Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

INDONEZIA

Tsy Maty Tamin’ny Fikomian’ny Kominista Aho

Ronald Jacka

Tsy Maty Tamin’ny Fikomian’ny Kominista Aho
  • TERAKA 1928

  • BATISA 1941

  • TANTARANY Mpikarakara ny sampana teto Indonezia nandritra ny 25 taona mahery.

JENERALY enina no novonoin’ny miaramilan’ny Antoko Kominista Indonezianina, ny marainan’ny 1 Oktobra 1965. Saika hanongam-panjakana mantsy io antoko io. Tonga dia namaly faty ny fanjakana ary tsy nitsitsitsitsy. Voalaza fa Kominista 500 000 teo ho eo no maty. Iny angamba no “fandatsahan-dra nihoa-pampana” indrindra teto Indonezia hatramin’izay.

Nisy manamboninahitra niresaka tamiko, herinandro maromaro taorian’izay. Ny anarako, hono, no misoratra voalohany ao amin’ny lisitry ny mpitondra fivavahana tian’ny Kominista hovonoina. Efa vonona mihitsy aza, hono, ny toerana handevenana ahy ary tiany haseho ahy ilay izy. Nanda tamim-panajana anefa aho. Mbola tsy nilamina ny toe-draharaha ara-politika tamin’izay, ka tsy tiako ho hitan’ny olona miaraka aminy aho sao heverin’izy ireo hoe midikiditra amin’ny politika.