FIZARANA 1
Fiainana Mahafa-po—Nofinofy Fotsiny Ve?
AO AMIN’NY tany mandroso iray ianao, manoloana trano iray misy ny fitaovana mampiadana rehetra eo amin’ny fiainana, ka toa manjaka ao ny fiadanana sy ny fahombiazana, raha jerena etỳ ivelany. Midira ao anefa ianao: Inona no mety ho hitanao ao? Sady tsy mahafinaritra no tsy mahafa-po ny rivo-piainana. Zara raha misokatra ny vavan’ireo zatovo mamaly ny fanontanian’ny ray aman-dreniny. Maniry mafy ny hohenoin’ny vadiny ilay renim-pianakaviana. Ary ilay raim-pianakaviana kosa maniry fotsiny ny tsy ho voahelingelina. Mipetraka irery any an-toeran-kafa ireo ray aman-drenin’izy mivady. Efa be taona izy ireo, ary maniry mafy ny hotsidihin’ilay fianakaviana, izay tsy hitany efa hatramin’ny volana maro. Etsy an-danin’izany, dia misy fianakaviana miatrika fanerena toy izany, kanefa afaka namaha ilay olana ka tena sambatra. Tianao ho fantatra ve ny antony?
2 Jereo indray ity fianakaviana iray any amin’ny tany an-dalam-pandrosoana iray, angamba lavitra be avy eo amin’ilay tany mandroso. Mipetraka ao amin’ny trano bongo iray efa hirodana izy fito mianaka. Tsy azony antoka hoe rahoviana izy ireo no ho afaka hahita ny sakafony manaraka. Mampalahelo izany, ary mampahatsiahy antsika fa tsy mahaisotra ny mosary sy ny fahantrana eto an-tany ny olombelona. Fianakaviana maro eto an-tany anefa no sambatra, na dia mahantra aza. Fa nahoana?
3 Ahitana olana ara-bola, na dia any amin’ny tany manankarena aza. Nividy trano ny fianakaviana iray any Japon, fony nahatratra ny fara tampony ny firoboroboana ara-toe-karena. Natoky izy ireo fa hisondrotra ny karama any aoriana, ka nanaiky handoa vola be izy ireo, isaky ny hamerina ampahany tamin’izay notrosainy hividianana ilay trano. Rehefa nitsahatra anefa ilay firoboroboana, dia tsy afaka namerina ilay vola intsony izy ireo, ka voatery nivarotra ny tranony tamin’ny vidiny ambany lavitra noho izay nividianany azy. Tsy mipetraka ao amin’ilay trano intsony izy mianakavy, kanefa mbola mandoa ilay trosa ihany. Mbola manampy trotraka izany koa ny ezaka mafy ataon’izy mianakavy handoavana ireo faktioran’ny trosa, vokatry ny tsy fampiasany amim-pahendrena ny karatra fitrosana. Miloka amin’ny hazakaza-tsoavaly ilay raim-pianakaviana, ary mihamilentika ao anatin’ny trosa izy mianakavy. Fianakaviana maro anefa no nanitsy ny fiainany, ka mahita fahasambarana. Tianao ho fantatra ve hoe tamin’ny fomba ahoana?
4 Na aiza na aiza misy anao, dia mety hitondra alahelo tsy an-kijanona ny fifandraisana amin’ny hafa, ka hahatonga ny fiainana tsy hahafa-po firy. Mety hofosain’ny olona ianao any am-piasana. Mety hanjary hialona anao ny hafa, noho ny zava-bitanao, ka mety hanakiana anao tsy ara-drariny izy ireo. Mety hanorisory anao ny olona iray tsy maintsy ifandraisanao isan’andro, noho izy tia manjakazaka. Mety hampahorin’ny mpampijaly kely ny zanakao any am-pianarana, na mety hisy hanorisory tsy an-kijanona, na tsy hisy hiraharaha. Raha ray na reny mitaiza irery ny zanakao ianao, dia fantatrao fa tsy manampy anao izany eo amin’ny fifandraisanao amin’ny hafa. Manampy fihenjanana eo amin’ny fiainan’ny lehilahy sy ny vehivavy maro izany olana rehetra izany ankehitriny.
5 Mety hisoko mangina ny vokatry ny fihenjanana, mandra-pahatongan’ny fotoana tsy hahazakana azy intsony, izay ho tonga tampoka. Ny fihenjanana àry dia nantsoina hoe mpamono misoko mangina, ary ny fihenjanana maharitra nantsoina hoe poizina misoko miadana. “Misy fiantraikany eo amin’ny mpiasa saika maneran-tany ny fihenjanana sy ireo aretina aterany, ankehitriny”, hoy ny Profesora Robert L. Veninga, ao amin’ny Oniversiten’i Minnesota. Voalaza fa mandany roa hetsy tapitrisa dolara isan-taona amin’ny volam-panjakana amerikanina ireo aretina mifandray amin’ny fihenjanana. Antsoina hoe zavatra aondran’i Amerika faramparany mihitsy aza ny fihenjanana, ary fandre amin’ny ankamaroan’ny fiteny lehibe eran-tany ny filazana ny hoe “stress” (fihenjanana). Rehefa tratran’ny fihenjanana ianao ka tsy mahavita ny zavatra tokony hovitainao amin’ny fotoana iray, dia mety hanome tsiny ny tenanao ianao. Voalazan’ny tatitra momba ny fandinihana iray natao vao haingana fa manome tsiny ny tenany adiny roa isan’andro, ny olona amin’ny ankapobeny. Na izany aza, dia misy olona afa-niatrika ny fihenjanana, ka mahita fahombiazana eo amin’ny fiainany.
6 Ahoana no ahafahanao miatrika olana toy izany isan’andro, ka hanana fiainana mahafa-po? Misy maka hevitra ao amin’ny boky fampianaran-tena nosoratan’ny manam-pahaizana manokana. Azo ianteherana ve ny boky toy ireny? Nanoratra boky momba ny fitaizan-janaka ny Dr. Benjamin Spock; nadika ho amin’ny fiteny 42 io boky io, ary efa ho 50 tapitrisa ny isan’ny natonta. Nilaza izy indray mandeha fa “ny tsy fahaizana ny ho hentitra no (...) olana lehibe indrindra mahazo ny ray aman-dreny eto Amerika ankehitriny”. Mbola nilaza koa izy fa tompon’andraikitra lehibe indrindra amin’izany ireo manam-pahaizana, anisan’izany ny tenany. Niaiky toy izao izy: “Tsy takatsika, raha tsy efa diso aoriana loatra, fa nanimba tsikelikely ny fatokisan-tenan’ny ray aman-dreny ny fihamboantsika ho mahay ny zava-drehetra.” Koa azontsika atao àry ny manontany hoe: ‘Ny torohevitr’iza no azontsika arahina mba hananantsika fiainana mahafa-po dieny izao sy amin’ny hoavy?’