Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 86

Niverina Ilay Zanaka Very

Niverina Ilay Zanaka Very

LIOKA 15:11-32

  • FANOHARANA MOMBA ILAY ZANAKA VERY

Azo inoana fa mbola tany Pere, tany atsinanan’ny Reniranon’i Jordana i Jesosy, tamin’izy nilaza an’ireo fanoharana momba ny ondry very sy ny drakma very. Asehon’ireo fanoharana ireo fa tokony ho faly isika rehefa misy mpanota mibebaka sy miverina amin’Andriamanitra. Nanakiana an’i Jesosy ny Fariseo sy mpanora-dalàna, noho izy nandray tsara ny olona toy ireny. Nandray lesona avy tamin’ireo fanoharana ireo ve izy ireo? Tsapan’izy ireo ve izay tsapan’ilay Raintsika any an-danitra rehefa misy mpanota mibebaka? Nilaza fanoharana iray manohina ny fo i Jesosy mba hanamafisana fa mahafaly ny hoe misy mpanota mibebaka.

Momba ny lehilahy iray manan-janaka roa lahy ilay fanoharana, ary ilay zandriny no tena resahina. Tokony ho nandray lesona avy tamin’izay voalaza momba azy io ny Fariseo sy ny mpanora-dalàna ary ny olon-kafa nihaino an’i Jesosy. Tsy tokony hodian-tsy hita koa anefa izay nolazain’i Jesosy momba an’ilay ray sy ilay lahimatoa, satria ianaran-javatra ny toetran’izy ireo. Eritrereto àry izy telo ireo rehefa mandinika an’ilay fanoharana ianao.

Hoy i Jesosy: “Nisy lehilahy nanan-janaka roa lahy. Dia hoy ilay zandriny tamin-drainy: ‘Omeo ahy, ry Dada, ny anjara fananana tokony ho ahy.’ Koa nozarain-drainy tamin’izy roa lahy ny fananany.” (Lioka 15:11, 12) Tsy hoe maty ny dadany ka nangataka ny anjara lovany ilay zandriny. Mbola velona ny dadany. Tiany ho azo teo no ho eo anefa ny anjarany, amin’izay izy afaka ny hahaleo tena sy hanao izay tiany. Inona àry no nataony?

Hoy ihany i Jesosy: “Rehefa afaka andro vitsivitsy, dia nangonin’ilay zandriny ny fananany rehetra, ka lasa nankany an-tany lavitra izy. Dia nandanilany foana ny fananany tamin’ny filibana izy.” (Lioka 15:13) Voaro izy tao an-tranon’ny rainy, izay nikarakara azy roa lahy sy nanome izay nilainy. Naleony anefa nandeha tany an-tany hafa. Nandanilany ny lovany rehetra izy ary nanaram-po nijangajanga. Sahirana izy tatỳ aoriana. Hoy i Jesosy:

“Koa rehefa laniny ny fananany rehetra, dia nisy mosary mafy nanerana ilay tany ka nihanahantra izy. Lasa mihitsy aza izy nankany amin’ny tompon-tany anankiray tao amin’izany tany izany, ka nisisika hiasa tao aminy. Koa nirahin’io hiandry kisoa tany an-tsaha izy. Satriny ho vokin’ny hanin-kisoa, nefa tsy nisy nanome hanina azy.”—Lioka 15:14-16.

Milaza ny Lalàn’Andriamanitra fa biby maloto ny kisoa nefa tsy maintsy niandry kisoa ilay tovolahy. Maty noana izy ka lasa te hihinana ny sakafo fihinan’ny kisoa. “Tonga saina izy” rehefa nijaly sy kivy. Inona no nataony? Nieritreritra izy hoe: “Firifiry akory moa ny olona karamain-draiko no manan-kanina be dia be! Izaho anefa ity ho faty mosary eto. Hiainga aho ka handeha ho any amin-draiko, dia hilazako izy hoe: ‘Dada ô, efa nanota tamin’ny lanitra sy taminao aho. Tsy mendrika ny hantsoina hoe zanakao intsony aho. Ataovy toy ny iray amin’ireo olona karamainao aho.’ ” Dia niainga izy ka nankany amin-drainy.—Lioka 15:17-20.

Nanao ahoana ny fihetsik’ilay rainy? Tezitra ve izy ka nibedy an’ilay zanany noho izy io nanao hadalana ka nandao ny tranony? Tsy niraharaha an’ilay zanany ve izy? Inona no ho nataonao raha ianao ilay ray ary zanakao ilay tovolahy?

HITA ILAY ZANAKA VERY

Hoy i Jesosy momba ny fihetseham-pon’ilay ray sy ny fihetsiny: “Raha mbola lavitra [ilay zanany], dia tazan-drainy ary nangoraka azy rainy, ka nihazakazaka ary niantoraka teo amin’ny vozony sady nanoroka azy tamim-pitiavana.” (Lioka 15:20) Noraisiny tsara ilay zanany na dia fantany aza fa nanaram-po nanao ratsy. Rehefa nihaino an’izany ny mpitondra fivavahana jiosy izay nilaza fa nahalala sy nanompo an’i Jehovah, takany ve fa faly ilay Raintsika any an-danitra rehefa misy mpanota mibebaka? Takany ve fa mahafaly an’i Jesosy koa izany?

Azo inoana fa hitan’ilay ray hoe nibebaka ny zanany rehefa nahita azy maloka endrika izy. Tonga dia nanao zavatra izy ka nandray azy tamim-pitiavana. Mora kokoa tamin’ilay zanany àry ny nibaboka. Hoy i Jesosy: “Ary hoy ilay zanany taminy: ‘Dada ô, efa nanota tamin’ny lanitra sy taminao aho. Tsy mendrika ny hantsoina hoe zanakao intsony aho.’ ”—Lioka 15:21.

Nandidy an’ireo mpanompony ilay ray hoe: “Mandehana haingana! Mitondrà akanjo lava, ilay tsara indrindra, ka ampiakanjoy azy, ary asio peratra ny tanany sady asio kapa ny tongony. Dia alaivo ilay zanak’omby mifahy ka vonoy. Ary aoka isika hihinana sy hifaly, satria efa maty ity zanako ity fa velona indray, ary efa very fa hita indray.” Nanomboka “nifaly izy ireo” avy eo.—Lioka 15:22-24.

Tany an-tsaha ilay zokiny tamin’izay. Hoy i Jesosy momba azy: “Rehefa nody izy, dia nandre mozika sy olona nandihy raha iny izy nanatona ny trano iny. Dia niantso mpanompo anankiray izy, ka nanontany azy izay anton’izany. Koa hoy ilay mpanompo: ‘Tonga ny rahalahinao ka namono zanak’omby mifahy rainao, satria tafaverina eo aminy indray izy sady salama tsara.’ Tezitra anefa ilay zokiny, ka tsy nety niditra. Dia nivoaka rainy ka niangavy azy, nefa hoy izy tamin-drainy: ‘Taona maro izao no nanompoako anao, ary mbola tsy nandika ny didinao mihitsy aho na indray mandeha aza, kanefa mbola tsy nanome ahy osy iray akory ianao na indray mandeha aza, mba hifaliako miaraka amin’ny namako. Fa raha vao tonga kosa io zanakao io, izay nandany ny fanananao tany amin’ny mpivaro-tena, dia namonoanao ilay zanak’omby mifahy.’ ”—Lioka 15:25-30.

Iza no nitovy toe-tsaina tamin’ilay zoky, ka nanakiana an’i Jesosy rehefa namindra fo sy niahy ny sarambabem-bahoaka sy ny mpanota izy? Ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo. Nilaza an’io fanoharana io i Jesosy satria nokianin’izy ireo rehefa nandray tsara ny mpanota. Tokony handray lesona avy amin’izany izay rehetra manakiana an’Andriamanitra noho izy mamindra fo.

Ny fiangavian’ilay ray an’ilay lahimatoa no namaranan’i Jesosy an’ilay fanoharana. Hoy ilay ray: “Ianao ange, anaka, teto amiko foana e! Ary anao daholo izay rehetra ananako! Koa tsy maintsy mifaly sy miravoravo isika, satria io rahalahinao io dia efa maty fa velona indray, ary efa very fa hita indray.”—Lioka 15:31, 32.

Tsy nolazain’i Jesosy izay nataon’ilay lahimatoa taorian’izay. “Mpisorona maro be” anefa “no nanjary nanaiky ny finoana” taorian’ny nahafatesan’i Jesosy sy nitsanganany tamin’ny maty. (Asan’ny Apostoly 6:7) Anisan’izany angamba ny olona sasany naheno an’i Jesosy nilaza an’ilay fanoharana. Nety ho tonga saina sy nibebaka izy ireo ary niverina tamin’Andriamanitra.

Tokony handray am-po ny lesona lehibe ao amin’io fanoharana tena tsara io ny mpianatr’i Jesosy, nanomboka teo. Ianarantsika amin’izy io, ohatra, fa hendry isika raha tsy misaraka amin’ny vahoakan’i Jehovah, ary tsy manaiky ho voasarik’ireo zavatra mahafinaritra any “an-tany lavitra”, izany hoe ity tontolo ity. Miaro sy mikarakara antsika mantsy ilay Raintsika be fitiavana.

Ary ahoana raha sendra nandika ny fitsipik’i Jehovah isika? Tsy maintsy manetry tena isika ary miverina amin’ilay Raintsika, raha te hahazo sitraka aminy indray.

Mbola misy lesona iray koa. Nandray tsara an’ilay zanany sy namela ny helony ilay ray. Ilay zokiny kosa nitana lolompo sady tsy nandray tsara azy. Tokony hamela heloka àry ny mpanompon’Andriamanitra ary handray tsara an’izay mpanota tena mibebaka sy miverina amin’i Jehovah. Tokony ho faly isika satria toy ny “efa maty” ilay rahalahintsika “fa velona indray”, ary “efa very fa hita indray.”