Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 18

“Ho Tezitra Be Aho”

“Ho Tezitra Be Aho”

EZEKIELA 38:18

HEVITRA HODINIHINA: Ho tezitra be i Jehovah rehefa hotafihin’i Goga ny vahoakany, ary hiaro an-dry zareo izy mandritra ny ady Aramagedona

1-3. a) Inona no ho vokany rehefa “ho tezitra be” i Jehovah? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ity toko ity.) b) Inona no hodinihintsika izao?

 ERITRERETO hoe misy lehilahy sy vehivavy ary ankizy maromaro miara-manao hiran’ilay Fanjakana. Manao vavaka mampihetsi-po ny anti-panahy iray avy eo, dia mitalaho amin’i Jehovah mba hiaro an-dry zareo. Na dia matoky aza ireo mpiara-manompo ireo hoe hikarakara an-dry zareo i Jehovah, dia mbola mila ampaherezina sy omena toky ihany ry zareo. Misy ady mantsy ao ivelany ao. Efa manomboka ny ady Aramagedona!​—Apok. 16:14, 16.

2 “Ho tezitra be” i Jehovah rehefa handringana ny olona mandritra ny ady Aramagedona. (Vakio ny Ezekiela 38:18.) Tsy hoe tafika iray na firenena iray fotsiny no hanamparany ny hatezerany, fa olona be dia be maneran-tany. “Hiampatrampatra hatrany amin’ny faran’ny tany ka hatrany amin’ny faran’ny tany ny voavonon’i Jehovah” amin’io fotoana io.​—Jer. 25:29, 33.

3 Inona no mahatonga an’i Jehovah “ho tezitra be” sy handringana olona be dia be hoatr’izany, nefa izy Andriamanitra fitiavana sady “mamindra fo sy mangoraka” ary “tsy mora tezitra”? (Eks. 34:6; 1 Jaona 4:16) Ho hitantsika ato fa tena hampahery antsika ny valin’izany sady hanampy antsika ho be herim-po sy hazoto hitory.

Fa maninona i Jehovah no “ho tezitra be”?

4, 5. Nahoana no tsy mitovy ny fahatezeran’i Jehovah sy ny an’ny olombelona tsy lavorary?

4 Tsara homarihina fa tsy mitovy ny fahatezeran’i Jehovah sy ny an’ny olombelona tsy lavorary. Rehefa olona no tezitra be, dia matetika no tsy voafehiny izay ataony ary ratsy ny vokany. Nisy fotoana, ohatra, i Kaina lahimatoan’i Adama “tezitra be”, satria tsy neken’i Jehovah ny fanatitra nataony nefa ny an’i Abela nankasitrahany. Inona no vokany? Novonoiny ilay rahalahiny nefa olo-marina. (Gen. 4:3-8; Heb. 11:4) Eritrereto koa ny nataon’i Davida, lehilahy tena tian’i Jehovah. (Asa. 13:22) Nanampy lehilahy iray mpanankarena antsoina hoe Nabala izy sy ny namany, nefa tsy mba nankasitraka an’izany io lehilahy io. Rehefa naniraka olona hangataka fanampiana tany aminy i Davida, dia nivazavaza izy sady nanambanimbany an’i Davida sy ny namany. Tezitra be i Davida, dia “samy nanao ny sabany teo amin’ny fehikibony” izy sy ny miaramilany, ary niainga mba hamono an’i Nabala sy ny lehilahy rehetra tao an-tranony. Soa ihany fa nandresy lahatra an’i Davida mba tsy hamaly faty i Abigaila vadin’i Nabala. (1 Sam. 25:9-14, 32, 33) Tsy diso àry i Jehovah nampanoratra an’i Jakoba hoe: “Lasa tsy manao ny marina eo imason’Andriamanitra ny olona rehefa tezitra.”​—Jak. 1:20.

Voafehin’i Jehovah foana ny hatezerany sady mazava tsara foana ny antony mahatonga azy ho tezitra

5 Tsy hoatran’ny olombelona i Jehovah fa voafehiny foana ny hatezerany sady mazava tsara foana ny antony mahatonga azy ho tezitra. Ara-drariny foana ny zavatra ataony na dia tezitra be aza izy. Rehefa miady amin’ny fahavalony izy, dia tsy aringany “miaraka amin’ny ratsy fanahy ny olo-marina.” (Gen. 18:22-25) Tsy vitan’izany fa ara-drariny foana ny antony mahatonga azy ho tezitra. Handinika roa amin’izany isika izao, ary hojerentsika ny lesona azontsika ianarana.

6. Inona no ataon’i Jehovah rehefa misy manazimbazimba ny anarany?

6 Antony voalohany: Misy manazimbazimba ny anarany. Tezitra i Jehovah rehefa misy olona milaza ho misolo tena azy nefa manao ratsy. Manala baraka azy mantsy izany. (Ezek. 36:23) Araka ny toko teo aloha dia tena nanala baraka ny anaran’i Jehovah ny toe-tsain’ny Israelita sy ny zavatra nataony. Rariny àry raha tezitra i Jehovah. Na izany aza dia nahavita nifehy ny hatezerany izy. Tsy nanao zavatra tafahoatra izy fa araka ny antonony, rehefa nanafay an-dry zareo. (Jer. 30:11) Tsy tezitra intsony koa izy sady tsy nitana lolompo rehefa tratrany ny tanjony tamin’ilay famaizana.​—Sal. 103:9.

7, 8. Inona no ianarantsika avy amin’ny zavatra nataon’i Jehovah tamin’ny Israelita?

7 Lesona: Anatra lehibe ho antsika ny nataon’i Jehovah tamin’ny Israelita. Hoatran’ny Israelita, dia manana tombontsoa hitondra ny anaran’i Jehovah koa isika satria Vavolombelony. (Isaia 43:10) Mety hanome voninahitra an’i Jehovah na hanaratsy azy ny olona, arakaraka izay ataontsika na lazaintsika. Tsy tokony hanao fanahy iniana hanao ratsy mihitsy àry isika ka hanala baraka ny anarany. Tsy maintsy ho tezitra i Jehovah raha mihatsaravelatsihy hoatr’izany isika, ary na ho ela na ho haingana dia tsy maintsy hanao zavatra izy mba hiarovana ny lazany.​—Heb. 3:13, 15; 2 Pet. 2:1, 2.

8 Tokony hanakana antsika tsy hanatona an’i Jehovah ve ny mahafantatra hoe mety ho “tezitra be” izy? Tsia! Fantatsika mantsy fa manam-paharetana sy mamela heloka i Jehovah. (Isaia 55:7; Rom. 2:4) Fantatsika koa anefa fa tsy hoe handefitra foana izy satria hoe mangoraka antsika. Raha misy olona zatra manao ratsy nefa tsy mety miova, dia tsy maintsy ho tezitra be aminy i Jehovah ka tsy havelany hiaraka amin’ny mpanompony intsony izy. (1 Kor. 5:11-13) Lasa manaja an’i Jehovah àry isika dia mitandrina mba tsy hampahatezitra azy. Efa lazain’i Jehovah mazava amintsika ny toe-tsaina sy ny fanao mampahatezitra azy, dia miezaka mafy isika hanalavitra an’izany.​—Jaona 3:36; Rom. 1:26-32; Jak. 4:8.

9, 10. Ahoana no ataon’i Jehovah rehefa misy mitady hanafika ny mpanompony tsy mivadika? Manomeza ohatra.

9 Antony faharoa: Misy mitady hanafika ny mpanompony tsy mivadika. Tezitra be i Jehovah rehefa misy manafika ny vahoakany ka mitalaho fanampiana aminy. Diniho, ohatra, ny nahazo ny Israelita rehefa niala tany Ejipta ry zareo. Nanenjika an-dry zareo i Farao sy ny tafiny, dia hoatran’ny hoe tapi-dalan-kaleha ny Israelita teo amin’ny Ranomasina Mena. Inona anefa no nataon’i Jehovah rehefa niampita an’ilay ranomasina ny vahoakany ka mbola nenjehin-dry Farao ihany? Nesoriny ny kodiaran’ny kalesy fentin-dry Farao miady, dia maty tao izy sy ny tafiny. “Tsy nisy tafavoaka velona izy ireo na iray aza.” (Eks. 14:25-28) Nanampatra ny hatezerany tamin’ny Ejipsianina i Jehovah satria tiany ny vahoakany sady tsy nivadika tamin-dry zareo izy.​—Vakio ny Eksodosy 15:9-13.

Hiaro antsika ny anjely, hoatran’ny nataon’ilay anjely niaro ny vahoakan’i Jehovah tamin’ny Asyrianina tamin’ny andron’i Hezekia (Fehintsoratra 10, 23)

10 Nasehon’i Jehovah koa hoe tena tiany ny vahoakany tamin’ny andron’i Hezekia Mpanjaka. Efa vonona hanafika an’i Jerosalema ny tafika asyrianina tamin’izay. Io no tafika natanjaka sy tsy nifaditrovana indrindra tamin’izany, ka efa fantatry ny Israelita hoe raha io tafika io no hanao fahirano an’ilay tanàna, dia hijalijaly ela be ry zareo ary ho faty amin’ny farany. (2 Mpanj. 18:27) Inona àry no nataon’i Jehovah? Naniraka anjely iray izy, dia nahafaty miaramila asyrianina 185 000 izy io tao anatin’ny indray alina! (2 Mpanj. 19:34, 35) Alao sary an-tsaina ny tao amin’ny tobin’ny Asyrianina ny ampitson’iny. Nipetra-potsiny ny lefona sy ny ampinga ary ny sabatra. Tsy nahenoana feo mihitsy tao an-toby, na feona trompetra manaitra ny miaramila na baiko miantsoantso an-dry zareo. Nangina be ny tany anaty tranolay tany ary feno faty niampatrampatra teny rehetra teny.

11. Nahoana no mampahery antsika sy manampy antsika ho be herim-po ny mahafantatra an’izay nataon’i Jehovah rehefa nisy nanafika ny vahoakany?

11 Lesona: Asehon’ireo ohatra ireo ny ataon’i Jehovah rehefa misy mitady hanafika ny vahoakany. Fampitandremana ho an’ny fahavalo izany hoe “mampahatahotra izany ho azon’ny tanan’ilay Andriamanitra velona izany” rehefa tezitra izy. (Heb. 10:31) Mampahery antsika kosa ireo ohatra ireo sady manampy antsika ho be herim-po. Mampahery ny mahafantatra hoe tsy hahomby mihitsy i Satana, ilay fahavalontsika lehibe indrindra. Kely sisa dia hifarana ilay ‘fotoana fohy ananany’ mba hifehezana ny olombelona. (Apok. 12:12) Mandra-pahatongan’izany, dia ho be herim-po isika manompo an’i Jehovah satria matoky fa tsy hisy olombelona, na fikambanana, na fitondram-panjakana hahavita hanakana antsika tsy hanao ny sitrapony. (Vakio ny Salamo 118:6-9.) Resy lahatra hoatran’ny apostoly Paoly isika hoe: “Raha manohana antsika Andriamanitra, dia iza no hahavita hanohitra antsika?”​—Rom. 8:31.

12. Inona no hahatonga an’i Jehovah ho tezitra be mandritra ny fahoriana lehibe?

12 Hiaro ny vahoakany i Jehovah mandritra ny fahoriana lehibe, hoatran’ny nataony rehefa nenjehin’ny Ejipsianina ny Israelita, sy ny nataony rehefa natao fahirano i Jerosalema. Rehefa hanandrana hamongotra antsika ny fahavalo amin’izay, dia ho tezitra be i Jehovah satria tena tiany isika. Hadalana ny an’izay manafika antsika, satria hoatran’ny hoe hikasika ny anakandriamason’i Jehovah ry zareo. Tonga dia hanao zavatra i Jehovah, ary tsy hisy antenaina intsony ny amin’ireo fahavalo! (Zak. 2:8, 9) Be dia be no ho ringana, ary mbola tsy hisy hoatr’izany hatramin’izay. Tsy tokony ho gaga anefa ny fahavalon’i Jehovah rehefa hanampatra ny hatezerany amin-dry zareo izy. Nahoana?

Inona ny fampitandremana efa nomen’i Jehovah?

13. Inona ny fampitandremana efa nomen’i Jehovah?

13 Noho i Jehovah “tsy mora tezitra”, dia imbetsaka izy no mampitandrina hoe horinganiny izay manohitra azy sy mitady hanafika ny vahoakany. (Eks. 34:6, 7) Naniraka mpaminany maromaro izy mba hampitandrina ny olona hoe hisy ady lehibe iray handringanany ny fahavalony. Anisan’izany i Jeremia, Ezekiela, Daniela, ary Kristy Jesosy. Naniraka ny apostoly Petera sy Paoly ary Jaona koa izy.​—Jereo ilay efajoro hoe “Mampitandrina Momba An’ilay Ady Lehibe ho Avy i Jehovah.”

14, 15. Inona avy no efa nataon’i Jehovah, ary nahoana?

14 Nampanoratin’i Jehovah ao amin’ny Teniny ireny fampitandremana ireny, ary nataony azo antoka hoe ny Teniny no boky voadika amin’ny fiteny betsaka indrindra sady miely indrindra eran-tany. Mampiasa mpitory be dia be koa izy maneran-tany mba hanampy ny olona hihavana tsara aminy sy hampitandrina azy ireo hoe ho avy “ny andro lehiben’i Jehovah.” (Zef. 1:14; Sal. 2:10-12; 110:3) Tsy vitan’izany fa mampiasa ny mpanompony izy, dia mandika boky ara-baiboly amin’ny fiteny an-jatony ry zareo, sady manokana ora an-jatony tapitrisa isan-taona mba hampahafantarana momba ny fampanantenana sy ny fampitandremana ao amin’ny Teniny.

15 Nahoana i Jehovah no manao an’izany rehetra izany? “Satria tsy tiany hisy ho ringana ny olona fa tiany hibebaka daholo.” (2 Pet. 3:9) Tombontsoa be ho antsika ny mandray anjara kely amin’ny fitoriana an’ilay hafatra tian’i Jehovah hampitaina sy ny misolo tena an’io Andriamanitra be fitiavana sy manam-paharetana io! Kely sisa anefa dia tsy ho afaka hiova intsony izay tsy mihaino ny fampitandremany.

Rahoviana i Jehovah no “ho tezitra be”?

16, 17. Efa nifidy andro iray ho an’ilay ady farany ve i Jehovah? Hazavao.

16 Efa nifidy andro iray ho an’ilay ady farany i Jehovah. Efa fantany hoe rahoviana no hanafika ny vahoakany ny fahavalony. (Mat. 24:36) Ahoana no ahafantarany an’izany?

17 Hitantsika tao amin’ny toko teo aloha fa niteny tamin’i Goga i Jehovah hoe ‘hasiany faraingo ny valanoranony’, izany hoe i Jehovah no hahatonga an’ireo firenena hanafika ny vahoakany. (Ezek. 38:4) Tsy midika anefa izany hoe izy no hila ady amin-dry zareo na hoe hotereny hiady aminy ry zareo. Asehon’ireo teny ireo kosa fa hitan’i Jehovah ny ao am-pon’ny fahavalony, dia efa fantany hoe inona no hataon-dry zareo arakaraka izay mitranga.​—Sal. 94:11; Isaia 46:9, 10; Jer. 17:10.

18. Nahoana ny olombelona no ho sahy hiady amin’ilay Andriamanitra Mahery Indrindra?

18 Raha tsy hanomboka an’ilay ady àry i Jehovah sady tsy hanery ny fahavalony hiady, dia maninona ny olombelona no ho sahy hiady aminy nefa izy no Andriamanitra Mahery Indrindra? Mety hieritreritra ry zareo amin’io fotoana io hoe tsy hiditra amin’ny raharahan’ny olombelona Andriamanitra na hoe tsy misy izy. Vao avy nandringana ny fivavahan-diso rehetra mantsy ry zareo, dia angamba hieritreritra hoe: ‘Raha misy ve Andriamanitra dia tsy tokony hoe niaro an’ireny fivavahana milaza hoe misolo tena azy ireny izy?’ Tsy fantatr’ireo fahavalo ireo anefa fa tsy hevitr’izy ireo ilay hoe handringana ny fivavahana, fa i Jehovah no nanao an’izany tao am-pony satria tena nanala baraka azy ireo fivavahana ireo.​—Apok. 17:16, 17.

19. Inona no azo inoana fa hitranga rehefa rava ny fivavahan-diso?

19 Rehefa rava ny fivavahan-diso, dia azo inoana hoe hirahin’i Jehovah hitory hafatra mafonja ny vahoakany. Milaza ny Apokalypsy fa hoatran’ny havandra be dia be io hafatra io, ary milanja 20 kilao eo ho eo ny havandra tsirairay. (Apok. 16:21, f.a.p.) Hampahafantatra amin’ny olona angamba isika amin’izay hoe kely sisa dia horavana ny fitondram-panjakana sy ny tontolon’ny varotra. Tena tsy ho zakan’ny olona izany ka hanevateva an’Andriamanitra ry zareo. Azo inoana hoe io hafatra io no hahatonga an’ireo firenena hanafika antsika, ary hanandrana hampangina tanteraka antsika ry zareo. Hieritreritra ry zareo hoe tsy misy mpiaro isika dia mora tafihina. Diso hevitra anefa ry zareo!

Ahoana no hampisehoan’i Jehovah ny hatezerany?

20, 21. Iza i Goga, ary inona no hanjo azy?

20 Hitantsika tao amin’ny Toko faha-17 fa nampiasa an’ilay teny hoe “Goga avy any amin’ny tany Magoga” i Ezekiela mba hilazana an’ireo firenena hivondrona hanafika antsika. (Ezek. 38:2) Na hoatran’ny hoe miara-miasa aza ireo firenena ireo, dia tsy tena hiray hina tanteraka satria mbola hifaninana sy hanambony tena ihany ary samy hanindrahindra ny tanindrazany. Noho izany, dia ho tsotra kely amin’i Jehovah ny hitarika an-dry zareo “hifamely amin’ny sabatra.” (Ezek. 38:21) Tsy ho avy amin’ny olombelona anefa ny fandringanana an’ireo firenena ireo.

21 Hahita ny famantarana momba ny fiavian’ny Zanak’olona ny fahavalontsika alohan’ny handringanana an-dry zareo. Azo inoana fa fomba miavaka hampisehoan’i Jehovah sy Jesosy ny heriny io famantarana io, ary hiady saina be ny fahavalo rehefa hahita azy io. Araka ny nolazain’i Jesosy, dia “ho safotra ny olona noho ny tahotra sy ny fiandrasana an’izay zavatra ho tonga etỳ ambonin’ny tany.” (Lioka 21:25-27) Hatahotra be ry zareo amin’izay satria ho tonga saina hoe diso izy nanafika ny vahoakan’i Jehovah. Tsy maintsy hiaiky ry zareo fa mpitari-tafika tena mahay ilay Mpamorona sady antsoina hoe “Jehovah Tompon’ny tafika.” (Sal. 46:6-11; Ezek. 38:23) Azo antoka fa hampiasa ny tafiny any an-danitra sy ny herin’ny natiora i Jehovah mba hiarovana ny mpanompony tsy mivadika sy handringanana ny fahavalony.​—Vakio ny 2 Petera 2:9.

Rehefa hitady hanafika ny vahoakan’i Jehovah ny fahavalo, dia hampiasa ny tafiny any an-danitra izy mba hanamparana ny hatezerany amin’izy ireo (Fehintsoratra 21)

22, 23. Iza avy no hiaro ny vahoakan’Andriamanitra, ary inona no ho tsapan’izy ireo rehefa hanao an’izany?

Inona no tokony hataontsika satria fantatsika hoe efa akaiky ny andron’i Jehovah?

22 Efa tsy andrin’i Jesosy ny hitarika an’io ady atao amin’ny fahavalon’Andriamanitra io, dia hiaro an’izay tia sy manompo ny Rainy. Eritrereto koa izay ho tsapan’ny voahosotra amin’izay fotoana izay! Hatsangana mba ho any an-danitra ny voahosotra mbola eto an-tany alohan’ny hanombohan’ny Aramagedona, dia amin’izay hiaraka hiady amin’i Jesosy daholo ny 144 000. (Apok. 17:12-14) Betsaka ny voahosotra miara-miasa amin’ny ondry hafa amin’izao andro farany izao, dia azo antoka fa lasa mpinamana be ry zareo. Ho faly be ireo voahosotra ireo amin’ny Aramagedona, satria hanana fahefana sy hery hiarovana an’izay olona tsy nivadika taminy sy nanohana azy tao anatin’ny fitsapana.​—Mat. 25:31-40.

23 Ho anisan’ilay tafik’i Jesosy any an-danitra koa ny anjely. (2 Tes. 1:7; Apok. 19:14) Efa nanampy an’i Jesosy ry zareo tamin’izy nandroaka an’i Satana sy ny demonia avy tany an-danitra. (Apok. 12:7-9) Manampy amin’ny fanangonana ny olona te hanompo an’i Jehovah koa ry zareo. (Apok. 14:6, 7) Tena mety àry hoe avelan’i Jehovah hiaro an’ireo olona tsy mivadika ireo ny anjely! Ny tafik’i Jehovah iray manontolo mihitsy no ho faly be rehefa handringana ny fahavalon’i Jehovah, satria hanamasina ny anarany ry zareo amin’izay sady hiaro ny lazany.​—Mat. 6:9, 10.

24. Hatahotra ve ny vahoaka be amin’ny Aramagedona? Nahoana?

24 Tsy misy tokony hatahoran’ny vahoaka be àry, satria tafika tena mahery sady vonona hiady no hiaro an-dry zareo. ‘Hijoro tsara’ sy ‘hitraka’ ry zareo ‘satria efa akaiky ny fanafahana’ azy ireo. (Lioka 21:28) Tena mamindra fo sady miaro ilay Raintsika! Dieny mbola tsy tonga àry ny andron’i Jehovah, dia mila manampy olona betsaka araka izay azo atao isika mba hahafantatra sy ho tia azy.​—Vakio ny Zefania 2:2, 3.

Tsy hila hiady ny vahoakan’i Jehovah amin’ny Aramagedona. Hiaro an-dry zareo ny anjely rehefa hifamely ny fahavalo.​—Ezek. 38:21 (Fehintsoratra 22-24)

25. Inona no hodinihintsika ao amin’ny toko manaraka?

25 Korontana sy fahoriana foana no vokatry ny ady ataon’ny olombelona. Filaminana sy fahasambarana kosa no ho vokatry ny ady Aramagedona. Tsy ho tezitra intsony i Jehovah amin’izay, dia hampirina ny sabany daholo ny miaramilany, ary tsy hisy feona ady ho heno intsony! Eritrereto ange hoe hanao ahoana ny fiainana amin’izay e! Hiresaka an’izany hoavy tena tsara izany ny toko manaraka.