Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO FAHATELO

Fanalahidy Roa ho An’ny Fanambadiana Maharitra

Fanalahidy Roa ho An’ny Fanambadiana Maharitra

1, 2. a) Natao haharitra hafiriana moa ny fanambadiana? b) Ahoana no hetezan’izany?

FONY Andriamanitra nampiray ny lehilahy sy ny vehivavy voalohany tao amin’ny fanambadiana, dia tsy nisy fanondroana hoe hihelina fotsiny ilay fifandraisana. Natao hiaraka mandritra ny androm-piainany rehetra i Adama sy i Eva. (Genesisy 2:24). Ny fari-pitsipik’Andriamanitra ny amin’ny fanambadiana mendri-kaja dia ny fampiraisana lehilahy iray sy vehivavy iray. Ny fahalotoam-pitondran-tena lehibe eo amin’ny lahy sy ny vavy, ataon’ny vady iray na izy roa, ihany no manome fototra araka ny Soratra Masina ho amin’ny fisaraham-panambadiana misy fahafahana hanambady indray. — Matio 5:32.

2 Hety ve ny hiarahan’ny olona roa hipetraka amim-pahasambarana mandritra ny fotoana lava tsy voafetra? Eny, ary ny Baiboly dia mampahafantatra anton-javatra, na fanalahidy, tena lehibe roa, izay manampy mba hetezan’izany. Raha samy mampiasa azy ireo ilay lehilahy sy ny vadiny, dia hanokatra ny varavarana mitondra ho amin’ny fahasambarana sy ny fitahiana maro izy ireo. Inona avy izany fanalahidy izany?

NY FANALAHIDY VOALOHANY

3. Karazam-pitiavana telo inona avy no tokony hambolen’ny mpivady?

3 Ny fanalahidy voalohany dia ny fitiavana. Mahaliana fa misy karazam-pitiavana samy hafa ampahafantarina ao amin’ny Baiboly. Ny iray dia firaiketam-po mafana sy manokana ho an’ny olona iray, dia ilay karazam-pitiavana misy eo amin’ny mpinamana akaiky. (Jaona 11:3). Ny iray hafa dia ny fitiavana mitombo eo amin’ny mpianakavy. (Romana 12:10). Ny fahatelo dia ilay fitiavana tsapan’ny olona iray amin’ny tsy lahy na tsy vavy tahaka azy. (Ohabolana 5:15-20). Mazava ho azy, fa izy rehetra ireo dia tokony hambolen’ny lehilahy sy ny vehivavy manambady. Misy karazam-pitiavana fahefatra anefa, izay lehibe kokoa noho ireo hafa ireo.

4. Inona no karazam-pitiavana fahefatra?

4 Amin’ny fiteny tany am-boalohany nanoratana ny Soratra Grika Kristiana, ny teny ilazana an’io karazam-pitiavana fahefatra io dia ny hoe a·gaʹpe. Io teny io dia ampiasaina ao amin’ny 1 Jaona 4:8, izay ilazana amintsika hoe: “Andriamanitra dia fitiavana.” Eny tokoa, “isika tia, satria [Andriamanitra] efa tia antsika taloha”. (1 Jaona 4:19). Ny Kristiana iray dia mamboly fitiavana toy izany an’i Jehovah Andriamanitra aloha, ary avy eo dia ny mpiara-belona aminy. (Marka 12:29-31). Ny teny hoe a·gaʹpe dia ampiasaina koa ao amin’ny Efesiana 5:2, izay manambara hoe: “Mandehana amin’ny fitiavana, toy ny nitiavan’i Kristy anareo, dia ny nanolorany ny tenany [ho anareo, NW ]”. Nolazain’i Jesosy toy izao fa io karazam-pitiavana io no hahafantarana ireo mpanara-dia azy marina: “Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro hianareo, raha mifankatia [a·gaʹpe].” (Jaona 13:35). Mariho koa ny fampiasana ny hoe a·gaʹpe ao amin’ny 1 Korintiana 13:13, manao hoe: “Ireto telo ireto no mitoetra: ny finoana, ny fanantenana, ny fitiavana; fa ny fitiavana [a·gaʹpe] no lehibe amin’ireo.”

5, 6. a) Nahoana ny fitiavana no lehibe kokoa noho ny finoana sy ny fanantenana? b) Inona avy no antony sasany hahafahan’ny fitiavana hanampy mba hahatonga ny fanambadiana haharitra?

5 Inona no mahatonga an’io fitiavana a·gaʹpe io ho lehibe kokoa noho ny finoana sy ny fanantenana? Fehezin’ny fotopoto-pitsipika — fotopoto-pitsipika marina — hita ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, izy io. (Salamo 119:105). Izy io dia fiahiana tsy amim-pitiavan-tena ny hanao amin’ny hafa izay marina sy tsara araka ny fomba fijerin’Andriamanitra, na toa mendrika izany ilay iantefany na tsia. Ny fitiavana toy izany dia mahatonga ny mpivady hanaraka ilay torohevitry ny Baiboly hoe: “Mifandefera, ka mifamelà heloka hianareo, raha misy manana alahelo amin’ny sasany; tahaka ny namelan’ny Tompo ny helokareo no aoka mba hamelanareo heloka kosa.” (Kolosiana 3:13). Ny mpivady be fitiavana dia manana sady mamboly “fifankatiavana [a·gaʹpe] lalina, satria ny fitiavana manarona fahotana maro.” (1 Petera 4:8, NW ). Mariho fa manarona fahadisoana ny fitiavana. Tsy manafoana azy ireo izy, satria tsy misy olombelona tsy tanteraka afaka amin’ny heloka. — Salamo 130:3, 4; Jakoba 3:2.

6 Rehefa ambolen’ny mpivady ny fitiavana toy izany an’Andriamanitra sy eo amin’izy samy izy, dia haharitra sady ho sambatra ny fanambadian’izy ireo, satria “ny fitiavana tsy ho levona mandrakizay”. (1 Korintiana 13:8). Ny fitiavana dia “fehy fampiraisana tonga lafatra”. (Kolosiana 3:14, NW ). Raha manambady ianao, ahoana no ahafahanao sy ny vadinao mamboly io karazam-pitiavana io? Miaraha mamaky ny Tenin’Andriamanitra, ary miresaha momba azy io. Ianaro ny oha-pitiavan’i Jesosy ary miezaha hanahaka azy sy hisaina ary hanao zavatra tahaka azy. Ambonin’izany, dia manatreha fivoriana kristiana, izay ampianarana ny Tenin’Andriamanitra. Ary mangataha amim-bavaka ny fanampian’Andriamanitra mba hahafahana hamboly io karazam-pitiavana ambony io, izay vokatra irain’ny fanahy masin’Andriamanitra. — Ohabolana 3:5, 6; Jaona 17:3; Galatiana 5:22; Hebreo 10:24, 25.

NY FANALAHIDY FAHAROA

7. Inona no atao hoe fanajana, ary iza avy no tokony hampiseho fanajana ao amin’ny fanambadiana?

7 Raha tena mifankatia tokoa ny mpivady, dia hifanaja koa izy ireo, ary ny fanajana no fanalahidy faharoan’ny fanambadiana sambatra. Ny fanajana dia faritana ho “fanehoana fiheverana ny hafa, fanomezam-boninahitra azy ireo”. Manoro hevitra ny Kristiana rehetra, anisan’izany ny lehilahy sy ny vehivavy manambady, toy izao ny Tenin’Andriamanitra: “Mitariha làlana amin’ny fifanomezam-boninahitra.” (Romana 12:10). Hoy ny nosoratan’ny apostoly Petera: “Ianareo lehilahy, manohiza miara-mitoetra [amin’ny vadinareo] toy izany araka ny fahalalana, amin’ny fanomezana azy voninahitra toy ny ho an’ny fanaka malemy kokoa, dia ny fanaka vehivavy”. (1 Petera 3:7, NW ). Ny vehivavy dia toroana hevitra mba “hanana fanajana lalina ny vadiny”. (Efesiana 5:33, NW ). Raha ta hanome voninahitra olona iray ianao, dia ho tsara fanahy amin’izany olona izany, hanaja ny fahamendrehany sy ny fomba fiheviny izay nolazainy, ary ho vonona ny hanatanteraka izay fangatahana tsy tafahoatra rehetra ataony aminao.

8-10. Inona avy no fomba sasany ahafahan’ny fanajana manampy mba hahatonga ny fanambadiana hiorina tsara sy ho sambatra?

8 Ireo izay maniry hanana fanambadiana sambatra dia mampiseho fanajana ny vadiny, rehefa “samy [tsy] mihevitra ny azy ihany, fa samy ny an’ny [vadiny] koa”. (Filipiana 2:4). Tsy mihevitra izay tsara ho an’ny tenany fotsiny izy ireo — zavatra izay ho fanehoam-pitiavan-tena. Mihevitra kosa izay tsara indrindra ho an’ny vadiny koa izy ireo. Eny tokoa, izany no omeny ny toerana voalohany.

9 Ny fanajana dia hanampy ny mpivady hanaiky ny fisian’ny tsy fitoviana eo amin’ny fomba fihevitra. Tsy fahalalana ny antonona ny fanampoizana ny hananan’ny olona roa fomba fihevitra mitovy momba ny zava-drehetra. Izay mety ho zava-dehibe ho an’ny lehilahy iray dia mety tsy ho zava-dehibe toy izany ho an’ny vadiny, ary izay tian’ny vehivavy iray dia mety tsy ho tian’ny vadiny. Ny tsirairay anefa dia tokony hanaja ny fomba fihevitra sy ny safidin’ny ankilany, raha mbola tsy mihoatra ireo lalàna sy fotopoto-pitsipik’i Jehovah koa izany. (1 Petera 2:16; ampitahao amin’ny Filemona 14.) Ankoatra izany, ny tsirairay dia tokony hanaja ny fahamendrehan’ny ankilany, amin’ny tsy fanaovana teny na vazivazy manebaka azy, na ampahibemaso izany na mitokana.

10 Eny, ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny ankilany ary ny fifanajana no fanalahidy roa tena lehibe ho an’ny fanambadiana vanona. Ahoana no ahafahana mampihatra azy ireo eo amin’ny sasany amin’ireo lafiny lehibe indrindra amin’ny fiainan’ny mpivady?

FAHEFAN’NY LOHAM-PIANAKAVIANA TOY NY AN’I KRISTY

11. Araka ny Soratra Masina, iza moa no loha ao amin’ny fanambadiana?

11 Milaza amintsika ny Baiboly fa ny lehilahy dia noforonina mba hanana toetra izay hahatonga azy ho loham-pianakaviana mahomby. Amin’ny maha-izany azy, ny lehilahy dia ho tompon’andraikitra eo anatrehan’i Jehovah ny amin’izay hahasoa ny vady aman-janany eo amin’ny ara-panahy sy ara-batana. Ho voatery handray fanapahan-kevitra voalanjalanja izay hanome taratry ny sitrapon’i Jehovah izy ary ho ohatra tsara raha ny amin’ny fitondran-tena araka an’Andriamanitra. “Hianareo vehivavy, maneke ny vadinareo tahaka ny anekena ny Tompo. Fa ny lahy no lohan’ny vavy, dia tahaka an’i Kristy koa no Lohan’ny [kongregasiona, NW ]”. (Efesiana 5:22, 23). Kanefa milaza ny Baiboly fa ny lehilahy manambady koa dia manana loha, Izay manana fahefana eo aminy. Hoy ny nosoratan’ny apostoly Paoly: “Tiako ho fantatrareo fa Kristy no lohan’ny lehilahy rehetra; ary ny lehilahy kosa no lohan’ny vehivavy; ary Andriamanitra no lohan’i Kristy.” (1 Korintiana 11:3). Ny lehilahy hendry dia mianatra ny fomba fampiharana ny fahefan’ny loham-pianakaviana amin’ny fanahafana ilay lohany, dia i Kristy Jesosy.

12. Ohatra tsara dia tsara inona no navelan’i Jesosy, teo amin’ny fampisehoana fanekena ny hofehezina, sy teo amin’ny fampiharana ny fahefany tamin’ny naha-lohany azy?

12 I Jesosy koa dia manana loha, dia i Jehovah, ary manaiky hofeheziny araka ny tokony ho izy, izy. Hoy i Jesosy: “Tsy mitady ny sitrapoko Aho, fa ny sitrapon’Izay naniraka Ahy.” (Jaona 5:30). Ohatra faran’izay tsara re izany! I Jesosy no “Lahimatoa talohan’izao zavatra ary rehetra izao”. (Kolosiana 1:15). Tonga ny Mesia izy. Natao ho Lohan’ny kongregasionan’ireo Kristiana voahosotra, sady Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra voafidy, ambonin’ny anjely rehetra, izy. (Filipiana 2:9-11; Hebreo 1:4). Na dia teo aza izany toerana manerinerina sy fanantenana ambony izany, i Jesosy, fony lehilahy olombelona, dia tsy nasiaka, na hoe tsy nandefitra, na nitaky be loatra. Tsy mpanao jadona izy, ka hoe nampahatsiahy tsy an-kijanona an’ireo mpianany hoe tsy maintsy nankato azy izy ireo. Be fitiavana sy fangoraham-po i Jesosy, indrindra fa tamin’ireo voahosihosy. Hoy izy: “Mankanesa atỳ amiko, hianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana. Ento ny ziogako, ka mianara amiko; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho; dia hahita fitsaharana ho an’ny fanahinareo hianareo. Fa mora ny ziogako, ary maivana ny entako.” (Matio 11:28-30). Tena fahafinaretana ny fiarahana taminy.

13, 14. Amin’ny fomba ahoana no hampiharan’ny lehilahy be fitiavana ny fahefany amin’ny maha-loham-pianakaviana azy, ho fanahafana an’i Jesosy?

13 Ny lehilahy maniry fiainam-pianakaviana sambatra dia maneho fahendrena raha mihevitra ireo lafin-toetra tsara dia tsaran’i Jesosy. Ny lehilahy tsara dia tsy masiaka na manao didy jadona, ka hoe hampiasa amin’ny fomba tsy mety ny maha-loham-pianakaviana azy ho fampitahorana ny vadiny. Tia sy manome voninahitra azy kosa izy. Raha ‘tsy niavona am-po’ i Jesosy, dia vao mainka manana antony mba ho toy izany ny lehilahy manambady, satria, tsy tahaka an’i Jesosy izy fa manao fahadisoana. Rehefa manao fahadisoana izy, dia maniry ny hahazoan’ny vadiny ny fiheviny. Noho izany, ny lehilahy manetry tena dia miaiky ny fahadisoany, na dia mety ho sarotra aza ny hilaza hoe: “Miala tsiny aho; marina ny anao.” Ho hitan’ny vehivavy ho mora lavitra ny manaja ny maha-loham-pianakaviana ny vadiny, raha mihevi-tena araka ny antonona sy manetry tena io, fa tsy miavonavona sy mafy loha. Ny vehivavy manaja indray kosa dia miala tsiny amin’ny vadiny koa, rehefa manao diso.

14 Andriamanitra dia namorona ny vehivavy mba hanana toetra tsara dia tsara izay azony ampiasaina mba ho anisan’ny hiteraka fanambadiana sambatra ny tenany. Hanaiky izany ny vadiny hendry ka tsy hisakana azy tsy hivoatra. Vehivavy maro no mirona hanana fangorahana sy fiaraha-miory lehibe kokoa, dia toetra ilaina mba hikarakarana fianakaviana sy hanolokoloana fifandraisana amin’olon-kafa. Mazàna ny vehivavy dia tena kinga manao ny tokantrano ho toeram-ponenana mahafinaritra. Ilay “vehivavy mahay” voalazalaza ao amin’ny Ohabolana toko faha-31, dia nanana toetra nahatalanjona sy talenta faran’izay tsara maro, ary nandray soa feno avy tamin’izy ireny ny fianakaviany. Nahoana? Satria ‘natoky azy’ ny fon’ny vadiny. — Ohabolana 31:10, 11, fanamarihana ambany pejy.

15. Ahoana no ahafahan’ny lehilahy mampiseho fitiavana sy fanajana toy ny an’i Kristy, amin’ny vadiny?

15 Any amin’ny kolontsaina sasany, dia antitranterina amin’ny fomba tafahoatra ny fahefan’ny lehilahy manambady, hany ka na dia ny fametrahana fanontaniana aminy aza dia heverina ho tsy fanajana. Mety hitondra ny vadiny saika toy ny mpanompo mihitsy izy. Ny fampiharana amin’ny fomba tsy mety toy izany ny fahefany amin’ny maha-loham-pianakaviana azy dia mitarika ho amin’ny fifandraisana ratsy, tsy amin’ny vadiny ihany, fa amin’Andriamanitra koa. (Ampitahao amin’ny 1 Jaona 4:20, 21.) Etsy an-danin’izany kosa, ny lehilahy sasany dia manao tsirambina ny fandraisana ny fitarihana, ka mamela ny vadiny hifehy ny ankohonana. Ny lehilahy manaiky hofehezin’i Kristy araka ny tokony ho izy dia tsy manambàka ny vadiny na manesotra aminy ny fahamendrehany. Manahaka ny fitiavana feno fahafoizan-tenan’i Jesosy kosa izy ary manao ilay anoroan’i Paoly hevitra hoe: “Hianareo lehilahy, tiava ny vadinareo, dia tahaka ny nitiavan’i Kristy ny [kongregasiona, NW ] ka nanolorany ny tenany hamonjy azy”. (Efesiana 5:25). Tia an’ireo mpanara-dia azy aoka izany i Kristy Jesosy, hany ka maty ho azy ireo izy. Ny lehilahy tsara iray dia hiezaka hanahaka izany fihetsika tsy tia tena izany, ka hitady ny hahasoa ny vadiny, fa tsy hitaky be loatra aminy kosa. Rehefa manaiky hofehezin’i Kristy ny lehilahy iray, ka maneho fitiavana sy fanajana toy ny an’i Kristy, dia ho voatosika hanaiky hofeheziny ny vadiny. — Efesiana 5:28, 29, 33.

NY FANEKEN’NY VEHIVAVY MANAMBADY

16. Toetra inona avy no tokony hasehon’ny vehivavy eo amin’ny fifandraisany amin’ny vadiny?

16 Fotoana kelikely taorian’ny namoronany an’i Adama, i “Jehovah Andriamanitra [dia] nanao hoe: Tsy tsara raha irery ralehilahy; [handeha aho hanao mpanampy iray ho azy, ho famenony, NW ].” (Genesisy 2:18). Andriamanitra dia namorona an’i Eva mba ho ‘fameno’, fa tsy ho mpifaninana akory. Ny fanambadiana dia tsy natao ho toy ny sambo iray misy kapiteny roa mifaninana. Ilay lehilahy dia natao hampihatra ny fahefan’ny loham-pianakaviana amim-pitiavana, ary ilay vehivavy dia natao haneho fitiavana sy fanajana ary fanekena an-tsitrapo.

17, 18. Inona avy no fomba sasany ahafahan’ny vehivavy ho tena mpanampy ho an’ny vadiny?

17 Kanefa, ny vehivavy tsara dia tsy vitan’ny hoe manaiky fotsiny. Miezaka ny ho tena mpanampy izy, ka hanohana ny vadiny amin’ireo fanapahan-kevitra raisiny. Mazava ho azy fa mora kokoa aminy izany, rehefa manaiky ireo fanapahan-keviny izy. Na dia tsy manaiky aza anefa izy, ny fanohanany an-tsitrapo dia afaka manampy mba hahatonga ny fanapahan-kevitry ny vadiny hahomby kokoa.

18 Ny vehivavy dia afaka manampy ny vadiny ho loham-pianakaviana tsara, amin’ny fomba hafa koa. Afaka maneho fankasitrahana izy noho ireo ezaka ataon’ny vadiny mba handraisana ny fitarihana, fa tsy hanakiana azy na hanao izay hahatsapany fa tsy afaka manome fahafaham-po azy mihitsy izy. Amin’ny fifampiraharahana amin’ny vadiny amin’ny fomba manorina, ravehivavy dia tokony hitadidy fa ny ‘toe-tsaina tony sy malefaka dia misy vidiny eo imason’Andriamanitra’, fa tsy eo imason’ny vadiny fotsiny akory. (1 Petera 3:3, 4, NW; Kolosiana 3:12). Ahoana raha tsy mpino ralehilahy? Na mpino izy na tsia, ny Soratra Masina dia mampirisika ny vehivavy mba “ho tia ny vadiny, ho tia ny zanany, hahonon-tena, ho madio toe-panahy, hiasa ao an-tranony, ho tsara fanahy, hanaiky ny vadiny, mba tsy hitenenana ratsy ny tenin’Andriamanitra”. (Titosy 2:4, 5). Raha mipoitra ny raharaha mahakasika ny feon’ny fieritreretana, ny lehilahy tsy mpino dia ho azo inoana kokoa fa hanaja ny toerana tanan’ny vadiny raha aseho aminy amin’ny “fahalemem-panahy sy ny fanajana [lalina, NW ]” ilay izy. Ny lehilahy tsy mpino sasany dia “voataonan’ny fitondrantenan’ny vavy (...), rehefa hitany ny fahadiovan’ny [fitondran-tenany] amin’ny [fanajana lalina, NW ]”. — 1 Petera 3:1, 2, 15; 1 Korintiana 7:13-16.

19. Ahoana raha mangataka ny vadiny handika ny lalàn’Andriamanitra ny lehilahy iray?

19 Ahoana raha mangataka ny vadiny hanao zavatra andraran’Andriamanitra ny lehilahy iray? Raha mitranga izany, dia tsy maintsy tadidin-dravehivavy fa Andriamanitra no Mpanapaka tampony eo aminy. Alainy ho ohatra izay nataon’ireo apostoly, fony ireo nangatahin’ny manam-pahefana handika ny lalàn’Andriamanitra. Hoy ny tantarain’ny Asan’ny Apostoly 5:29: “Petera sy ny Apostoly (...) nanao hoe: Andriamanitra no tokony hekena [ho mpanapaka, NW ] mihoatra noho ny olona.”

FIFAMPIRESAHANA TSARA

20. Amin’ny lafiny lehibe dia lehibe inona no tena ilaina ny fitiavana sy ny fanajana?

20 Ny fitiavana sy ny fanajana dia tena ilaina eo amin’ny lafiny iray hafa amin’ny fanambadiana — ny fifampiresahana. Ny lehilahy be fitiavana dia hifampiresaka amin’ny vadiny momba ireo zavatra nataon’izy io, ny zava-manahirana azy io, ny fomba fihevitr’izy io momba ny raharaha maro samihafa. Mila izany izy. Ny lehilahy izay maka ny fotoana hiresahana amin’ny vadiny, ka tena mihaino tokoa izay lazainy, dia mampiseho ny fitiavany sy ny fanajany azy. (Jakoba 1:19). Mitaraina ny vehivavy sasany hoe tsy mandany fotoana firy hifampiresahana aminy ny vadiny. Mampalahelo izany. Marina fa amin’izao fotoana feno zavatra hatao izao, dia mety hiasa ela be any ivelan’ny tokantrano ny lehilahy, ary ny toe-javatra ara-bola dia mety hitarika ho amin’ny hiasan’ny vehivavy sasany koa. Ny mpivady anefa dia mila ny mifanokana fotoana. Raha tsy izany, dia mety hanjary tsy hifampiankina izy ireo. Mety hitarika ho amin’ny zava-manahirana lehibe izany, raha mahatsiaro ho voatery hitady namana mahay mangoraka any ivelan’ny fanambadiana izy ireo.

21. Amin’ny ahoana ny fomba fiteny araka ny tokony ho izy no hanampy hihazona ny fanambadiana ho sambatra?

21 Zava-dehibe ny fomba ifampiresahan’ny vehivavy sy ny lehilahy manambady. “Ny teny mahafinaritra [dia] sady mamin’ny fanahy no mahatsara ny taolana.” (Ohabolana 16:24). Na mpino ny vadinao na tsia, dia mihatra foana ilay torohevitry ny Baiboly hoe: “Aoka ny fiteninareo [hahafinaritra, NW ] mandrakariva, ho mamy sira”, izany hoe hampiseho fahaiza-mifidy zavatra. (Kolosiana 4:6). Rehefa avy nandia andro sarotra iray ny tena, ny teny vitsivitsy feno hatsaram-panahy sy fangorahana avy amin’ny vadin’ny tena dia afaka mitondra soa be dia be. “Ny teny atao [amin’ny fotoana mety ho amin’izany, NW ] dia poma volamena ao anaty vilia volafotsy tsara soratra.” (Ohabolana 25:11). Tena zava-dehibe ny toetran’ny feo sy ny teny fidina. Ohatra, azon’ny tena atao ny milaza amin’ny feo sorena sy mitaky, amin’ny ankilany hoe: “Akatòny io varavarana io!” “Mamy sira” lavitra anefa ny teny, lazaina amin’ny feo tony sy mampiseho fahazoana ny hevitry ny ankilany, manao hoe: “Azonao hidiana ve, aza fady, ny varavarana?”

22. Fihetsika inona avy no ilain’ny mpivady mba hihazonana fifampiresahana tsara?

22 Miroborobo ny fifampiresahana tsara rehefa misy teny lazaina moramora, fijery sy fihetsehana mahafinaritra, hatsaram-panahy, fahazoana ny fihevitry ny ankilany ary fanehoam-pitiavana. Amin’ny fiezahana mafy hihazona fifampiresahana tsara, ny lehilahy sy ny vadiny dia samy tsy hisalasala hampahafantatra ny zavatra ilainy ary afaka ny ho loharanom-pampiononana sy fanampiana ho an’ny ankilany, amin’ny fotoana isian’ny fahadisoam-panantenana na fihenjanana. “Miresaha amin’ny fomba mampionona amin’ireo fanahy ketraka”, hoy ny ampirisihan’ny Tenin’Andriamanitra. (1 Tesaloniana 5:14, NW ). Hisy fotoana izay haha-rera-po an-dralehilahy ary fotoana izay haha-rera-po an-dravehivavy. Afaka “miresaka amin’ny fomba mampionona” izy ireo, ka hifampahery. — Romana 15:2, NW.

23, 24. Amin’ny ahoana ny fitiavana sy ny fanajana no hanampy rehefa misy tsy fitovian-kevitra? Manomeza ohatra iray.

23 Ny mpivady maneho fitiavana sy fanajana dia tsy hahita ny tsy fitovian-kevitra tsirairay ho toy ny zava-tsarotra. Hiezaka mafy izy ireo mba tsy ‘hifampahatezitra mafy’. (Kolosiana 3:19, NW ). Samy tokony hitadidy izy ireo fa “ny famaliana mora dia mampianina ny fahatezerana mafy”. (Ohabolana 15:1). Mitandrema mba tsy hanao ho tsinontsinona na hanameloka ny vadinao izay mamboraka ny fihetseham-pony feno fahatsorana. Hevero kosa ho toy ny fahafahana hahazo fahatakarana tsara momba ny fomba fihevitry ny ankilany ny filazan-javatra toy izany. Miaraha manao ezaka mba handaminana ireo tsy fitovian-kevitra ka ataovy izay hahatongavana amin’ny fanatsoahan-kevitra hifanarahanareo.

24 Tsarovy ilay fotoana nanoroan’i Saraha an’i Abrahama vadiny, vahaolana iray tamin’ny zava-nanahirana iray, ka tsy nifanitsian’izany tamin’ny zavatra tsapan’ny vadiny. Kanefa hoy ny nolazain’Andriamanitra tamin’i Abrahama: “Ekeo ny teniny”. (Genesisy 21:9-12). Nanao izany i Abrahama, ary dia voatahy izy. Toy izany koa, raha manipy hevitra hafa noho izay ao an-tsain’ny vadiny ny vehivavy iray, dia tokony hihaino ny vadiny fara faharatsiny. Etsy an-danin’izany, ny vehivavy dia tsy tokony hibodo ny resaka ifanaovana, fa tokony hihaino izay lazain’ny vadiny kosa. (Ohabolana 25:24). Tsy fanehoam-pitiavana sy fanajana ny fanizingizinan’iza na iza amin’izy roa ny hanao izay tiany foana.

25. Amin’ny ahoana ny fifampiresahana tsara no ho anisan’ny hitarika ho amin’ny fahasambarana eo amin’ireo lafiny miafina amin’ny fiainan’ny mpivady?

25 Ny fifampiresahana tsara dia zava-dehibe koa eo amin’ny fifandraisan’ny mpivady eo amin’ny maha-lahy sy ny maha-vavy. Ny fitiavan-tena sy ny tsy fananana fifehezan-tena dia afaka ny tena hanimba io fifandraisana miafina indrindra amin’ny fanambadiana io. Tena ilaina ny fifampiresahana amim-pahatsorana, miaraka amin’ny faharetana. Rehefa mitady tsy amim-pitiavan-tena izay hahasoa ny ankilany ny tsirairay, dia mahalana vao ho zava-manahirana lehibe ny firaisana. Amin’io raharaha io sy ny hafa koa, dia “aoka tsy hisy olona hitady ny hahasoa ny tenany, fa ny hahasoa ny namany”. — 1 Korintiana 7:3-5; 10:24.

26. Na dia tantely amam-bahona aza ny fanambadiana tsirairay, amin’ny ahoana ny fihainoana ny Tenin’Andriamanitra no hanampy ny mpivady hahita fahasambarana?

26 Torohevitra tsara dia tsara toy inona moa no atolotry ny Tenin’Andriamanitra! Marina fa tantely amam-bahona ny fanambadiana tsirairay. Rehefa manaiky hofehezin’ny fisainan’i Jehovah, aharihary ao amin’ny Baiboly, anefa ireo mpivady, ka manorina ny fifandraisany amin’ny fitiavana miorina amin’ny fotopoto-pitsipika sy amin’ny fanajana, dia afaka matoky fa haharitra sy ho sambatra ny fanambadiany. Tsy hifanome voninahitra fotsiny izy ireo amin’izany, fa hanome voninahitra an’ilay Loharanon’ny fanambadiana, dia i Jehovah Andriamanitra, koa.