana andevo afrikanina. Hoy ny Rakipahalalana Britannica (anglisy): “Afrikanina 18 000 000 teo ho eo no nalefa tamin’ny fivarotana andevo nataon’ny Silamo namakivaky an’i Sahara sy ny Oseana Indianina, teo anelanelan’ny taona 650 sy 1905. Nanomboka naka andevo tany amin’ny morontsiraka andrefan’i Afrika ny Eoropeanina, tamin’ny tapaky ny taonjato faha-15, ka Afrikanina 7 000 000 ka hatramin’ny 10 000 000 no nalefa ho andevo tany Amerika tamin’ny 1867.”

6. Inona no anjaran’ny fivavahana tamin’ny fivarotana andevo?

6 Nisy lehilahy sy vehivavy ary ankizy nalaina tany an-tranony sy nosarahina tamin’ny fianakaviany, nofatorana tamin’ny rojo, notombohina tamin’ny vy mahamay ary novidina sy namidy toy ny biby. Inona anefa no nataon’ny fivavahana tamin’izany? Izao no nosoratan’i Bethwell Ogot tao amin’ny gazety Firenena Isan’andro (anglisy), atsy Nairobi, Kenya: “Samy mino ny Kristianina sy ny Silamo fa iray ihany ny olombelona. Izy ireo koa anefa no samy nampisy ny fiaraha-monina misy andevo, manavakava-bolon-koditra. . . . Tsy maintsy ekentsika fa samy diso ny Silamo sy ny Kristianina, ny Tandrefana sy ny Tatsinanana Afovoany, ary tsy noraharahaina ny toetra mety, ka fahoriana tsy hay tombanana ho an’ny Afrikanina no vokatr’izany.”

Fivavahana sy ady

7. Inona no anjaran’ny fivavahana tamin’ny ady?

7 Nampiseho ny voa ratsiny tamin’ny fomba hafa koa ny fivavahan-diso. Milaza, ohatra, ny Baiboly fa tokony ho ‘tia ny namantsika’ isika. Nanohana ny ady sy nampirisika hiady anefa ny mpitondra fivavahana maneran-tany.—Matio 22:39.

Nandray anjara tamin’ny ady sy ny fivarotana andevo ny fivavahan-diso

8. a) Nampirisika hamono olona ve ny mpitondra fivavahana, tamin’ny ady an-trano tatỳ Afrika? b) Inona no nolazain’ny pasitera iray momba ny mpitondra fivavahana, nandritra ny ady an-trano tatsy Nizeria?

8 Fantatry ny besinimaro fa nisy masera sy pretra nandray anjara tamin’ny famonoana olona tatsy Rwanda, tamin’ny 1994. Nanana anjara lehibe tamin’ny ady afrikanina hafa koa ny fivavahana. Nampirisika ny olona hiady, ohatra, ny fivavahana tamin’ny andaniny roa tamin’ny ady an-trano feno ra nandriaka tatsy Nizeria. Nilaza ny pasitera iray fa “navelan’ny [mpitondra fivavahana] ny asa nomen’Andriamanitra azy”, rehefa nitohy ihany io ady io. Hoy koa izy: “Nanjary mpanompon’i Satana isika milaza tena ho mpanompon’Andriamanitra.”

9. Inona no lazain’ny Baiboly momba ny mpanompon’i Satana?

9 Milaza zavatra toy izany koa ny Baiboly: “Satana aza mampiova ny endriny ho tahaka ny anjelin’ny mazava. Koa tsy dia zavatra lehibe tsy akory, raha ny mpanompony koa no mba mampiova ny endriny ho tahaka ny mpanompon’ny fahamarinana.” (2 Korintiana 11:14, 15) Toy ny olon-dratsy miseho ho tsara, dia mamitaka ny olona koa i Satana ka mampiseho ny mpanompony ho toy ny marina, kanefa manao asa ratsy ary mamoa voa ratsy izy ireny.

10. Nahoana no lazaina fa mandà an’Andriamanitra ny mpitondra fivavahana?

10 Nitory momba ny fitiavana sy ny fandriampahalemana ary ny hatsaran-toetra ny mpitondra fivavahana maneran-tany, nefa mankahala sy miady ary ratsy toetra. Mazava ny fomba ilazan’ny Baiboly azy ireny, manao hoe: “Manaiky fa mahalala an’Andriamanitra izy, nefa mandà Azy amin’ny asany.”—Titosy 1:16.

Mialà amin’i “Babylona Lehibe”

11. Ahoana no ilazan’ny Baiboly ny fivavahan-diso?

11 Hitantsika ao amin’ny bokin’ny Apokalypsy ao amin’ny Baiboly ny hevitr’i Jehovah momba ny fivavahan-diso. Lazainy ho toy ny vehivavy, antsoiny hoe “Babylona lehibe”, ny fivavahan-diso. (Apokalypsy 17:5) Izao no fomba ilazany azy:

  • “Ilay vehivavy janga lehibe, . . . dia ilay nijangajangan’ny mpanjakan’ny tany.” (Apokalypsy 17:1, 2) Nivadika tamin’Andriamanitra ny fivavahan-diso, satria mitsabaka amin’ny politika, sy mibaiko ny mpitondra.

  • “Teo anatiny no nahitana ny ran’ny mpaminany sy ny olona masina sy izay rehetra novonoina teny ambonin’ny tany.” (Apokalypsy 18:24) Nanenjika sy namono ny mpanompon’Andriamanitra nahatoky ny fivavahan-diso, ary tompon’andraikitra tamin’ny fahafatesan’olona an-tapitrisa tamin’ny ady.

  • ‘Nidera tena sy nivelona tamin’ny zava-mahafinaritra’ izy. (Apokalypsy 18:7) Manankarem-be ny fivavahan-diso, ary toy izany koa ny mpitondra fivavahana.

  • ‘Ny ody ratsiny no nentiny namitaka ny firenena rehetra.’ (Apokalypsy 18:23) Mampianatra zavatra diso ny fivavahan-diso satria lazainy fa tsy maty ny fanahy. Nitombo, noho izany, ny fifandraisana amin’ny fanahy ratsy sy famosaviana isan-karazany, ary matahotra ny maty sy manompo ny razany ny olona.

12. Inona no fampitandreman’ny Baiboly momba ny fivavahan-diso?

12 Mampitandrina mafy ny olona mba hiala amin’ny fivavahan-diso ny Baiboly: “Mialà aminy hianareo, ry oloko, mba tsy hiombonanareo ota aminy, ary mba tsy hisy hahazo anareo ny loza manjo azy.”—Apokalypsy 18:4, 5.

13. Inona no hiafaran’ny fivavahan-diso sy ny mpanaraka azy?

13 Efa hopotehina i Babylona Lehibe, na ny fivavahan-diso maneran-tany. Hoy ny Baiboly: “Ho tonga indray andro monja izao loza hanjo azy izao, dia fahafatesana sy fisaonana ary mosary, ary ho levon’ny afo izy; fa mahery ny Tompo Andriamanitra, Izay nitsara azy.” (Apokalypsy 18:8) Tsy maintsy manapaka ny fatorana rehetra amin’ny fivavahan-diso isika, ary tsy mandray anjara amin’ny zavatra ataony sy ny fetiny ary ny zavatra inoany tsy mampifaly an’Andriamanitra, raha tiantsika tsy hahazo antsika ny loza manjo azy. Ilaina hatao haingana izany, satria iankinan’ny aintsika!—2 Korintiana 6:14-18.