“Mitoera ao Amin’ny Fitiavan’Andriamanitra”
Hanampy anao hampihatra ny toro lalan’ny Baiboly ity boky ity, sady hanampy anao ho tian’Andriamanitra.
Taratasy avy Amin’ny Filan-kevi-pitantanana
Mampirisika an’izay rehetra tia an’i Jehovah ny Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah mba hanahaka an’i Jesosy, ka ho tian’Andriamanitra foana.
TOKO 1
“Izao no Fitiavana An’Andriamanitra”
Inona no tokony hataontsika raha tia an’Andriamanitra isika? Jereo ato izay lazain’ny Baiboly.
TOKO 2
Ahoana no Hanananao Feon’ny Fieritreretana Madio Foana?
Mety hitranga ve ny hoe madio ny eritreritsika amintsika, fa amin’Andriamanitra ilay izy tsy madio?
TOKO 3
Tiavo ny Olona Tian’Andriamanitra
Mifidy tsara ny namany i Jehovah. Tokony hanao hoatr’izany koa isika.
TOKO 4
Nahoana Isika no Tokony Hanaja Fahefana?
Ahoana no hanajantsika fahefana, araka ny takin’i Jehovah amintsika? Miresaka lafiny telo ny Soratra Masina. Inona avy izany?
TOKO 5
Misaraha Amin’izao Tontolo Izao
Misy zavatra dimy resahin’ny Baiboly hoe tokony hataontsika raha tsy te ho anisan’izao tontolo izao isika.
TOKO 6
Ahoana no Hifidianana Fialam-boly Mahasoa?
Jereo ato ireo zavatra telo tokony hoeritreretinao alohan’ny hifidianana fialam-boly.
TOKO 7
Sarobidy Aminao ve ny Aina?
Raha sarobidy aminao ny aina, inona koa no tsy tokony hataonao ankoatra ny hoe tsy mamono olona?
TOKO 8
Tian’Andriamanitra ny Olona Madio
Tsy tokony hanao an’ireo zavatra mety handoto ny tenanao ianao, raha te hadio foana eo imason’Andriamanitra. Afaka manampy anao hanao izany ny Baiboly.
TOKO 9
“Andosiro ny Fijangajangana”
Kristianina an’aliny isan-taona no lasa maloto fitondran-tena. Inona àry no hanampy anao tsy ho voafandrika toa azy ireo?
TOKO 10
Fanomezan’Andriamanitra ny Fanambadiana
Raha mikasa hanambady ianao, inona no tokony hataonao mba hiomanana ho amin’izany? Ary raha efa manambady ianao, ahoana no hampahateza ny tokantranonao?
TOKO 11
‘Aoka ho Mendri-kaja ny Fanambadiana’
Misy fanontaniana enina mila eritreretinao ato raha te hanatsara ny tokantranonao ianao.
TOKO 12
Aoka Isika Hanao Teny Mampahery
Mety hampahery na hanakivy ny tenintsika. Inona no hanampy antsika hampiasa an’io fanomezana io araka ny nikasan’i Jehovah azy?
TOKO 13
Fety Tsy Ankasitrahan’Andriamanitra
Hoatran’ny hoe natao hiderana an’Andriamanitra ny fety sy ny fanao sasany. Tsy ankasitrahany anefa izy ireny.
TOKO 14
Manaova ny Marina Amin’ny Zava-drehetra
Misy zavatra iray tokony hataontsika aloha raha te hanao ny marina amin’ny namantsika isika.
TOKO 15
Mifalia Amin’ny Asa Mafy Ataonao
Inona avy no ilaina hodinihina rehefa hifidy asa? Misy fanontaniana dimy hanampy anao hanapa-kevitra tsara sy hahay hifidy asa ato.
TOKO 16
Tohero ny Devoly sy ny Teti-dratsiny
Marina fa masiaka be i Satana. Tsy tokony hatahotra azy anefa isika. Nahoana?
TOKO 17
“Miorena Tsara eo Amin’ny Finoanareo Masina Indrindra”
Misy zavatra telo tokony hataonao raha te hanana finoana matanjaka ianao ka ho tian’Andriamanitra foana. Inona avy izany?
FANAZAVANA FANAMPINY
Ahoana no Atao Rehefa Misy Voaroaka?
Tena tsy tokony hifandray amin’ny olona voaroaka intsony ve isika?
FANAZAVANA FANAMPINY
Rahoviana no Misaron-doha ary Nahoana?
Misy zavatra telo resahin’ny Baiboly hoe tokony hoeritreretina, mba hahalalana hoe rahoviana ny anabavy no tokony hisaron-doha.
FANAZAVANA FANAMPINY
Fananganan-tsaina, Fifidianana, ary Fanompoana Sivily
Inona avy ny toro lalan’ny Baiboly hanampy anao mba tsy henjehin’ny eritreritra rehefa hanapa-kevitra momba an’ireo?
FANAZAVANA FANAMPINY
Zavatra avy Amin’ny Taharo Fototra sy Teknika Fandidiana
Misy zavatra vitsivitsy tsara eritreretinao sy ataonao, raha te hahay hanapa-kevitra ianao rehefa hifidy izay fitsaboana hatao aminao.
FANAZAVANA FANAMPINY
Ialao Ilay Fahazaran-dratsy
Misy olona zatra milalao ny filahiany na ny fivaviany. Inona no tokony hataonao mba hialana amin’izany fahazaran-dratsy izany?
FANAZAVANA FANAMPINY
Azo Atao ve ny Misaraka na Misintaka?
Rahoviana ny olona iray nisaraka tamin’ny vadiny no afaka manambady indray, araka ny lazain’ny Baiboly?
FANAZAVANA FANAMPINY
Fandaminana Olana Mifandray Amin’ny Vola
Azon’ny Kristianina iray atao ve ny mampakatra fitsarana ny Kristianina namany?