Natao Pirinty sy Nozaraina ny Teny Masin’Andriamanitra
Toko 27
Natao Pirinty sy Nozaraina ny Teny Masin’Andriamanitra
NASIAN’NY Vavolombelon’i Jehovah soratra mampirisika ny rehetra hoe “Vakio Isan’andro ny Tenin’Andriamanitra, ny Baiboly Masina”, eo ivelany amin’ilay lehibe indrindra amin’ny tranon’ny foibeny.
Mazoto mianatra Baiboly mihitsy koa izy ireo, ary nampiasa fandikan-tenin’ny Baiboly maro be mba hahazoana tsara ny tena hevitry ny Soratra Masina tany am-boalohany. Ampirisihina ho zatra mamaky Baiboly isan’andro ny Vavolombelona rehetra. Ataony araka ny foto-kevitra ny fianarany azy io, sady mamaky sy mandinika azy io tsikelikely koa izy ireo rehefa mivory. Tsy ny hitady andininy manohana ny heviny manokana no zava-kendreny. Ekeny kosa fa Tenin’Andriamanitra ny Baiboly, ary takany fa mananatra sy manome fifehezana. Koa miezaka mafy izy ireo hampifanaraka ny fiheviny sy ny fitondran-tenany amin’izay voalaza ao.—2 Tim. 3:16, 17; ampitahao amin’ny 1 Tesalonianina 2:13.
Mazoto mitory sy mizara Baiboly izy ireo, satria miaiky fa Teny masin’Andriamanitra izy io, sady fantatr’izy ireo koa fa misy vaovao tsara be voninahitra ao anatiny.
Fikambanana nanonta Baiboly
Tamin’ny 1896 ny teny hoe Baiboly no nampidirina tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny anarana ara-dalàna nentin’ilay fikambanana nampiasain’ny Mpianatra ny Baiboly hanontana boky. Tamin’izay ilay anarana hoe Zion’s Watch Tower Tract Society no nampidirana ny teny hoe Baiboly (Bible) ka nanjary fantatra ara-dalàna hoe Watch Tower Bible and Tract Society. a Tsy avy hatrany dia nanao pirinty sy nanambatra Baiboly ny Fikambanana, fa nanonta fotsiny aloha, ka nanome ny fanazavana nilain’ny trano fanontam-pirinty sady nifanaraka taminy mba hanaovany pirinty sy hanambarany Baiboly.
Efa nizara Baiboly betsaka ny Fikambanana na dia talohan’ny 1896 aza. Nisarika ny sain’ny mpamaky ho amin’ny fandikan-tenin’ny Baiboly maro samihafa nisy tamin’izany ny Fikambanana. Tsy nanao izany mba hahazoany tombony izy fa mba hanampiana an’ireo mpamaky. Novidiny mora ambongadiny ireny, ary namidiny efa ho antsasa-bidiny. Anisan’ireny ireto manaraka ireto: 1) fanontana maro tamin’ny Dikan-tenin’ny Mpanjaka Jacques (mora entina sy ampiasaina) sy ny ‘Baibolin’ny Mpampianatra’ (Dikan-tenin’ny Mpanjaka Jacques misy fizahan-teny sy sarintany ary andininy hafa eny an-tsisim-pejy), 2) ny The Emphatic Diaglott misy dikan-teny anglisy isan’andalana, 3) ny fandikan-tenin’i Leeser ahitana ny soratra anglisy eo anilan’ny hebreo, 4) ny fandikan-tenin’i Murdock avy tamin’ny teny siriàka tranainy, 5) Ny Baibolin’i Newberry misy andininy hafa eny an-tsisim-pejy, izay misarika ny saina ho amin’ny toerana ahitana ny anaran’Andriamanitra tamin’ny fiteny tany am-boalohany, mbamin’ny tsipiriany sarobidy hafa asehon’ny soratra hebreo sy grika, 6) ny Testamenta Vaovao nataon’i Tischendorf misy dikan-teny telo eo ambany pejy, amin’ny sora-tanana telo tranainy indrindra (Sinaiticus sy Vaticanus, ary Alexandrinus), 7) ny Baiboly Variorum misy dikan-teny samihafa eo ambany pejy amin’ny sora-tanana tranainy sy fomba samihafa nandikan’ny manam-pahaizana malaza ny soratra sasany, 8) ny fandikan-teny ara-bakiteny nataon’i Young. Nataon’ny Fikambanana koa izay hahazoan’ny olona ny Fizahan-tenin’i Cruden (anglisy) sy ny Fizahan-teny Famakafakana (anglisy) nataon’i Young, izay misy fanazavana ny teny hebreo sy grika. Matetika koa ny Vavolombelon’i Jehovah taorian’izay no nahazo Baiboly an’arivony amin’ny fiteny samy hafa avy tamin’ny fikambanana hafa mampiely Baiboly, ary nizara azy ireny.
Tamin’ny 1890 ny Fikambanana dia efa nampanao pirinty izay nampitondrainy ny anarany, ka ny fanontana faharoan’ny Testamenta Vaovao vao Nadika sy Misy Fanamafisana (anglisy) no navoaka tamin’izany. I Joseph Rotherham, Anglisy mpandika tenin’ny Baiboly, no nanomana azy io. Nahoana no io fandikan-teny io? Satria ara-bakiteny izy io, ary ahitana ny valin’ny fikarohana rehetra natao mba hahazoana dikan-teny marina kokoa ny soratra grika. Manampy ny mpamaky koa ny fomba nampiasain’ilay nandika azy mba hahafantarany izay teny nohamafisina tao amin’ny soratra grika.
Ny Fikambanana no nampanao pirinty ny fanontana manokana ny Baiboly nataon’i Holman, tamin’
ny 1902. Nisy faritra malalaka eo an-tsisim-pejy nanondro ny bokin’ny Vavolombelon’i Jehovah ahitana fanazavana andinin-teny, ary nisy lisitra loha hevitra miaraka amin’ny andinin-teny sy fanondroana bokin’ny Fikambanana. Dikan-teny roa no ao amin’io Baiboly io: Ny an’ny Mpanjaka Jacques eo ambonin’ny an’ny Dikan-teny Nohavaozina, isaky ny tsy mitovy izy ireo. Nisy fizahan-teny nampahafantatra ny mpamaky ny hevitra samihafa ananan’ny teny tany am-boalohany koa izy io.Tamin’io taona io koa no nahazoan’ny Fikambanana takelaka nanaovana pirinty ny The Emphatic Diaglott, ahitana ny soratra grika nataon’i J. Griesbach (Soratra Grika Kristianina, fanontana 1796-1806) miaraka amin’ny fandikan-teny anglisy isan’andalana. Teo koa ny dikan-teny nataon’ilay Anglisy hoe Benjamin Wilson, nonina tany Geneva, Etazonia. Novidina ary natao fanomezana ho an’ny Fikambanana ireny takelaka ireny sy ny zo ho hany mpanonta. Nozaraina ny Baiboly efa tao amin’ny tahiry, ary nanao fifanarahana ny Fikambanana avy eo mba hamoahana Baiboly betsaka kokoa. Vita sy nozaraina tamin’ny 1903 izany.
Natonta tamin’ny 1907 (efa-taona tatỳ aoriana) ny Dikan-tenin’ny Mpanjaka Jacques, nataon’ny Mpianatra ny Baiboly. Natambatra tamin’izy io, ho toy ny fanazavana fanampiny, ny “Bokin’ny Mpampianatra Baibolin’ny Berianina.” Fanazavana fohy momba ny andininy maro ao amin’ny Baiboly izy io, miaraka amin’ny fanondroana bokin’ny Fikambanana misy fanazavana feno kokoa. Natonta ny taona nanaraka ny fanontana nisy fanazavana fanampiny bebe kokoa.
Baiboly 5 000 ka hatramin’ny 10 000 no indray nohafarana avy tamin’ny mpanao pirinty sy mpanambatra boky, mba tsy ho lafo loatra. Olona maro araka izay azo atao no tian’ny Fikambanana hahazo fandikan-tenin’ny Baiboly samy hafa sy boky fanaovana fikarohana.
Nanao dingana lehibe teo amin’ny fanontana Baiboly àry ny Fikambanana, tamin’ny 1926.
Manao pirinty Baiboly isika
Efa nanonta Baiboly nandritra ny 36 taona ny Watch Tower Bible and Tract Society vao nanao pirinty sy nanakambana Baiboly. Ny The Emphatic Diaglott no voalohany natao pirinty, na dia efa 24 taona aza no nananan’ny Fikambanana ny takelaka azo nanaovana pirinty azy. Natao pirinty tamin’ny Desambra 1926 io Baiboly io, ary milina nampiasana lohavỳ no nanaovana
azy, tao amin’ny trano fanontam-pirintin’ny Fikambanana, teo amin’ny Lalana Concord, Brooklyn. Efa 427 924 tamin’io Baiboly io no navoaka hatreo amin’ny 1993.Nanomboka nanao pirinty ny Baiboly manontolo ny Fikambanana, 16 taona tatỳ aoriana, tao anatin’ny Ady Lehibe II. Novidina tamin’ny Kompania A. Holman, any Philadelphie, Pennsylvanie, àry ny takelaka anaovana pirinty ny Dikan-tenin’ny Mpanjaka Jacques (ilay misy andininy hafa eny an-tsisim-pejy), tamin’ny 1942. Tsy natao avy tamin’ny Vulgate latinina io fandikan-tenin’ny Baiboly manontolo ho amin’ny teny anglisy io, fa manam-pahaizana kosa no nanao azy io, ary fandikan-teny tany aloha kokoa no nampitahain’izy ireo tamin’ny teny hebreo sy aramianina ary grika tany am-boalohany. Nampiana fizahan-teny nomanin’ny mpanompon’i Jehovah 150 mahery koa izy io. Natao indrindra hanampiana Vavolombelon’i Jehovah hahita andinin-teny haingana eny am-pitoriana izy io, ka hahita vokatra rehefa mampiasa ny Baiboly. “Sabatry ny fanahy” mantsy ny Baiboly, ka natao hanesorana sy hanalana sarona ny laingan’ny fivavahan-diso. (Efes. 6:17) Milina manonta am-pihodinana no nanaovana pirinty azy io, mba hahazoan’ny olona hatraiza hatraiza Baiboly amin’ny vidiny mora. Mbola tsy nisy hafa nampiasa izany milina izany mihitsy hanaovana pirinty Baiboly. Baiboly 1 858 368 no navoaka tamin’ny 1992.
Tsy ny hahatongavan’ny Baiboly eny am-pelatanan’ny olona fotsiny no fanirian’ny Vavolombelon’i Jehovah, fa ny hahafantaran’ny olona ny anaran’Andriamanitra hoe Jehovah, sy ny fikasany. Nampiasa ny anaran’Andriamanitra im-6 870 mahery ny Dikan-teny Amerikanina Mahazatra (anglisy, 1901), isaky ny niseho ilay anarana tao amin’ireo loharanon-kevitra nampiasain’ireo mpandika teny. Am-bolana maro no nanaovan’ny Fikambanana fifampiraharahana, ka nahazoany nividy ny zo hanao takelaka nanaovana pirinty an’io Baiboly io, tamin’ny 1944. Takelaka sy endri-tsoratra nomen’ny orinasa Thomas Nelson sy ny Zanany, teto New York, no nanaovana izany, ary Baiboly 1 039 482 no navoaka nandritra ny 48 taona nanaraka.
Nanao fandikan-tenin’ny Baiboly koa i Steven Byington, avy any Massachusetts, Etazonia, ary nataony teo amin’izay tokony hisy azy ny anaran’Andriamanitra. Azon’ny Fikambanana io sora-tanana io, izay mbola tsy natonta tamin’ny 1951. Nahazo zo ho hany mpanonta azy io koa ny Fikambanana tamin’ny 1961. Natao pirinty tamin’ny 1972 io fandikan-teny manontolo io, ka 262 573 no efa navoaka hatramin’ny 1992.
Nisy Baiboly hafa efa nomanina havoaka talohan’izay.
Nomanina sy navoaka ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
Tamin’ny Oktobra 1946 no efa nanolo-kevitra ny hamoahan’ny Fikambanana fandikan-tenin’ny Soratra Grika Kristianina i Nathan Knorr, prezidàn’ny Fikambanana. Ny 2 Desambra 1947 vao tena nanomboka ny asa. Nodinihin’ny komitin’ny fandikan-teny ny soratra rehetra. Kristianina voahosotry ny fanahy avokoa no anisan’ilay komity. Novorin’ny Rahalahy b Fandikan-teny vaovao avy tamin’ny teny grika tany am-boalohany izy io.
Knorr ny filan-kevi-pitondran’ny Fikambanana, ny teto New York sy ny tany Pennsylvanie, tamin’ny 3 Septambra 1949, ka nambarany fa vitan’ny Komitin’ny Fandikana ny Baibolin’ny Tontolo Vaovao ny fandikana ny Soratra Grika Kristianina ho amin’ny fiteny maoderina, ka natolony ny Fikambanana mba hatonta.Tena nilaina ve izy io? Efa natonta tamin’ny fiteny 190 ny Baiboly manontolo tamin’izay, ary efa voadika tamin’ny fiteny sy fitenim-paritra 928 fanampiny ny ampahany aminy. Nisy fotoana nampiasan’ny Vavolombelona ny ankamaroan’ireny fandikan-teny ireny. Mpitondra fivavahana sy misioneran’ny Kristianisma Anarana anefa no nanao ny ankamaroan’izy ireny, ka filozofian’ny mpanompo sampy sy lovantsofina tsy araka ny Soratra Masina nolovan’ny fivavahany, ary fitsikerana ny Baiboly, no hita ao. Ankoatra izany, dia nisy koa sora-tanana tranainy kokoa sy azo nitokisana kokoa. Nanjary mora azo kokoa ny teny grika nampiasaina tamin’ny taonjato voalohany, noho ireo zavatra hita tany ambanin’ny tany. Niova koa ireo fiteny nandikana ny Baiboly nandritra ny taona maro.
Ny tian’ny Vavolombelon’i Jehovah dia fandikan-teny nampidirana fahalalana farany indrindra ary tsy voaloton’ny fanekem-pinoana sy ny lovantsofin’ny Kristianisma Anarana, fandikan-teny ara-bakiteny nefa tena mirakitra ny hevitry ny soratra tany am-boalohany ka azo atao fototra anitarana ny fahalalana ny fahamarinana, ary fandikan-teny mazava sy mora azon’ny mpamaky ankehitriny. Izany indrindra Ny Soratra Grika Kristianina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao, navoaka tamin’ny 1950. Faly be ny Vavolombelon’i Jehovah rehefa nampiasa azy io, satria hitany hoe mora vakina ny fiteny maoderina nampiasaina tao, sady azony kokoa ny hevitry ny Tenin’Andriamanitra.
Anisan’ny mampiavaka an’io fandikan-teny io ny famerenana ny anaran’Andriamanitra hoe Jehovah amin’ny laoniny, izany hoe, im-237 ao amin’ny Soratra Grika Kristianina. Tsy io anefa no voalohany nanao izany, c nefa io angamba no voalohany nanao izany tsy niovaova, tao amin’ny Matio ka hatramin’ny Apokalypsy. Marim-pototra ny nanaovana izany, araka ny nasehon’ny fanazavana feno ao amin’ny sasin-teny.
Nadika ho amin’ny teny anglisy ny Soratra Hebreo tatỳ aoriana, ary navoaka tsikelikely natao boky dimy, nanomboka tamin’ny 1953. Notandremana tsara koa, toy ny natao tamin’ny Soratra Grika Kristianina, mba ho tafavoaka ara-bakiteny araka izay azo natao ny hevitry ny soratra tany am-boalohany. Niezahana mafy mba hisy fitoviana ny fandikan-teny, mba ho tafavoaka marina tsara ny hevitra fonosin’ny matoanteny, ary mba ho fiteny tsotra azon’ny mpamaky ankehitriny no nampiasaina. Isaky ny niseho tao amin’ny soratra hebreo ny Litera Efatra, dia ny anaran’Andriamanitra no nandikana azy, fa tsy nosoloana teny hafa toy ny fanaon’ny fandikan-teny maro hafa. Afaka nandinika ny antony nampiasana ny teny voadika ny mpianatra mazoto, noho ireo fanazavana fanampiny sy fanamarihana ambany pejy.
Vitan’ny Komitin’ny Fandikana ny Baibolin’ny Tontolo Vaovao ny famakiana farany ny soratra tao amin’ny ampahany hatao boky fahadimy, tamin’ny 13 Martsa 1960, izany hoe, 12 taona sy 3 volana ary 11 andro taorian’ny nanombohana nandika ny Soratra Grika Kristianina. Vita pirinty sy navoaka mba hozaraina io boky farany tamin’ny Soratra Hebreo io, volana vitsivitsy tatỳ aoriana.
Tsy rava ilay komity rehefa vita ilay tetikasa, fa mbola niasa foana. Nodinihina indray ilay fandikan-teny manontolo. Natontan’ny Fikambanana tamin’ny
1961 ho boky iray àry Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao (anglisy) manontolo sy nohavaozina. Natao iray dolara amerikanina monja ny vidiny, mba ho afaka hahazo ny Tenin’Andriamanitra ny rehetra, na ny mahantra na ny manana.Natao roa taona taorian’izay ny fanontana manokana ho an’ny mpianatra: Natambatra tao amin’io fanontana io ireo boky rehetra tamin’ny voalohany izay tsy nohavaozina, mbamin’ireo fanamarihana ambany pejy an’arivony sy ny sasin-teny ary ny fanazavana fanampiny. Mbola tao koa ny fanondroana andinin-teny hafa nisarika ny sain’ny mpamaky ho amin’ny teny mitovy, hevitra sy zava-niseho mitovy, fanazavana momba ny fiainan’ny olona, tsipiriany momba ny jeografia, faminaniana tanteraka, ary teny nalaina avy tao amin’ny Baiboly.
Efa nohavaozina inefatra ilay Baiboly, hatramin’ny 1961 nanontana azy ho boky iray, ka tamin’ny 1984 ny farany indrindra. Tamin’io no natonta ilay natao tamin’ny sora-baventy ary nisy fanazavana fanampiny betsaka, sy andininy hafa 125 000 eny an-tsisim-pejy, sy fanamarihana 11 400 ambany pejy ary fizahan-teny. Manampy ny mpianatra ireo rehetra ireo hahatakatra ny antony tsy maintsy nandikana ny soratra ho toy izao na izao mba ho marina tsara, sy hoe rahoviana ny soratra no azo adika amin’ny fomba mihoatra ny iray, nefa mbola ho marina tsara ihany. Manampy azy koa ny fanondroana andinin-teny hafa mba hahatakatra fa mirindra tsara ireo boky samihafa ao amin’ny Baiboly.
Niezaka mafy ny Komitin’ny Fandikana ny Baibolin’ny Tontolo Vaovao mba hanampy an’ireo tia ny Tenin’Andriamanitra hahalala tsara izay voarakitra tao amin’ny soratra tany am-boalohany, tamin’ny fiteny koine, fiteny grika iombonana nanoratana ny Soratra Grika Kristianina. Koa namoaka Ny Soratra Grika—Fandikan-teny Isan’andalan’ilay Fanjakana (anglisy) ilay komity. Natontan’ny Fikambanana voalohany izy io tamin’ny 1969, ary nohavaozina tamin’ny 1985. Tao anatin’izy io Ny Testamenta Vaovao Amin’ny Fiteny Grika Tany Am-boalohany (anglisy), nataon’i B. Westcott sy F. Hort. Teo ankavanana amin’ny pejiny no nisy ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao (ilay fanontana nohavaozina tamin’ny 1984). Ary teo anelanelan’ny andalan-tsoratra grika dia nisy fandikan-teny hafa, tena ara-bakiteny, nandika ny teny grika tsirairay sy izay tena voalazan’ny hevitra fototra sy ny endriky ny teny tsirairay ara-pitsipi-pitenenana. Koa afaka mahita izay tena voalazan’ny soratra grika tany am-boalohany, na dia ireo tsy mahay azy io aza.
Izay mahay teny anglisy ihany ve no handray soa tamin’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao? Sarotra tamin’ny misionerantsika tany amin’ny tany maro ny nahazo Baiboly ampy hozaraina tamin’izay te hanana. Ireo misionerantsika matetika no tena mpizara Baiboly nataon’ny fikambanana hafa mampiely Baiboly. Tsy faly tamin’izany foana anefa ny mpivavaka niasa tao amin’ireny fikambanana mampiely Baiboly ireny. Sady tsy dia tsara koa ny nandikana ny sasany tamin’ireny Baiboly ireny.
Fandikana ho amin’ny fiteny hafa
Tamin’ny 1961 namoahana voalohany ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao (anglisy) ho boky iray no nivorian’ny mpandika teny maromaro mahay. Nivory izy ireo mba handika azy io ho amin’ny fiteny enina be mpampiasa: alemà, espaniola, frantsay, holandey, italianina, ary portogey. Ara-bakiteny no nandikana ny Baiboly tamin’ny teny anglisy, ka azo natao ny nandika azy io indray ho amin’ny fiteny hafa. Nanampy tamin’izany koa ny fampitahana teny tamin’ny fiteny hebreo sy grika. Niara-niasa toy ny komity iraisam-pirenena ireo mpandika teny, sady niara-niasa tamin’ny Komitin’ny Fandikana ny Baibolin’ny Tontolo Vaovao, eto amin’ny Foiben’ny Fikambanana eto Brooklyn, New York. Vita pirinty sy navoaka tamin’ireo fiteny enina ireo ny Soratra Grika Kristianina tamin’ny 1963.
Tamin’ny 1992, Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao dia efa nisy tamin’ny fiteny 12: alemà, anglisy, danoà, espaniola, frantsay, holandey, italianina, japoney, portogey, slovaky, soedoà, ary tseky. Nisy tamin’ny fiteny roa fanampiny ny Soratra Grika Kristianina, izany hoe nisy tamin’ny fitenin’ny olona 1 400 000 000, na olona mihoatra ny ampahefatry ny mponina teto an-tany. Ary betsaka noho izany no nandray soa tamin’izy io, satria nisy ampahany taminy nadika tamin’ny fiteny 97 hafa tao amin’ny Tilikambo Fiambenana. Tsy andrin’ireo namaky tamin’ireo fiteny 97 ireo anefa izay hahazoany ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao feno tamin’ny fiteniny. Efa nomanina tamin’ny 1992 àry ny hamoahana azy io tamin’ny fiteny 16, sy ny hamitana ny Soratra Hebreo tamin’ireo fiteny 2 tsy nanana afa-tsy ny Soratra Grika Kristianina.
Tena mora vidy ireny Baiboly ireny, satria tao amin’ny trano fanontam-pirintin’ny Fikambanana ihany no natonta, ary mpiasa an-tsitrapo no nanao izany. Nisy Vavolombelona avy any Aotrisy nampiseho Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao (alemà) tamin’ny rangahy iray
mpanambatra boky, tamin’ny 1972. Nanontaniany azy hoe ohatrinona, araka ny eritreriny, ny vidin’ilay izy. Gaga ilay rangahy nahafantatra fa ampahafolon’ilay vidiny nolazainy ny fandraisana anjara nangatahina.Misy ohatra ireto mampiseho ny vokatr’io fandikan-teny io: Noraran’ny Eglizy Katolika hatramin’ny taonjato maro ny fananan’ny mpivavaka Baiboly, tany Frantsa. Somary lafo koa ny fandikan-teny katolika nisy tamin’izany, ka vitsy ny tokantrano nanana azy. Navoaka tamin’ny teny frantsay tamin’ny 1963 Ny Soratra Grika Kristianina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao, ary tamin’ny 1974 ny Baiboly manontolo. Nisy 2 437 711 ny tontalin’ny nalefa hozaraina tany Frantsa tamin’ny 1992, ary nitombo 488 isan-jato ny isan’ny Vavolombelon’i Jehovah tany nandritra izay fotoana izay, ka nahatratra 119 674.
Toy izany koa tany Italia. Norarana hatry ny ela ny olona tsy hanana Baiboly. Navoaka ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao (italianina), ary nisy 3 597 220 no efa nozaraina hatreo amin’ny 1992, ka Baiboly manontolo ny ankamaroan’izany. Tian’ny olona hodinihina izay voalazan’ny Tenin’Andriamanitra. Nitombo haingana ny isan’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Italia nandritra izay fotoana izay: 7 801 teo aloha, ary lasa 194 013.
Tsy nisy afa-tsy 30 118 monja ny Vavolombelona tany Brezila, ary 1 798 tany Portogaly, rehefa navoaka tamin’ny teny portogey Ny Soratra Grika Kristianina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. Nisy 213 438 ny Soratra Grika Kristianina ary 4 153 738 ny Baiboly manontolo tamin’ny teny portogey efa nozaraina tamin’olona sy tamin’ny fiangonana tao amin’ireo tany ireo, hatreo amin’ny 1992. Inona no vokany? Nitombo avo 11 heny mahery ny isan’ny mpidera an’i Jehovah tany Brezila, ary avo 22 heny tany Portogaly. Olona an’aliny, mbola tsy nanana Baiboly mihitsy, no faly satria nahazo. Ary ny hafa nankasitraka, satria nanana
Baiboly nampiasa teny azony tsara. Nambaran’ny filazam-baovao tany Brezila rehefa navoaka Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao—Fanaovana Fikarohana, fa io no dikan-teny feno indrindra tany Brezila (izany hoe dikan-teny misy fanondroana andinin-teny hafa sy fanamarihana ambany pejy betsaka kokoa). Voamarika koa fa avo folo heny ny isan’ny natao pirinty voalohany, raha oharina amin’ny ankamaroan’ny fanontana hafa tao amin’ilay tany.Navoaka tamin’ny 1963 koa ny fanontana tamin’ny teny espaniola Ny Soratra Grika Kristianina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao, ary tamin’ny 1967 ny Baiboly manontolo. Nisy 527 451 ny Soratra Grika Kristianina natonta, ary 17 445 782 ny Baiboly manontolo tamin’ny teny espaniola hatreo amin’ny 1992. Nanjary nitombo be àry ny isan’ny mpidera an’i Jehovah, tany amin’ny tany miteny espaniola. Koa lasa 942 551 àry ny mpitory Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny 1992, nefa 82 106 monja tamin’ny 1963, tany amin’ireo tany miteny espaniola. Mbola nisy Vavolombelon’i Jehovah hafa 130 224 niteny espaniola teto Etazonia, tamin’ny 1992.
Tsy ireo tany anjakan’ny Kristianisma Anarana ihany no nandray tsara ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. Naharay fanafarana Baiboly antsasa-tapitrisa ny sampan’i Japon, tao anatin’ny taona voalohany nanontana azy io tamin’ny teny japoney.
Tamin’ny 1992, dia nisy 70 105 258 ny Baiboly manontolo Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao vita pirinty, tamin’ny fiteny 12. Nisy 8 819 080 koa ny ampahany amin’ny Baiboly natao pirinty.
Natao tamin’ny endriny maro ny Baiboly
Nanomboka tamin’ny 1977 ny Fikambanana no nampiasa ordinatera hanaovana Baiboly, satria ahafahana manonta boky ny ordinatera. Nanampy ny mpandika teny tsy hanova ny fandikana teny mitovy izy io, ary nanamora kokoa ny fanaovana pirinty Baiboly tamin’ny endriny maro.
Nampidirina tao anaty ordinatera aloha ny soratra rehetra amin’ny Baiboly. Tsy sarotra avy eo ny nampiasa ny programan’ordinatera mandrindra ny fisehon’ny soratra, mba hanaovana pirinty azy tamin’ny habe sy endriny samihafa. Natonta tamin’ny 1981, tamin’ny habe mahazatra, ny Baiboly anglisy misy fizahan-teny sy fanazavana fanampiny hafa mahasoa. Io no fanontana voalohany nataon’ny Fikambanana pirinty tamin’ny milina offset ampiasana horonan-taratasy. Navoaka tamin’ny 1984 ny fanontana tamin’ny sora-baventy anglisy, rehefa avy nampidirina tao amin’ny soratra voatahiry tao anaty ordinatera ny fanitsiana nentin’ny fanavaozana. Azo anaovana fikarohana io fanontana io. Natonta tamin’ny teny anglisy, tamin’ny habe mahazatra izy io, ary navoaka tamin’io taona io ihany. Nisy fanondroana andinin-teny hafa sy fizahan-teny izy io, fa tsy nisy fanamarihana ambany pejy kosa. Ary natao hampiasaina eny amin’ny fanompoana ny fanazavana fanampiny tao anatiny, fa tsy hanaovana fianarana lalina. Natonta tamin’ny teny anglisy, tamin’ny 1987, koa ny Baiboly fanao am-paosy, ho an’izay nila izany. Tsy ela dia natonta tamin’ny fiteny hafa koa ireo rehetra ireo.
Noeritreretina koa izay hanampiana an’ireo nila zavatra manokana: Natonta tamin’ny 1985 ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao (boky lehibe efatra), mba hanampiana an’ireo olona nahita saingy nila sora-baventy. Tsy ela
dia vita pirinty tamin’ny teny alemà, espaniola, frantsay, ary japoney koa izy io. Navoaka tamin’ny Braille anglisy Ny Soratra Grika Kristianina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao (boky efatra), tamin’ny 1983. Navoaka tamin’ny endriky ny boky 18 tamin’ny Braille ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao, tao anatin’ny dimy taona nanaraka.Mety hanampy ve ny fihainoana kasetin’ny Baiboly? Izany mihitsy. Namoaka kasety koa àry ny Fikambanana. Ny Vaovao Tsara Araka An’i Jaona (anglisy) no voalohany navoaka tamin’ny 1978. Kasety 75, tatỳ aoriana, no nandraisam-peo ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao (anglisy). Vetivety dia lasa tetikasa lehibe ilay izy. Vetivety koa dia natao tamin’ny fiteny hafa izany. Nisy tamin’ny fiteny 14 ny kasetin’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao, manontolo na ampahany, tamin’ny 1992. Orinasa ara-barotra aloha no nampanaovin’ny sampana sasany an’io asa io, fa ny Fikambanana kosa no nanao izany tamin’ny fitaovany manokana, nanomboka tamin’ny 1992, ka 31 000 000 ny kasety vita.
Tena tsy nampoizina ny vokatry ny kasetin’ny Baiboly sy ny nampiasana azy ireny. Nampiasa fandefasana kasety ny olona eran-tany, ka kasety no nanampiana olona maro tsy nahay namaky teny, mba handray soa avy tamin’ny Tenin’Andriamanitra. Afaka nihaino kasety ny vehivavy sady nanao raharaha tao an-tokantrano. Nihaino kasety tao anaty aotomobiliny koa ny lehilahy mpiasa. Nanjary nihanahay nampianatra ny Vavolombelona rehefa nihaino tsy tapaka ny Tenin’Andriamanitra ary nahafantatra ny fanononana ny anarana ao amin’ny Baiboly sy ny fomba namakiana andalan-tenin’ny Soratra Masina.
Fanontana maro tamin’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao no nataon’ny Fikambanana pirinty tany Amerika Avaratra sy Atsimo, Azia ary Eoropa, tamin’ny 1992. Nisy 78 924 338 ny tontalin’ny navoaka mba hozaraina. Teto Brooklyn fotsiny, dia milina offset telo goavana sady haingam-piasa no natokana hanaovana Baiboly. Afaka manao Baiboly 7 900 isan’ora izy telo miaraka, ary nisy fotoana aza voatery nalefa ankoatra ny ora fiasana mahazatra izy ireo.
Tsy Baiboly, izay mety hapetraky ny tompony fotsiny eo amin’ny talantalana, anefa no atolotry ny Vavolombelon’i Jehovah ny olona. Manasa ny olona liana koa izy ireo mba hianatra Baiboly maimaim-poana any an-tokantrano (na avy tamin’izy ireo no nahazoan’ilay olona Baiboly na tsia). Misy fetrany ihany izany fampianarana Baiboly izany. Tena tia an’izay ianarany ny mpianatra sasany, ka tonga Vavolombelona vita batisa, ary mampianatra ny hafa koa. Ajanona kosa ilay fampianarana rehefa tsy mampihatra izay ianarany ilay mpianatra, aorian’ny volana vitsivitsy. Izay tena liana no ampianarina. Olona na fianakaviana 4 278 127 no nampianarin’ny Vavolombelon’i Jehovah maimaim-poana isan-kerinandro, hatreo amin’ny 1992.
Tsy misy mahatoraka ny Vavolombelon’i Jehovah mihitsy àry raha ny fanontana Baiboly sy ny fizarana ary ny fampianarana azy io no resahina.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Asehon’ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) 15 Jolay 1892 (p. 210) fa efa an-taonany maro no nampiasaina ny anarana hoe Watch Tower Bible and Tract Society vao nosoratana ara-dalàna ilay anarana. Voalazan’ny trakta anisan’ny Teolojia Taloha, navoaka tamin’ny 1890, fa ny Tower Bible and Tract Society no nanonta azy.
b Ny Fikambanana Watch Tower Bible and Tract Society no notendrena hanao an’io fandikan-teny io mba hanontana azy io, ary nangatahina mba tsy havoaka ny anaran’ireo mpandika teny. I Jehovah Andriamanitra, Tompon’ny Teny masina, no tian’izy ireo hahazo ny voninahitra rehetra.
c Nisy fandikan-teny tany aloha kokoa namerina ny anaran’Andriamanitra tamin’ny toerany tao amin’ny Soratra Grika Kristianina, toy ny nataon’ny dikan-teny maro nataona misionera.
[Efajoro, pejy 609]
Fandikan-teny Vaovao
Rehefa natonta ny boky voalohany tamin’ny “Soratra Hebreo—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao”, dia izao no nosoratan’i Alexander Thomson, Anglisy mpanao tsikera momba ny Baiboly: ‘Tena vitsy ny fandikana voalohany ny Soratra Hebreo ho amin’ny teny anglisy. Tena faly àry isika nandray an’ilay ampahany voalohany amin’ny [Soratra Hebreo] Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao (Genesisy hatramin’ny Rota). ... Tena niezahana tokoa mba ho mora vakina io dikan-teny io. Tsy misy afaka milaza hoe tsy vaovao izy io, na hoe mitovy amin’ny hafa. Tsy mifototra amin’ny dikan-teny teo alohany ny teny ampiasaina ao.’—“The Differentiator”, Jona 1954, p. 131.
[Efajoro/Sary, pejy 610]
“Dikan-teny Ara-bakiteny”
Nandinika “Ny Soratra Grika—Fandikan-teny Isan’andalan’ilay Fanjakana” i Thomas Winter, ka izao no nosoratany tao amin’ny “Gazety Klasika” (anglisy): “Tsy dikan-teny isan’andalana toy ny mahazatra izy io: Tsy niova ny hevitry ny teny, ary ny anglisy eo ambany dia manome ny hevitra fototry ny teny grika fotsiny. Koa tsy fandikan-teny mihitsy àry ny soratra isan’andalana ao amin’izy io. Azo lazaina hoe dikan-teny ara-bakiteny izy io. Eo amin’ny tsanganana eo amin’ny sisiny ankavanana amin’ny pejy no misy ny fandikan-teny amin’ny teny anglisy misosa tsara. ...”
“Ny soratra nataon’i Brooke F. Westcott sy Fenton J. Hort (1881) no soratra niaingana, fa tena araka ny toetrandro sy marina tsara kosa ilay fandikan-teny nataon’ny komity tsy nitonona anarana.”—Aprily-Mey 1974, p. 375-376.
[Sary]
Fanontana tamin’ny 1969 sy 1985
[Efajoro/Sary, pejy 611]
Hevitry ny Manam-pahaizana Iray
Izao no nolazain’ny Profesora Benjamin Kedar, manam-pahaizana any Israely momba ny teny hebreo, tamin’ny 1989, momba ny “Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao”: ‘Mpanao fikarohana momba ny fiteny misy ifandraisana amin’ny Baiboly hebreo sy ny dikan-teny aho, ka matetika no mandinika an’ilay Baiboly anglisy fantatra amin’ny hoe “Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao.” Koa matetika aho no miaiky fa niezahana mafy tokoa ny hahazoana ny hevitry ny soratra ao amin’io Baiboly io, mba ho marina tsara araka izay azo atao. Tena hita ao fa hain’ireo [mpandika teny] ny hevitry ny teny tany am-boalohany, ka nadikany tamin’ny fomba mora azo ho amin’ny fiteny hafa, nefa tsy nivaona tamin’ny rafitry ny fehezanteny hebreo. ... Azo hazavaina na adika malalaka avokoa ny fitenenana rehetra. Koa azo iadian-kevitra àry ny vahaolana entin’ny fiteny. Tsy nahatsapa mihitsy anefa aho, rehefa namaky ny “Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao”, hoe misy zavatra niniana nampidirina tao nefa tsy tokony ho ao.’
[Tabilao, pejy 613]
(Jereo ny boky)
Fitomboan’ny Vavolombelona Taorian’ny Namoahana ny “Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao”
Frantsa
150 000
100 000
50 000
1963 1970 1980 1992
Italia
150 000
100 000
50 000
1963 1970 1980 1992
Portogaly sy Brezila
300 000
200 000
100 000
1963 1970 1980 1992
Tany Miteny Espaniola
900 000
600 000
300 000
1963 1970 1980 1992
[Sary, pejy 604]
Fandikan-teny Nampiasain’ny Mpianatra ny Baiboly Tamin’ny Voalohany
Fandikan-teny ara-bakiteny nataon’i Young
Fandikan-tenin’i Leeser (anglisy eo anilan’ny hebreo)
“Testamenta Vaovao” nataon’i Tischendorf (misy dikan-teny avy tamin’ny sora-tanana grika)
Fandikan-tenin’i Murdock (avy tamin’ny teny siriàka)
Ny “The Emphatic Diaglott” (grika ho amin’ny anglisy)
Ny Baiboly Variorum (misy dikan-teny samihafa eo ambany pejy)
“Ny Baibolin’i Newberry” (misy fanamarihana eny an-tsisim-pejy)
[Sary, pejy 605]
Teny fampidirana ao amin’ny “Testamenta Vaovao” nataon’i Rotherham, natao pirinty ho an’ny Fikambanana (t. 1890)
[Sary, pejy 606]
Baiboly Misy Fanazavana Mifanandrify nataon’i Holman, fanontana nampanaovin’ny Fikambanana (1902)
[Sary, pejy 606]
“Dikan-tenin’ny Mpanjaka Jacques”, fanontana nataon’ny Fikambanana, misy fizahan-teny hafakely (1942)
[Sary, pejy 607]
“Dikan-teny Amerikanina Mahazatra”, mampiasa ny anaran’Andriamanitra hoe Jehovah, im-6 870 mahery; fanontana nataon’ny Fikambanana (1944)
[Sary, pejy 607]
Fandikan-tenin’i Byington (1972)
[Sary, pejy 608]
“Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao”, navoaka voalohany tamin’ny teny anglisy (boky enina) (1950-1960). Natambatra ho fanontana iray ho an’ny mpianatra tatỳ aoriana
Natonta ho boky iray tamin’ny 1961
Fanontana amin’ny sora-baventy, fanaovana fikarohana (1984)
[Sary, pejy 612]
Natao tamin’ny fiteny hafa ny “Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao”
[Sary, pejy 614]
“Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao” amin’ny sora-baventy sy amin’ny...
Braille
kasety
diskety