Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LESONA 31

Inona ny Fanjakan’Andriamanitra?

Inona ny Fanjakan’Andriamanitra?

Ny Fanjakan’Andriamanitra no hevitra lehibe indrindra resahin’ny Baiboly. Hampiasa an’io Fanjakana io i Jehovah mba hahatonga ny tany ho paradisa. Inona io Fanjakana io? Ahoana no ahafantarantsika hoe efa mitondra izy io? Inona no zavatra efa nataony? Ary inona no mbola hataony amin’ny hoavy? Hamaly an’ireo fanontaniana ireo ity lesona ity sy ireo lesona roa manaraka.

1. Inona ny Fanjakan’Andriamanitra, ary iza no Mpanjakan’izy io?

Fitondram-panjakana natsangan’i Jehovah Andriamanitra ny Fanjakan’Andriamanitra. I Jesosy Kristy no Mpanjakan’izy io, ary avy any an-danitra izy no mitondra. (Matio 4:17; Jaona 18:36) Milaza ny Baiboly hoe “ho Mpanjaka ... mandrakizay” i Jesosy. (Lioka 1:32, 33) Hanjaka amin’ny olona rehetra eto an-tany izy.

2. Iza no hiara-manjaka amin’i Jesosy?

Hisy olona hiara-manjaka amin’i Jesosy. Avy amin’ny “foko sy fiteny sy vahoaka ary firenena rehetra” izy ireo, ary “ho mpanjaka hitondra ny tany.” (Apokalypsy 5:9, 10) Firy ny isan’izy ireo? Olona an-tapitrisany no lasa mpanara-dia an’i Jesosy, hatramin’ny nahatongavany tetỳ an-tany. Tsy ireo rehetra ireo anefa no hiara-manjaka amin’i Jesosy any an-danitra, fa 144 000 ihany. (Vakio ny Apokalypsy 14:1-4.) Hiaina eto an-tany kosa ny Kristianina hafa, ary ho lasa vahoakan’ilay Fanjakana.​—Salamo 37:29.

3. Nahoana ny Fanjakan’Andriamanitra no tsara kokoa noho ny fitondran’olombelona?

Mba te hanao zavatra tsara ihany ny mpitondra olombelona indraindray, nefa voafetra ny vitan’izy ireo. Tsy maintsy mifarana koa ny fotoana itondrany, ary mety ho mpitondra tsy miraharaha vahoaka no misolo azy. Ilay Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra kosa tsy hisy hisolo mihitsy. “Tsy ho rava mihitsy” ilay fanjakana natsangan’Andriamanitra. (Daniela 2:44) Hanjaka amin’ny tany manontolo i Jesosy, ary hitovy ny fomba hitondrany ny olona rehetra. Be fitiavana sy tsara fanahy ary manao ny rariny izy. Hampianariny koa ny olona mba hampiseho an’ireo toetra ireo.​—Vakio ny Isaia 11:9.

ANDAO HOHALALININTSIKA

Hodinihintsika hoe nahoana ny Fanjakan’Andriamanitra no tsara kokoa noho ny fitondran’olombelona.

4. Hitondra ny tany manontolo ny Fanjakan’Andriamanitra

Manana fahefana kokoa noho ny mpitondra rehetra hatramin’izay i Jesosy Kristy. Vakio ny Matio 28:18, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:

  • Inona no tsy mampitovy ny fahefan’i Jesosy sy ny fahefan’ny mpitondra olombelona?

Misolo foana ny fitondran’olombelona, sady any amin’ny fireneny ihany izy no afaka mitondra. Ary ahoana ny Fanjakan’Andriamanitra? Vakio ny Daniela 7:14, ary iaraho midinika ireto fanontaniana ireto:

  • Inona no maha tsara an’ilay hoe “tsy ho rava” mihitsy ny Fanjakan’Andriamanitra?

  • Inona no maha tsara an’ilay hoe hitondra ny tany manontolo izy io?

5. Mila soloana ny fitondran’olombelona

Nahoana no mila soloana ny fitondran’olombelona? Alefaso ilay VIDEO, ary iaraho midinika ny fanontaniana.

  • Inona no vokatry ny fitondran’olombelona?

Vakio ny Mpitoriteny 8:9, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:

  • Tokony hisolo ny fitondran’olombelona ve ny Fanjakan’Andriamanitra, araka ny hevitrao? Nahoana?

6. Mahazo tsara an’izay manjo antsika ireo mpitondra ny Fanjakan’Andriamanitra

Efa olombelona hoatr’antsika i Jesosy Mpanjaka, ka “mahay mangoraka antsika amin’ny fahalementsika.” (Hebreo 4:15) Ary ahoana ireo 144 000 hiara-manjaka amin’i Jesosy? Nofidin’i Jehovah “avy tamin’ny foko sy fiteny sy vahoaka ary firenena rehetra” ireo lehilahy sy vehivavy tsy mivadika ireo.​—Apokalypsy 5:9.

  • Mahafantatra tsara ny zavatra iainan’ny olombelona i Jesosy sy ireo hiara-manjaka aminy. Mampahery anao ve izany? Nahoana?

Lehilahy sy vehivavy avy amin’ny firenena samihafa no nofidin’i Jehovah mba hiara-manjaka amin’i Jesosy

7. Tsara kokoa ny lalàn’ny Fanjakan’Andriamanitra

Mamoaka lalàna ny fitondran’olombelona mba hahasoa ny vahoakany sy hiarovana azy ireo. Manana ny lalàny koa ny Fanjakan’Andriamanitra, ary tsy maintsy manaraka azy ireny ny vahoakany. Vakio ny 1 Korintianina 6:9-11, ary iaraho midinika ireto fanontaniana ireto:

  • Araka ny hevitrao, hanao ahoana ny fiainana raha manaraka ny lalàn’Andriamanitra momba ny fitondran-tena ny olona rehetra? a

  • Araka ny hevitrao, rariny ve raha asain’i Jehovah manaraka an’ireo lalàna ireo ny vahoakan’ilay Fanjakana? Nahoana?

  • Inona no mampiseho hoe mbola afaka miova ny olona tsy manaraka an’ireo lalàna ireo?​—Jereo ny andininy 11.

Mamoaka lalàna ny fitondran’olombelona mba hahasoa ny vahoakany sy hiarovana azy ireo. Mbola tsara lavitra noho ireny ny lalàn’ny Fanjakan’Andriamanitra

MISY MITENY HOE: “Ao am-po ny Fanjakan’Andriamanitra.”

  • Ahoana no havalinao?

FAMINTINANA

Fitondram-panjakana any an-danitra ny Fanjakan’Andriamanitra, ary hitondra ny tany manontolo izy io.

Famerenana

  • Iza avy no mpitondra ny Fanjakan’Andriamanitra?

  • Nahoana ny Fanjakan’Andriamanitra no tsara kokoa noho ny fitondran’olombelona?

  • Inona no asain’i Jehovah ataon’ny vahoakan’ilay Fanjakana?

Tanjona

JEREO KOA IRETO

Aiza no misy ny Fanjakan’Andriamanitra, raha jerena ny tenin’i Jesosy?

“Ao Am-ponao ve ny Fanjakan’Andriamanitra?” (Lahatsoratra ao amin’ny jw.org)

Ny Fanjakan’Andriamanitra no tohanan’ny Vavolombelon’i Jehovah fa tsy ny fitondran’olombelona. Nahoana?

Manohana ny Fanjakan’Andriamanitra Isika (1:43)

Inona no lazain’ny Baiboly momba an’ireo 144 000 hiara-manjaka amin’i Jesosy?

“Iza no Mankany An-danitra?” (Lahatsoratra ao amin’ny jw.org)

Nahoana no resy lahatra ny vehivavy iray nigadra hoe Andriamanitra ihany no hahavita hampanjaka ny rariny?

“Ahoana no Nahalalako ny Antony Isian’ny Tsy Rariny?” (Mifohaza! Novambra 2011)

a Horesahina ao amin’ny Fizarana 3 ny sasany amin’izany lalàna izany.