Jehovah
Ny anarany
“Manao Izay Hahatonga Izy” no dikan’ny anarany
Ahoana no ahitana hoe afaka miovaova araka izay ilaina i Jehovah mba hikarakarana ny mpanompony, mifanaraka amin’ny dikan’ilay anarany?
Sl 19:14; 68:5; Is 33:22; 40:11; 2Ko 1:3, 4
Jereo koa ny Sl 118:14; Is 30:20; Je 3:14; Za 2:5
Nahoana ny fanamasinana ny anaran’Andriamanitra no zava-dehibe indrindra?
Nahoana no mendrika ny hankatoavin’ny olona rehetra i Jehovah?
Anaram-boninahitr’i Jehovah sasany
Andriamanitra Lehibe—He 1:3; 8:1
Avo Indrindra—Ge 14:18-22; Sl 7:17
Jehovah Tompon’ny tafika—1Sa 1:11
Mahery Indrindra—Ge 17:1; Ap 19:6
Mpampianatra Be Voninahitra—Is 30:20
Mpanjakan’ny mandrakizay—1Ti 1:17; Ap 15:3
Ray—Mt 6:9; Jn 5:21
Tompo Fara Tampony—Is 25:8; Am 3:7
Vatolampy—De 32:4; Is 26:4
Toetran’i Jehovah miavaka sasany
Ahoana no anasongadinan’i Jehovah hoe masina izy, ary inona no tokony hataontsika rehefa fantatsika izany?
Ek 28:36; Le 19:2; 2Ko 7:1; 1Pe 1:13-16
-
Ohatra ao amin’ny Baiboly:
-
Is 6:1-8—Nahatsapa ho tsy mendrika ny hahazo fahitana momba an’i Jehovah i Isaia mpaminany, satria fantany hoe mpanota izy. Nasehon’ny serafima iray anefa hoe afaka ny ho madio eo imason’i Jehovah ny olona tsy lavorary
-
Ro 6:12-23; 12:1, 2—Nohazavain’ny apostoly Paoly fa azontsika atao ny miady amin’ny fanirian-dratsy ka “fahamasinana” no ho vokatr’izany
-
Manao ahoana ny herin’i Jehovah, ary ahoana avy no ampiasany an’izany?
Ek 15:3-6; 2Ta 16:9; Is 40:22, 25, 26, 28-31
-
Ohatra ao amin’ny Baiboly:
-
De 8:12-18—Nampahatsiahivin’i Mosesy mpaminany ny vahoakan’ny Israely hoe nanana zavatra tsara be dia be ry zareo, satria i Jehovah nampiasa ny heriny mba hitahiana an-dry zareo
-
1Mp 19:9-14—Nampiasa ny heriny tamin’ny fomba mahagaga i Jehovah mba hampaherezana an’i Elia mpaminany tamin’izy kivy
-
Nahoana isika no afaka matoky tanteraka hoe manao ny rariny i Jehovah?
De 32:4; Jb 34:10; 37:23; Sl 37:28; Is 33:22
-
Ohatra ao amin’ny Baiboly:
-
De 24:16-22—Hita tamin’ny Lalàn’i Mosesy fa manao ny rariny foana i Jehovah sady be fitiavana sy mamindra fo
-
2Ta 19:4-7—Notenenin’i Josafata Mpanjaka ny mpitsara hoe izay lazain’i Jehovah hoe rariny fa tsy izay lazain’ny olona, no tokony harahin’izy ireo rehefa mamoaka didim-pitsarana ry zareo
-
Ahoana no ahafantarantsika hoe Jehovah no hendry indrindra?
Sl 104:24; Oh 2:1-8; Je 10:12; Ro 11:33; 16:27
Jereo koa ny Sl 139:14; Je 17:10
-
Ohatra ao amin’ny Baiboly:
-
1Mp 4:29-34—Nataon’i Jehovah hendry noho ny olon-kafa rehetra tamin’ny androny i Solomona Mpanjaka
-
Lk 11:31; Jn 7:14-18—Hendry noho i Solomona i Jesosy, nefa niaiky izy hoe avy amin’i Jehovah ny fahendrena nananany
-
Ahoana no ampisehoan’i Jehovah hoe ny fitiavana no toetra mampiavaka azy?
Jn 3:16; Ro 8:32; 1Jn 4:8-10,19
-
Ohatra ao amin’ny Baiboly:
-
Mt 10:29-31—Nasongadin’i Jesosy tao amin’ilay fanoharana momba ny fody hoe tena tian’i Jehovah sady sarobidy aminy ny mpanompony tsirairay
-
Mr 1:9-11—Niteny tamin’i Jesosy avy any an-danitra i Jehovah hoe tiany izy sady ankasitrahany. Modely tsara ho an’ny ray aman-dreny i Jehovah satria ilain’ny zanaka ny maheno ny ray aman-dreniny miteny hoatr’izany aminy
-
Inona koa no mahatonga antsika ho tia an’i Jehovah? Resahin’ny Baiboly hoe manana toetra tsara be dia be izy, anisan’izany ny hoe ...
Andriamanitry ny fiadanana—Fi 4:9
Be voninahitra—Ap 4:1-6
Falifaly—1Ti 1:11
Heni-kaja—Sl 8:1; 148:13
Mahita ny zava-drehetra—2Ta 16:9; Oh 15:3
Malala-tanana—Sl 104:13-15; 145:16
Mamindra fo—Ek 34:6
Manam-paharetana—Is 30:18; 2Pe 3:9
Manetry tena—Sl 18:35
Mangoraka—Is 49:15; 63:9; Za 2:8
Tia rariny—Sl 7:9
Tsara fanahy—Lk 6:35; Ro 2:4
Tsy miova; mendri-pitokisana—Ml 3:6; Jk 1:17
Tsy mivadika—Ap 15:4
Velona mandrakizay; tsy nisy fiandohana ary tsy hisy fiafarana—Sl 90:2; 93:2
Inona ny ho vokany rehefa lasa mahafantatra tsara kokoa an’i Jehovah isika?
Fomba anompoana an’i Jehovah
Ahoana no ahafantarantsika hoe tsy mitaky amintsika mihoatra noho izay vitantsika i Jehovah?
-
Ohatra ao amin’ny Baiboly:
-
De 30:11-14—Tsy sarotra loatra tamin’ny Israelita ny nankatò ny Lalàna nomena tamin’ny alalan’i Mosesy mpaminany
-
Mt 11:28-30—Nomen’i Jesosy toky ny mpianany hoe Tompo tsara fanahy izy, satria izy nanahaka tanteraka ny Rainy
-
Nahoana i Jehovah no mendrika hoderaina?
Jereo koa ny Je 20:9; Lk 6:45; As 4:19,20
-
Ohatra ao amin’ny Baiboly:
-
Sl 104:1, 2, 10-20, 33,34—Nidera an’i Jehovah ny mpanao salamo noho ny zavatra be dia be noforoniny
-
Sl 148:1-14—Midera an’i Jehovah daholo ny zavatra noforoniny, anisan’izany ny anjely, ka tokony hidera azy koa isika
-
Inona no tokony hataontsika mba hahatonga ny olona hanome voninahitra an’i Jehovah?
Nahoana isika no tokony hanatona an’i Jehovah?
Nahoana isika no mila manetry tena raha te hanatona an’Andriamanitra?
Nahoana isika no tokony hamaky Baiboly sy hisaintsaina an’izay vakintsika ao, raha te hanatona an’i Jehovah?
Nahoana isika no tokony hampihatra an’izay ianarantsika momba an’i Jehovah?
Nahoana isika no tsy tokony hanafina na inona na inona amin’i Jehovah?
Jb 34:22; Oh 28:13; Je 23:24; 1Ti 5:24, 25
-
Ohatra ao amin’ny Baiboly:
-
2Mp 5:20-27—Nitady hanafina ny zavatra ratsy nataony i Gehazy, nefa nahariharin’i Jehovah tamin’i Elisa mpaminany ilay izy
-
As 5:1-11—Nitady hanafina ny zavatra ratsy nataony i Ananiasy sy Safira nefa nahariharin’i Jehovah ilay izy. Nofaiziny ry zareo satria nandainga tamin’ny fanahy masina
-