Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

FIZARANA 2

Fanipazan-kevitra mba Hananana Fiainana Mahafa-po

Fanipazan-kevitra mba Hananana Fiainana Mahafa-po

REHEFA miatrika olana ianao, aiza no itadiavanao torohevitra? Angamba ianao hitodika any amin’ny namana iray azo itokisana na any amin’ny mpanolo-tsaina iray za-draharaha. Mety hanampy anao koa ny fijerena loharanom-panazavana, toy ny any amin’ny tranomboky, ohatra. Na angamba ianao hitodika any amin’ny “fahendren’i Nenibe”, araka ny iantsoan’ny Tatsinanana sasany azy, mba handraisan-tsoa avy amin’ny anatr’ireo ela niainana. Na inona na inona tianao kokoa, dia tsara ny handinihana tenim-pahendrena voafintina, izay manome fanipazan-kevitra sarobidy hoenti-mamaha ilay olana. Indreto misy santionany amin’ny torohevitra mahasoa izay hanampy anao.

“Zaro amin’izay làlana tokony halehany ny zaza”

2 Fiainam-pianakaviana: Ray aman-dreny maro no manahy ny amin’ny fitaizana ny zanany eo amin’ny tontolo iray feno fitaoman-dratsy. Afaka manampy azy ireo ny fandinihana izao torohevitra manaraka izao: “Zaro amin’izay làlana tokony halehany ny zaza, ka na rehefa antitra aza izy, dia tsy hiala amin’izany.” 1 Rehefa mihalehibe ny ankizy, dia mila ilay ‘lalana’, izany hoe mila fari-pitsipika arahina. Mihamaro ny manam-pahaizana nanjary nahatakatra fa zava-dehibe ny manome fitsipika mahasoa ho an’ny ankizy. Manjary mahatsapa ho tsy manana ahiahy ny ankizy rehefa omen’ny ray aman-dreny fari-pitsipika maneho fahendrena. Indro misy torohevitra fanampiny: “Ny tsorakazo sy ny anatra no manome fahendrena; fa ny zaza aranana mampahamenatra ny reniny.” 2 “Ny tsorakazo” dia manondro ny fahefan’ny ray aman-dreny, fahefana izay tsy maintsy ampiharina amim-pitiavana mba hisakanana ny ankizy tsy ho diso lalana. Tsy mahafaoka fampijaliana ankizy na amin’ny fomba ahoana na amin’ny fomba ahoana, ny fampiharana izany fahefana izany. Izao no torohevitra ho an’ny ray aman-dreny: “Aza mampahasosotra ny zanakareo, fandrao mamoy fo izy.” 3

“Samia tia ny vadiny tahaka ny tenany hianareo lehilahy rehetra”

3 Fototra iorenan’ny fianakaviana sambatra ny fifandraisana tsara dia tsara eo amin’ny mpivady. Inona no ilaina mba hisian’ny fifandraisana toy izany? “Samia tia ny vadiny tahaka ny tenany hianareo lehilahy rehetra, ary aoka kosa ny vavy hanaja ny lahy.” 4 Toy ny menaka mampisosa tsara ny fifandraisan’ny mpianakavy, ny fitiavana sy ny fanajana. Mba hampandaitra io torohevitra io, dia tena zava-dehibe ny fifampiresahana, satria “ho foana ny fikasana, raha [tsy misy resaka tsiambaratelo, “NW” ]”. 5 Mba hisian’ny fifampiresahana amim-pahatsorana, dia tokony hiezaka hahatakatra ny fihetseham-pon’ny vadintsika isika, ka hanasa azy hilaza izay tena tsapany. Fahendrena ny hitadidiana fa “rano lalina ny hevitra ao am-pon’ny olona; fa izay manan-tsaina dia mahay manovo azy ihany”. 6

Mijere ny lafy tsaran-javatra, ary manaova ny dingana voalohany mba hitadiavana namana mahafalifaly

4 Zokiolona maro no mahatsiaro tena ho manirery tokoa rehefa be taona kokoa izy ireo, satria avelan’ny zanany ho irery. Fahita izany, na dia any amin’ny tany nanajan’ny zanaka ny zokiolona aza, araka ny fanao teo aloha. Tsara anefa ny handinihan’ireny zanaka ireny ireto teny maneho fahendrena ireto: “Manajà ny rainao sy ny reninao”. 7 “Aza manamavo ny reninao, saingy efa antitra izy.” 8 “Izay ratsy fitondra ray, sady sahy mandroaka reny, dia zanaka mitototra henatra amam-pahafaham-baraka.” 9 Etsy an-danin’izany, dia mila mahay mijery ny lafy tsaran-javatra ny ray aman-dreny zokiolona, ka manao ny dingana voalohany mba hitadiavana namana mampahery. “Izay mitokana ho azy dia mitady ny mahafinaritra ny tenany ihany, misafoaka manohitra izay hevitra mahasoa rehetra izy.” 10

5 Zava-pisotro Misy Alkaola: Marina fa ‘maharavoravo ny aina ny divay’, 11 ary mety hahatonga ‘ny olona tsy hahatsiaro ny fahoriany intsony’ 12 ny zava-pisotro misy alkaola. Tadidio anefa izao: “Mpaniratsira ny divay, ary mpitabataba ny toaka, koa izay miraikiraiky azon’izany dia tsy hendry”. 13 Hevero ny vokatry ny fisotroana tafahoatra: “Fa amin’ny farany dia hanaikitra toy ny bibilava [ny divay] ary hanindrona toy ny menarana. Koa ny masonao dia hijery vehivavy jejo, ary ny fonao hieritreri-dratsy. (...) Rahoviana ange aho no hifoha mba hitadiavako azy indray?” 14 Mety hahasoa ny fisotroana zava-pisotro misy alkaola amin’ny antonony, kanefa tsy maintsy halavirina hatrany ny fisotroana tafahoatra.

6 Fitantanam-bola: Amin’ny toe-javatra sasany, dia azo atao ny misoroka olana ara-bola, amin’ny fampiasana amim-pahendrena ny tahirim-bola. Henoy izao torohevitra izao: “Aza misakaiza amin’izay mpiboboka divay sy izay fatra-pitia hena; fa halahelo izay mpiboboka sy izay fatra-pitia hena; ary ny fitiavan-torimaso mampitafy voro-damba.” 15 Afaka mampiasa ny volantsika mba hanomezana izay ilain’ny mpianakavintsika amin’ny fomba mahasoa isika, rehefa manalavitra ny fisotroana zava-pisotro misy alkaola tafahoatra sy ny fidorohana zava-mahadomelina ary koa ny fahazarana miloka. Olona maro anefa no mandany mihoatra noho izay ananany, ka manjary miasa mafy mba handoavana trosa fotsiny. Misy mihitsy aza misambo-bola mba handoavana ny zanabola amin’ny trosa hafa iray. Hanampy antsika ny fitadidiana ireto tenim-pahendrena manaraka ireto: “Ny manenjika zava-poana, ho voky fahantrana”. 16 Azontsika atao ny manontany tena hoe: ‘Tena ilaiko ve ireo zavatra mety ho tiako hovidina? Firy moa ireo zavatra mipetra-potsiny, nefa tsy nampiasaiko firy akory?’ Nanoratra toy izao ny mpanao gazety iray: ‘Vitsy ny zavatra tena ilain’ny olombelona, fa tsy tambo isaina kosa ny zavatra iriny.’ Mariho ireto teny maneho fahendrena ireto: “Tsy nitondra na inona na inona ho amin’izao tontolo izao isika, sady hita fa tsy hahatondra na inona na inona hiala. Fa raha manan-kanina sy fitafiana isika, dia aoka hianina amin’izany. (...) Ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra, koa ny sasany izay fatra-pitady izany dia efa (...) nanindrona ny tenany tamin’ny alahelo be.” 17

7 Manampy be dia be mba hamahana olana ara-bola ny fahazotoana miasa. “Mandehana any amin’ny vitsika, ry ilay malaina; diniho ny fanaony, ka mba hendre (...). Mbola hatory kely ihany, mbola ho renoka kely ihany, ary mbola hanohon-tànana kely hatory, dia ho tonga toy ny lehilahy mimaona hamely ny alahelonao”. 18 Manampy koa ny fieritreretana tsara mialoha ny amin’izay hatao sy ny fanaovana teti-bola araka izay ananana: “Iza moa aminareo, raha ta-hanao tilikambo, no tsy mipetraka aloha mihevitra izay ho lany hanaovany izany, na misy hahavitany azy, na tsia?” 19

“Mahita olona mailaka amin’ny raharahany va hianao?”

8 Ahoana anefa raha mahantra isika, nefa tsy noho ny fahadisoantsika? Ohatra, noho ny fitontongan’ny toe-karena, dia mety hanjary ho tsy an’asa isika, na dia vonona hiasa mafy aza. Na koa angamba ao amin’ny tany misy antsika, dia mahantra faraidiny ny ankamaroan’ny olona. Inona àry no hataontsika? “Fialokalofana ny fahendrena, ary fialokalofana ny vola; ary ny mahatsara ny fahalalana dia izao: Maharo ny ain’ny manana azy ny fahendrena.” 20 Diniho koa izao torohevitra izao: “Mahita olona mailaka amin’ny raharahany va hianao? Eo anatrehan’ny mpanjaka no hitsanganany”. 21 Afaka mianatra fahaiza-manao zavatra izay hanampy antsika hahita asa ve isika?

“Omeo, dia mba homena hianareo”

9 Mety ho toa mifanohitra izao torohevitra manaraka izao, kanefa tena mandaitra: “Omeo, dia mba homena hianareo (...). Fa izay fatra ataonareo no hamarana ho anareo kosa.” 22 Tsy midika akory izany hoe manome isika, amin’ny fanantenana ny hahazo valim-pitia. Ny votoatin’ilay torohevitra kosa dia hoe tokony hamboly toe-tsaina tia manome isika: “Izay manisy soa olona hohatavezina; ary izay mandena dia mba holemana kosa.” 23 Rehefa mizara amin’ny hafa amin’ny fotoana ilany fanampiana isika, dia mampiroborobo toe-tsaina tia manome izay mety hitondra soa ho antsika any aoriana.

10 Fifandraisana amin’ny hafa: Nanao izao fanamarihana izao ny mpanjaka hendry iray: “Hitako ny fisasarana rehetra sy ny fahaizan-javatra rehetra, fa avy amin’ny fifampialonan’ny olona izany. Zava-poana sy misambo-drivotra foana koa izany.” 24 Nahatonga olona maro hanao zavatra tsy tamim-pahendrena ny fifaninanana. Mahita ny mpifanila trano aminy nahazo televiziona mirefy 80 santimetatra ny olona iray, dia lasa koa mividy televiziona mirefy 90 santimetatra, na dia mbola mandeha tsara aza ny azy mirefy 70 santimetatra. Tena zava-poana tokoa ny fifaninanana toy izany, mitovy amin’ny hoe misambo-drivotra fotsiny, satria misahirana be amin’izay tsinontsinona akory. Tsy miombon-kevitra amin’izany ve ianao?

Ahoana no ifehezantsika ny fahatezerana mafy?

11 Mety ho tafintohina noho izay nolazain’ny hafa tamintsika isika. Diniho anefa izao torohevitra izao: “Aoka tsy halaky tezitra ny fanahinao; fa ny fahatezerana mitoetra ao an-tratran’ny adala.” 25 Marina fa azo hamarinina indraindray ny fahasosorana. “Tezera”, hoy ny mpanoratra iray fahiny, “fa aza manota; ary aoka tsy ho tratry ny masoandro milentika ny fahatezeranareo.” 26 Ahoana anefa no ifehezantsika ny fahatezerana mafy? “Ny [fahaiza-mahataka-javatra ananan’ny olona iray, “NW”] manindry ny fahatezerany, ary voninahitra ho azy ny tsy mamaly fahadisoana.” 27 Ny fahaiza-mahataka-javatra no ilaina. Azontsika atao ny manontany tena hoe: ‘Nahoana izy no nanao toy izao? Nisy anton-javatra mamela ahy hilefitra amin’izay nataony ve?’ Ankoatra ny fahaiza-mahataka-javatra, dia misy toetra azo ambolena mba hifehezana ny fahatezerana. “Mitafia famindrampo sy fiantrana, fahamoram-panahy, fanetren-tena, fahalemem-panahy, fandeferana (...). Mifandefera, ka mifamelà heloka hianareo, raha misy manana alahelo amin’ny sasany (...). Ary aoka ho ambonin’izany rehetra izany ny fitiavana, fa fehin’ny fahatanterahana izany.” 28 Eny, mamaha olana maro eo amin’ny fifandraisana amin’ny hafa ny fitiavana.

12 Na izany aza, dia misy “rantsana kely” misakana antsika tsy hanana fifandraisana milamina amin’ny hafa hatrany, dia ny lela. Marina tokoa ireto teny ireto: “Tsy misy olona mahafolaka ny lela; zava-dratsy tsy manam-pijanonana izy sady feno ody mahafaty.” 29 Ary mendri-komarihina tokoa izao torohevitra izao: “Aoka ny olona rehetra halady hihaino, ho malai-miteny, ho malain-ko tezitra”. 30 Mila mitandrina anefa isika rehefa mampiasa ny lela, mba tsy hilaza lainga kely, ho fikendrena ny hitandro fihavanana ivelany. “Fa aoka ny teninareo ho Eny, eny; Tsia, tsia; fa izay mihoatra noho izany dia avy amin’ny ratsy.” 31

13 Ahoana no ahafahantsika manana fifandraisana mahasoa amin’ny hafa hatrany? Mariho izao foto-pitsipika mpitari-dalana izao: “Aza samy mihevitra ny azy ihany, fa samy ny an’ny namany koa.” 32 Raha manao izany isika, dia hiaina mifanaraka amin’ireto teny ireto, izay antsoin’ny maro hoe Fitsipika Volamena: “Koa amin’izany na inona na inona tianareo hataon’ny olona aminareo, dia mba ataovy aminy kosa tahaka izany”. 33

14 Fihenjanana: Ahoana no ahafahantsika mandanjalanja hatrany ny fihetseham-pontsika, eto amin’ity tontolo feno fihenjanana ity? “Ny fo ravoravo mahamiramirana ny tarehy; fa ny alahelon’ny fo mahareraka ny fanahy.” 34 Mety hitranga mora foana ny tsy hananantsika “fo ravoravo”, rehefa mahita ny hafa tsy miraharaha izay zavatra toa marina eo imasontsika isika. Na izany aza, dia tsara ny hitadidiantsika ireto teny ireto: “Aza marina loatra, ary aza miseho ho hendry loatra; nahoana no hosimbanao ny tenanao?” 35 Etsy an-danin’izany, dia mety hitebiteby tsy an-kijanona momba ny fiainana isika. Inona àry no hataontsika? Aoka hotadidintsika izao: “Ny [fanahiana mampitebiteby, “NW” ] ao am-pon’ny olona dia mampitanondrika azy; fa ny teny soa no mahafaly azy.” 36 Azontsika atao ny misaintsaina “ny teny soa”, dia ny karazan-teny mampahery antsika. Mety hanatsara ny fahasalamana mihitsy aza ny fijerena ny lafy tsaran-javatra, na dia eo aza ny tarehin-javatra mahakivy: “Ny fo ravoravo mahasalama tsara”. 37 Rehefa manjary kivy isika satria toa tsy raharahain’ny hafa, dia azontsika andramana ampiharina izao: “Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.” 38 Ho afaka hiatrika ny fihenjanana isan’andro isika, raha mijery ny lafy tsaran-javatra.

15 Heverinao ve fa mety handaitra aminao izay velona amin’izao taonjato faha-21 izao ireo tenim-pahendrena voalaza teo aloha ireo? Raha ny marina, dia hita ao amin’ny boky tranainy iray — ny Baiboly — izy ireo. Nahoana anefa no mitodika any amin’ny Baiboly fa tsy any amin’ny loharanom-pahendrena hafa? Satria, ankoatra ny antony hafa, dia tsy tontan’ny ela ireo foto-pitsipika ao amin’ny Baiboly. Jereo, ohatra, i Yasuhiro sy i Kayoko, izay nandray anjara tamin’ny fitakiana fitovian-jo eo amin’ny lehilahy sy ny vehivavy. Nivady izy ireo, satria fotsiny bevohokan’i Yasuhiro i Kayoko. Tsy ela anefa izy ireo dia nisaraka, noho ny olana ara-bola sy ny fahatsapana fa tsy nifanaraka ny toetrany. Tatỳ aoriana, dia samy tsy nahalala ny andaniny fa nanomboka nianatra ny Baiboly niaraka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah ny ankilany. Samy nahamarika fiovana lehibe teo amin’ny fiainan’ny ankilany avy izy ireo. Nanapa-kevitra ny hivady indray i Yasuhiro sy i Kayoko. Tsy hoe tsy misy olana akory ny fiainany. Na izany aza, dia manana foto-pitsipika ara-baiboly arahina izy ireo ankehitriny, ary samy mifandefitra mba hamahana ireo olana hitany. Hahita ireo vokatra tsara dia tsara azo avy amin’ny fampiharana ny foto-pitsipika ara-baiboly eo amin’ny fiainana ianao, eo anivon’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nahoana raha manatrika ny iray amin’ireo fivoriany, mba hifankahalalanao amin’ny olona miezaka hiaina mifanaraka amin’ny Baiboly?

16 Ireo torohevitra voatonona terỳ ambony dia santionany fotsiny amin’ny fahendrena azo ampiharina sady tsy hita lany ho hitanao ao amin’ny Baiboly, ilay loharanon’ny fahazavana ara-panahy tondraka. Misy antony maro matoa ny Vavolombelon’i Jehovah mampihatra an-tsitrapo ny foto-pitsipika ara-baiboly eo amin’ny fiainany. Nahoana raha mamantatra ireo antony ireo, ka miana-javatra fototra momba ny Baiboly?