Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny “Testamenta Vaovao” — Tantara sa Angano?

Ny “Testamenta Vaovao” — Tantara sa Angano?

Toko Faha-5

Ny “Testamenta Vaovao” — Tantara sa Angano?

“Ny Testamenta Vaovao dia azo lazalazaina amin’izao andro izao ho ny boky nohadihadina tsara indrindra teo amin’ny haisoratra eto amin’izao tontolo izao.” Izany no nolazain’i Hans Küng tao amin’ny bokiny hoe “Ny hoe Fahatongavana ho Kristiana”. Ary marina ny azy. Nandritra ireo 300 taona lasa, dia nihoatra noho ny hoe nohadihadina fotsiny ny Soratra Grika Kristiana. Izy io dia nokirakiraina tamin’ny fomba feno ary notsikeraina tamin’ny an-tsipiriany kokoa noho ny haisoratra hafa rehetra.

1, 2. (Miaraka amin’ny teny fampidirana.) a) Inona no natao tamin’ny Soratra Grika Kristiana nandritra ireo 300 taona lasa? b) Tonga tamin’ny famaranan-kevitra hafahafa inona avy ny mpanadihady sasany?

HAFAHAFA ireo famaranan-kevitra hitan’ny mpanadihady sasany. Tany amin’ny taonjato faha-19 tany, i Ludwig Noack, tany Alemaina, dia nanatsoaka hevitra fa nosoratana tamin’ny 60 am.f.i. ny Filazantsaran’i Jaona ary nataon’ilay mpianatra malala — izay, araka ny hevitr’i Noack, dia i Jodasy! Ilay frantsay atao hoe Joseph Ernest Renan dia nanipy hevitra fa azo inoana fa fitaka namboamboarin’ny tenan’i Lazarosy ny fitsanganany tamin’ny maty, mba hanohanana ny fihamboan’i Jesosy ho mpanao fahagagana, ary tetsy an-danin’izany, ilay teolojiana alemanina atao hoe Gustav Volkmar dia nanizingizina fa ilay Jesosy tena nisy teo amin’ny tantara dia tsy afaka nisehoseho tamin’ny fihamboana ho Mesia.​1

2 I Bruno Bauer, tetsy an-kilany, dia nanapa-kevitra fa tsy nisy na oviana na oviana i Jesosy! “Nanizingizina izy fa ireo olona tena namorona ny Kristianisma tany am-boalohany dia i Philon sy i Sénèque ary ireo gnostiques. Tamin’ny farany, dia nanambara izy fa tsy nisy na oviana na oviana ny Jesosy iray teo amin’ny tantara (...) fa ny niandohan’ny fivavahana kristiana dia tany amin’ny faran’ny taonjato faharoa ary avy tamin’ny Jodaisma, izay ny Stoisisma no lasa nanapaka indrindra tao anatiny.”​2

3. Hevitra inona momba ny Baiboly no mbola ananan’ny olona maro?

3 Amin’izao andro izao, dia vitsy no manana hevitra tafahoatra toy izany. Raha mamaky ny asa soratr’ireo manam-pahaizana maoderina anefa ianao dia hahita fa maro no mbola mino fa mirakitra angano sy arira ary fanaovana laza masaka ny Soratra Grika Kristiana. Marina ve izany?

Oviana izy ireo no nosoratana?

4. a) Nahoana no zava-dehibe ny hahalalana ny fotoana nanoratana ireo boky ao amin’ny Soratra Grika Kristiana? b) Inona avy ireo hevitra sasany momba ny fotoana nanoratana ny Soratra Grika Kristiana?

4 Mila fotoana mba hitomboana ny angano sy arira. Koa zava-dehibe àry ilay fanontaniana hoe: Oviana ireo boky ireo no nosoratana? I Michael Grant, mpanoratra tantara, dia milaza fa ireo soratra ara-tantaran’ny Soratra Grika Kristiana dia natomboka “telopolo na efapolo taona taorian’ny nahafatesan’i Jesosy”.​4 I William Foxwell Albright, arkeology momba ny Baiboly, dia nanonona an’i C. C. Torrey izay nanatsoaka hevitra “fa ny Evanjily rehetra dia nosoratana talohan’ny 70 ar.J.K. ary tsy misy na inona na inona ao anatiny, izay tsy ho azo nosoratana tao anatin’ireo roapolo taona taorian’ny Fanomboana Tamin’ny Lakroa”. Ny hevitr’i Albright manokana dia hoe “fara fahelany dia tokony ho tamin’ny 80 ar.J.K.” no vita ny fanoratana azy ireo. Ny hafa dia manolotra tombantombana samy hafa kely, nefa ny ankamaroany dia manaiky fa ny fanoratana ny “Testamenta Vaovao” dia efa vita tamin’ny faran’ny taonjato voalohany.

5, 6. Inona no tokony ho famaranan-kevitsika avy amin’ny hoe nosoratana tsy ela loatra taorian’ireo fisehoan-javatra noraketiny an-tsoratra ny Soratra Grika Kristiana?

5 Inona no dikan’izany? Izao no famaranan-kevitr’i Albright: “Ny hany azontsika lazaina dia hoe ny fe-potoana eo amin’ny roapolo ka hatramin’ny dimampolo taona dia kely loatra mba hamela ny hisian’ny fanovana azo tsapain-tanana tamin’ny zavatra raketiny fototra ary na dia ny tena nitenenan’i Jesosy ireo zavatra nolazainy aza.”​5 Manampy teny toy izao ny Profesora Gary Habermas: “Ireo Filazantsara dia tena akaikin’ilay fe-potoana raketiny, kanefa ny tantara fahiny dia matetika milazalaza fisehoan-javatra izay nitranga taonjato maro taloha. Na dia izany aza, ireo mpanoratra tantara maoderina dia afaka mamaritra ny fandehan’ireo fisehoan-javatra, na dia avy amin’ireny fe-potoana taloha fahiny ireny aza.”​6

6 Raha lazaina amin’ny teny hafa, ireo tapany ara-tantara amin’ny Soratra Grika Kristiana dia mendrika fara fahakeliny ny hinoana tahaka ireo tantara tsy ara-pivavahana. Azo antoka fa tao anatin’ireo am-polony taona vitsivitsy teo anelanelan’ny nitrangan’ireo fisehoan-javatra tamin’ny Kristianisma tany am-boalohany sy ny niraketana azy an-tsoratra, dia tsy nisy fotoana hitomboan’ny angano sy arira sy haneken’ny rehetra azy ireo.

Ny teny fanamarinan’ny vavolombelona nahita maso

7, 8. a) Iza avy no mbola velona fony nosoratana sy naely ny Soratra Grika Kristiana? b) Inona no tsy maintsy ho famaranan-kevitsika mifanaraka amin’ny fanazavana nataon’ny Profesora F. F. Bruce?

7 Marina indrindra izany rehefa heverina fa maro amin’ireo fitantarana no miresaka ny amin’ny teny fanamarinan’ny vavolombelona nahita maso. Ny mpanoratra ny Filazantsaran’i Jaona dia nilaza toy izao: “Izy no ilay mpianatra [ilay mpianatra tian’i Jesosy] izay vavolombelona manambara izany sy nanoratra izany”. (Jaona 21:24). Milaza toy izao ny mpanoratra ny bokin’ny Lioka: “Izay efa noraisintsika natolotry ny vavolombelona izay sady nahita maso no efa mpitory ny teny hatramin’ny voalohany”. (Lioka 1:2). Rehefa niresaka ny amin’ireo vavolombelona nahita maso ny fitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty ny apostoly Paoly, dia nilaza toy izao: “Ny ankamaroan’ireny dia mbola velona mandraka ankehitriny, fa ny sasany efa nodi-mandry.” — 1 Korintiana 15:6.

8 Momba izany, dia manao izao fanamarihana mampiseho fahiratan-tsaina izao ny Profesora F. F. Bruce: “Tsy nety ho mora velively, araka ny toa nieritreretan’ny mpanoratra sasany azy, ny hamorona ireo teny sy zavatra nataon’i Jesosy tamin’ireny taona tany am-boalohany ireny, fony teo ny maro aoka izany tamin’ny mpianany, izay afaka nitadidy izay nitranga sy izay tsy nitranga. (...) Ny mpianatra dia tsy ho afaka ny hilaza zavatra tsy araka ny marina (tsy resahina ny finiavana hanova ireo zava-nisy), izay avy hatrany dia ho saron’ireo izay ho faly loatra ny hanao izany. Mifanohitra amin’izany, ny iray amin’ireo tsipiriany miavaka amin’ny fitorian’ny apostoly tany am-boalohany dia ny fianteherana feno toky tamin’ny fahalalan’ireo mpihaino; tsy nilaza fotsiny izy ireo hoe: ‘Izahay dia vavolombelon’ireny zavatra ireny’, fa hoe koa ‘tahaka ny fantatrareo ihany’. (Asan’ny Apostoly 2:22).”​7

Mendri-pitokiana ve ilay soratra?

9, 10. Raha ny Soratra Grika Kristiana no resahina, afaka mahazo antoka ny amin’inona isika?

9 Mety ho niseho ve ny hoe noraketina an-tsoratra araka ny marina ireo teny fanamarinan’ny vavolombelona nahita maso ireo, nefa tatỳ aoriana dia novana? Raha lazaina amin’ny teny hafa, nisy angano sy arira nampidirina ve taorian’ny namitana ilay soratra tamin’ny voalohany? Efa hitantsika fa ny soratra ao amin’ny Soratra Grika Kristiana dia voatahiry tsara kokoa noho izay haisoratra fahiny hafa rehetra. I Kurt sy i Barbara Aland, manam-pahaizana momba ny soratra grika amin’ny Baiboly, dia mitanisa sora-tanana efa ho 5 000 hatramin’ny fahagola ka tafita hatramin’izao andro izao, ka ny sasany aza hatrany am-piandohan’ny taonjato faharoa am.f.i.​8 Ny teny fanamarinana ankapoben’io antontam-porofo io dia hoe marim-pototra indrindra ilay soratra. Fanampin’izany, dia misy fandikan-teny tranainy maro — ny taloha indrindra dia tokony ho tamin’ny 180 am.f.i. — izay manampy mba hanaporofo fa araka ny marina ilay soratra.​9

10 Noho izany, rehefa tombanana ny zavatra rehetra, dia afaka mahazo antoka isika fa tsy tafatsofoka tao amin’ny Soratra Grika Kristiana ireo angano sy arira taorian’ny namitan’ireo mpanoratra tany am-boalohany ny asa sorany. Ilay soratra ananantsika dia tena mitovy amin’ilay nosoratan’ireo mpanoratra tany am-boalohany ary ny maha-araka ny marina azy dia nohamarinin’ny naneken’ireo Kristiana niaina tamin’izany fotoana izany. Afaka manamarina ny maha-ara-tantara ny Baiboly ve àry isika, amin’ny fampitahana azy io amin’ny tantara fahiny hafa? Misy ahafahantsika manao izany.

Ny porofon’ireo tahirin-kevitra

11. Manao ahoana ny habetsahan’ny porofon’ireo tahirin-kevitra ivelany manohana ny filazana ara-tantara ao amin’ny Soratra Grika Kristiana?

11 Raha ny marina, raha ny amin’ireo fisehoan-javatra tamin’ny fiainan’i Jesosy sy ny apostoliny, ankoatra ny Baiboly dia voafetra tokoa ny porofon’ireo tahirin-kevitra. Azo ampoizina indrindra izany, satria tamin’ny taonjato voalohany, ireo Kristiana dia antokon’olom-bitsy ihany izay tsy nety niditra tamin’ny politika. Ny porofo omen’ny tantara tsy ara-pivavahana anefa dia mifanaraka amin’izay vakintsika ao amin’ny Baiboly.

12. Inona no lazain’i Josèphe amintsika momba an’i Jaona Mpanao Batisa?

12 Ohatra, rehefa avy niharan’ny faharesena ara-tafika niezinezina i Heroda Antipasy, dia nilaza toy izao ilay mpanoratra tantara jiosy natao hoe Josèphe, nanoratra tamin’ny 93 am.f.i.: “Ho an’ny Jiosy sasany, dia toa valy faty avy tamin’Andriamanitra ny fandripahana ny tafik’i Heroda, sady valy faty ara-drariny noho ny fomba nitondrany an’i Jaona, ilay nantsoina hoe Mpanao Batisa. Noho i Heroda nampamono azy, kanefa izy dia olona tsara ary nananatra ny Jiosy mba hanana fiainana marina, haneho ny rariny amin’ny namany sy fitiavam-pivavahana amin’Andriamanitra.”​10 Araka izany, i Josèphe dia manamarina ny fitantaran’ny Baiboly fa olo-marina izay nitory fibebahana, ary nampamonoin’i Heroda, i Jaona Mpanao Batisa. — Matio 3:1-12; 14:11.

13. Ahoana no anohanan’i Josèphe ny maha-voamarina ara-tantara an’i Jakoba sy i Jesosy mihitsy?

13 I Josèphe koa dia manonona an’i Jakoba, rahalahin’i Jesosy iray reny taminy, izay, araka ny lazain’ny Baiboly amintsika, dia tsy nanaraka an’i Jesosy tamin’ny voalohany, nefa tatỳ aoriana dia tonga loholona nanan-toerana ambony tao Jerosalema. (Jaona 7:3-5; Galatiana 1:18, 19). Nanome porofon’ny nisamborana an’i Jakoba tamin’ireto teny ireto izy: “[I Anany mpisoronabe] dia namory ireo mpitsara tao amin’ny Synedriona ary nampaka teo anoloany ny lehilahy iray nantsoina hoe Jakoba, ilay rahalahin’i Jesosy izay nantsoina hoe Kristy, ary olon-kafa sasany.”​11 Tamin’ny fanoratana ireo teny ireo i Josèphe dia nanome fanamarinana fanampiny fa “i Jesosy, izay nantsoina hoe Kristy”, dia olona tena nisy teo amin’ny tantara.

14, 15. Ahoana no anohanan’i Tacite ny firaketana an-tsoratra ao amin’ny Baiboly?

14 Nisy mpanoratra hafa tany am-boalohany koa nanisy firesahana zavatra tononina ao amin’ny Soratra Grika. Ohatra, milaza amintsika ireo Filazantsara fa ny fitorian’i Jesosy nanerana an’i Palestina dia nisy akony lehibe. Rehefa nomelohin’i Pontio Pilato ho faty izy, dia very hevitra sy nanjary ketraka ny fon’ireo mpanara-dia azy. Tsy ela taorian’izany, ireo mpianatra ireo ihany dia nameno tamin-kasahiana an’i Jerosalema tamin’ilay hafatra fa hoe natsangana tamin’ny maty ny Tompon’izy ireo. Tao anatin’ny taona vitsivitsy, dia niely nanerana ny Empira Romana ny Kristianisma. — Matio 4:25; 26:31; 27:24-26; Asan’ny Apostoly 2:23, 24, 36; 5:28; 17:6.

15 Ny porofo manamarina, dia avy amin’ilay mpanoratra tantara romana natao hoe Tacite, izay tsy sakaizan’ny Kristianisma velively. Nanoratra tsy ela taorian’ny 100 am.f.i. izy, mitantara ny fanenjehana tsy mifaditra ovana nampiharin’i Néron tamin’ny Kristiana, ka nanampy teny toy izao: “I Kristosy, ny mpanorina ilay anarana, dia niharan’ny fahafatesana tamin’ny fotoana nanjakan’i Tiberio, noho ny fanamelohan’i Pontio Pilato governora, ka voasakana nandritra ny fotoana kelikely ilay finoanoam-poana manimba, mba hirongatra indray, tsy tany Jodia, toerana niavian’ilay aretina fotsiny, fa tany amin’ny renivohitra [Roma] mihitsy.”​12

16. Fisehoan-javatra ara-tantara inona, resahina ao amin’ny Baiboly, no asian’i Suétone firesahana koa?

16 Ao amin’ny Asan’ny Apostoly 18:2, dia manisy firesahana ny amin’ny ‘[Emperora romana] Klaodio izay efa nandidy ny Jiosy rehetra hiala tany Roma’, ilay mpanoratra ny Baiboly. Ilay mpanoratra tantara romana tamin’ny taonjato faharoa, i Suétone, koa, dia nanisy firesahana ny amin’io fandroahana io. Tao amin’ny asa sorany hoe The Deified Claudius, dia milaza toy izao ilay mpanoratra tantara: “Koa satria nahatonga fikorontanana mandrakariva ny Jiosy noho ny fampirisihan’i Krestosy, izy [Klaodio] dia nandroaka azy ireo avy tao Roma.”​13 Raha i Jesosy Kristy no asiana firesahana eto ary raha nanaraka ny modelin’izay niseho tany amin’ny tanàna hafa ny fisehoan-javatra tany Roma, dia tsy noho ny fampirisihan’i Kristy (izany hoe ireo mpanara-dia an’i Kristy), raha ny tena izy, ireo rotaka. Izany kosa dia fihetsika feno herisetra nasetrin’ny Jiosy ny asa fitoriana nataon’ireo Kristiana tamim-pahatokiana.

17. Loharanon-kevitra inona avy, izay azon’i Justin le Martyr noraisina tamin’ny taonjato faharoa, no manohana ny fitantaran’ny Baiboly momba ireo fahagagana nataon’i Jesosy sy ny nahafatesany?

17 I Justin le Martyr, nanoratra tany antenatenan’ny taonjato faharoa, dia nanoratra toy izao rehefa nanisy firesahana ny amin’ny fahafatesan’i Jesosy: “Ny hoe nitrangan’ireo zavatra ireo tokoa, dia azonao fotopotorana ao amin’ny Asan’i Pontio Pilato.”​14 Ho fanampin’izany, araka an’i Justin le Martyr, ireo firaketana an-tsoratra ireo ihany dia nilaza ny amin’ireo fahagagan’i Jesosy, ka momba azy ireny dia izao no lazainy: “Ny hoe nanaovany an’ireo zavatra ireo, dia azonao fantarina ao amin’ny Asan’i Pontio Pilato.”​15 Marina fa tsy misy intsony ireny ‘Asa’, na firaketana an-tsoratra ofisialy ireny. Niharihary anefa fa tena nisy izy ireny tamin’ny taonjato faharoa, ary afaka nihaika tamim-patokian-tena ireo mpamaky azy i Justin le Martyr mba hanamarina azy ireny, mba hahitana ny fahamarinan’izay nolazainy.

Ny porofo arkeolojika

18. Ahoana no anohanan’ny arkeolojia ny amin’ny nisian’i Pontio Pilato?

18 Ireo zavatra hita arkeolojika dia nampiseho na nanamarina koa izay vakintsika ao amin’ny Soratra Grika. Araka izany, tamin’ny 1961, ny anarana hoe Pontio Pilato dia hita teo amin’ny soratra iray tao amin’ireo sisan-javatra tamin’ny teatira romana iray tany Kaisaria.​16 Hatreo amin’io fahitana io, dia tsy nisy afa-tsy porofo voafetra ny amin’ny nisian’io mpanapaka romana io, ankoatra ny Baiboly.

19, 20. Olona tao amin’ny Baiboly iza avy, tononin’i Lioka (ao amin’ny Lioka sy ny Asan’ny Apostoly), no voamarin’ny arkeolojia?

19 Ao amin’ny Filazantsaran’i Lioka isika dia mamaky fa i Jaona Mpanao batisa dia nanomboka ny fanompoany “fony (...) Lysania no mpanapaka tany Abilena”. (Lioka 3:1). Misalasala ny amin’izany fanambarana izany ny sasany satria i Josèphe dia manonona ny amin’i Lysania iray izay nanapaka an’i Abilena ary maty tamin’ny 34 al.f.i., ela be talohan’ny nahaterahan’i Jaona. Kanefa, ireo arkeology dia namongatra soratra iray tao Abilena manonona Lysania hafa iray izay tétrarque (mpanapaka zaran-tany) nandritra ny fotoana nanjakan’i Tiberio, izay nanapaka tamin’ny naha-Kaisara tany Roma, fony i Jaona nanomboka ny fanompoany.​17 Nety ho ilay Lysania nasian’i Lioka firesahana marina tokoa izy io.

20 Ao amin’ny Asan’ny Apostoly isika dia mamaky fa i Paoly sy i Barnabasy dia nirahina mba hanao asa misionera tany Kyprosy ary tany izy ireo dia nihaona tamin’ny governora iray nantsoina hoe Sergio Paolo, “lehilahy hendry”. (Asan’ny Apostoly 13:7). Tany antenatenan’ny taonjato faha-19, ny fihadiana tany natao tao Kyprosy dia namongatra soratra iray tamin’ny 55 am.f.i. izay manonona an’io lehilahy io mihitsy. Momba izany, dia milaza toy izao ilay arkeology atao hoe G. Ernest Wright: “Io no hany firesahana ananantsika momba io governora io, ivelan’ny Baiboly, ary mahaliana fa i Lioka dia manome antsika araka ny marina ny anarany sy ny anaram-boninahiny.”​18

21, 22. Fanao ara-pivavahana inona avy ao amin’ny firaketana an-tsoratra ao amin’ny Baiboly no nohamarinin’ireo zavatra hita arkeolojika?

21 Fony izy tany Atena, dia nilaza i Paoly fa nandinika alitara iray izay natokana “Ho An’izay Andriamanitra Tsy Fantatra” izy. (Asan’ny Apostoly 17:23). Tany amin’ny faritra sasany tamin’ny faritanin’ny Empira Romana, dia nahitana alitara natokana ho an’ny andriamanitra tsy fantatra tamin’ny fiteny latina. Ny iray dia hita tany Pergamosy, nisy soratra tamin’ny fiteny grika, toy izay hita tany Atena.

22 Tatỳ aoriana, raha mbola tany Efesosy i Paoly, dia notoherin’ny mpanefy volafotsy tamin-kerisetra, izay nahazo ny fidiram-bolany avy tamin’ny fanamboarana sarin’ny tempoly sy sarin’i Artemisy andriamanibavy. I Efesosy dia asiana firesahana ho “mpiambina ny tempolin’ilay Artemisy lehibe”. (Asan’ny Apostoly 19:35, NW ). Mifanaraka amin’izany, dia nisy sary vongana kely maromaro mampiseho an’i Artemisy vita tamin’ny tanimanga sy vatovandana hita tany amin’ny toerana nisy an’i Efesosy fahiny. Tamin’ny taonjato lasa, dia nofongarina mihitsy ny sisan-javatr’ilay tempoly goavana.

Ny feon’ny fahamarinana

23, 24. a) Aiza no ahitantsika ny porofo mahery indrindra ny amin’ny fahamarinan’ireo soratra ao amin’ny Soratra Grika Kristiana? b) Toetra raikitra inona amin’ny firaketana an-tsoratra ao amin’ny Baiboly no manaporofo ny fahamarinan’ny Soratra Grika Kristiana? Manomeza ohatra.

23 Noho izany, ny tantara sy ny arkeolojia dia mampiseho, ary somary manamarina ihany ireo foto-javatra ara-tantaran’ny Soratra Grika. Eto indray koa anefa, ny porofo lehibe indrindra ny amin’ny fahamarinan’ireny soratra ireny dia ao amin’ireo boky ireo mihitsy. Rehefa mamaky azy ireo ianao, dia tsy tsapa ho toy ny angano izy ireo. Manana ny feon’ny fahamarinana izy ireo.

24 Voalohany aloha, dia feno fahatsorana izy ireo. Eritrereto izay voarakitra an-tsoratra momba an’i Petera. Ambara amin’ny an-tsipiriany ny tsy nahavitany nandeha teo ambonin’ny rano ka nahasakodiavatra azy. Avy eo, dia nilaza tamin’io apostoly nohajaina fatratra io i Jesosy hoe: “Mankanesa ato ivohoko, ry Satana”. (Matio 14:28-31; 16:23). Ambonin’izany, taorian’ny nanizingizinany mafy fa na dia hanao izany aza ny hafa rehetra, izy kosa dia tsy handao an’i Jesosy na oviana na oviana, dia resin-tory i Petera tamin’ny alina niambenany ary avy eo dia nanda ny Tompony intelo. — Matio 26:31-35, 37-45, 73-75.

25. Fahalemen’ny apostoly inona avy no alan’ireo mpanoratra ao amin’ny Baiboly sarona amim-pahatsorana?

25 Tsy ny fahalemen’i Petera irery anefa no nalana sarona. Ilay firaketana an-tsoratra feno fahatsorana dia tsy nanafina ny fifamalian’ireo apostoly ny amin’ny hoe iza no lehibe indrindra teo amin’izy ireo. (Matio 18:1; Marka 9:34; Lioka 22:24). Tsy nohadinoiny koa ny nilaza tamintsika fa ny renin’ny apostoly Jakoba sy Jaona dia nangataka tamin’i Jesosy mba hanome ny toerana misy tombontsoa indrindra ao amin’ny Fanjakany ho an’ireo zanany lahy. (Matio 20:20-23). Ilay ‘fifandirana mafy’ teo amin’i Barnabasy sy i Paoly koa dia resahina amim-pahatokiana. — Asan’ny Apostoly 15:36-39.

26. Tsipiriany inona momba ny nitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty no tsy ho nampidirina raha tsy hoe marina angaha izy io?

26 Mendrika homarihina koa ny filazan’ny bokin’ny Lioka amintsika fa “ny vehivavy izay nomba Azy avy tany Galilia” no nahafantatra voalohany momba ny fitsanganan’i Jesosy. Izany dia tsipiriany miavaka indrindra teo amin’ilay fitambaran’olona notapahin’ny lehilahy tamin’ny taonjato voalohany. Eny tokoa, araka ilay firaketana an-tsoratra dia “nataony [ireo apostoly] ho arirarira foana” izay nolazain’ireo vehivavy. (Lioka 23:55–24:11). Raha tsy marina ny tantara ao amin’ny Soratra Grika, dia tsy maintsy ho noforonina. Nahoana anefa no hisy hamorona tantara iray milazalaza ny olo-nalaza toy ireny tamin’ny endrika tsy nahafinaritra toy izany? Tsy ho nampidirina ireny tsipiriany ireny raha tsy hoe marina angaha izy ireo.

Jesosy — Olona tena nisy

27. Ahoana no anamarinan’ny mpanoratra tantara iray ny fisian’i Jesosy ara-tantara?

27 Maro no mihevitra an’i Jesosy araka ny ilazalazana azy ao amin’ny Baiboly, ho olona noforonina atao filamatra. Manao izao fanamarihana izao anefa ilay mpanoratra tantara atao hoe Michael Grant: “Raha ampiharintsika amin’ny Testamenta Vaovao, araka ny tokony hataontsika, ilay karazana fepetra tokony hampiharintsika amin’ireo soratra tranainy hafa misy filazana ara-tantara koa, dia tsy ho afaka ny handa ny fisian’i Jesosy isika tahaka ny tsy ahafahantsika mandà ny fisian’ireo olona mpanompo sampy nalaza maro be izay tsy isalasalana velively ny nisiany teo amin’ny tantara.”​19

28, 29. Nahoana no zava-dehibe ny ampisehoan’ireo Filazantsara efatra sary mifanaraka tsara ny amin’ny maha-izy an’i Jesosy?

28 Tsy ny fisian’i Jesosy ihany, fa ny maha-izy azy koa dia ampitain’ny Baiboly amin’ny feo miharihary ho marina. Tsy mora ny hamorona olona miavaka iray ary avy eo dia hilazalaza ny toetrany amin’ny fomba mitovy ao anatin’ilay boky manontolo. Tsy ho azon’ny mpanoratra efatra samy hafa atao ny hanoratra momba ny olona iray ihany ary hilazalaza azy amin’ny fomba mitovy raha tsy tena nisy na oviana na oviana izany olona izany. Ny hoe miharihary fa olona iray ihany ilay Jesosy lazalazaina ao amin’ireo Filazantsara efatra rehetra, dia porofo mandresy lahatra ny amin’ny fahamarinan’ireo Filazantsara.

29 Manonona fanontaniana iray mety indrindra i Michael Grant: “Ahoana no mahatonga ny hoe ao amin’ny Filazantsara mahazatra rehetra tsy misy avakavaka, dia misy filazalazana miavaka noho ny maha-hentitra azy, ny amin’ny lehilahy tanora iray mihetsika sy mandeha malalaka, eo anivon’ny vehivavy isan-karazany, anisan’izany ireo izay miharihary ho ratsy laza, tsy ahitana soritry ny fanehoana fihetseham-po tafahoatra, ny toetra namboamboarina, na ny fodiana ho saro-kenatra na maotina, ary anefa amin’ny lafiny rehetra, dia mihazona toetra tsy mivadika tsotra fotsiny?”​20 Ny hany valiny dia hoe tena nisy ny lehilahy toy izany ary nanao zavatra tamin’ny fomba nolazain’ny Baiboly.

Ny antony tsy inoan’izy ireo

30, 31. Nahoana no tsy manaiky ny Soratra Grika Kristiana ho marina ara-tantara ny olona maro, na dia eo aza ny porofo rehetra?

30 Koa satria misy porofo mampiaiky hilazana fa tantara marina ny Soratra Grika, nahoana ny sasany no milaza fa tsy izany izy ireo? Inona no mahatonga ny olona maro, na dia manaiky ny tapany aminy ho marina aza, tsy mety manaiky ny zava-drehetra raketiny? Izany, voalohany indrindra, dia noho ny Baiboly mirakitra an-tsoratra zavatra izay tsy tian’ireo avara-pianarana maoderina hinoana. Izy io, ohatra, dia milaza fa i Jesosy dia sady nanatanteraka no nanonona faminaniana. Milaza koa izy io fa izy dia nanao fahagagana ary taorian’ny nahafatesany, dia natsangana tamin’ny maty izy.

31 Amin’izao taonjato faha-20 be fisalasalana izao, dia sarotra inoana ireny zavatra ireny. Momba ireo fahagagana, dia manao izao fanamarihana izao ny Profesora Ezra P. Gould: “Misy fisalasalana iray izay heverin’ireo mpanao tsikera sasany ho mitombina (...) [dia ny hoe] tsy mitranga ny fahagagana.”​21 Ny sasany dia manaiky fa mety ho nanao fanasitranana i Jesosy, nefa ny karazana aretina psikosomatika, ‘fahefan’ny saina eo amin’ny zavatra’ ihany. Raha ny amin’ireo fahagagana hafa, ny ankamaroany dia manazava azy ireny ho zavatra noforonina na fisehoan-javatra tena nisy izay naolana rehefa notantaraina.

32, 33. Ahoana no nanandraman’ny sasany nanazava ny fahagagana nataon’i Jesosy tamin’ny famahanana ilay vahoaka be, nefa nahoana izany no tsy lojika?

32 Ho ohatra iray ny amin’izany, dia diniho ilay tarehin-javatra fony i Jesosy namahana vahoaka be mihoatra ny 5 000 tamin’ny mofo vitsivitsy sy hazandrano roa monja. (Matio 14:14-22). Ilay manam-pahaizana tamin’ny taonjato fahasivy ambin’ny folo atao hoe Heinrich Paulus dia nanipy hevitra fa izao no tena nitranga: I Jesosy sy ny apostoliny dia notronin’ny vahoaka be, izay nihanoana. Koa nanapa-kevitra izy hanome ohatra tsara ho an’ireo nanankarena teo amin’izy ireo. Naka izay sakafo kely nananan’ny tenany sy ny apostoliny izy, ka nizara izany tamin’ilay vahoaka. Tsy ela, ny hafa izay nitondra sakafo dia nanaraka ny ohatra nomeny, ka nizara ny azy. Tamin’ny farany, dia nofahanana ilay vahoaka manontolo.​22

33 Raha izany anefa no tena nitranga, dia porofo iray niavaka ny amin’ny herin’ny ohatra tsara ilay izy. Nahoana ny tantara mahaliana sy misy heviny toy izany no haolana mba ho tahaka ny fahagagana tsy araka ny natiora? Eny tokoa, ny ezaka rehetra toy izany natao hanazavana ireo fahagagana ho hafa noho ny hoe mahagaga, dia mametraka olana betsaka kokoa noho ny hoe mandamina azy. Ary miorina amin’ny fiheveran-diso mialoha izy rehetra. Izy ireo dia manomboka amin’ny fiheverana fa tsy mety hitranga ny fahagagana. Nahoana anefa no tokony ho izany no izy?

34. Raha tena mirakitra faminaniana marina sy fitantarana fahagagana marina tokoa ny Baiboly, inona no porofoin’izany?

34 Araka ny fari-pitsipika ara-dalàna indrindra, ny Soratra Hebreo sy Grika dia samy tantara marina, kanefa samy mirakitra ohatra ny amin’ny faminaniana sy fahagagana izy ireo. (Ampitahao amin’ny 2 Mpanjaka 4:42-44.) Ahoana àry raha marina ireo faminaniana? Ary ahoana raha tena nitranga ireo fahagagana? Amin’izay, dia Andriamanitra tokoa no tao ambadiky ny fanoratana ny Baiboly, ary tena teniny izy io fa tsy an’ny olona. Ao amin’ny toko iray manaraka isika dia handinika ny amin’ireo faminaniana, nefa voalohany, dia aoka isika handinika ireo fahagagana. Azon’ny saina ekena ve amin’izao taonjato faha-20 izao fa tena nisy fahagagana nitranga tokoa tamin’ireo taonjato tany aloha?

[Fanontaniana]

[Teny notsongaina, pejy 66]

Nahoana ny Baiboly no hanao tatitra fa vehivavy no nahita voalohany ny nitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty, raha tsy tena nitranga izany?

[Efajoro, pejy 56]

Hita fa Misy Lesoka ny Fanaovana Tsikera Maoderina

Ho ohatra ny amin’ny tsy maha-azo antoka ny toetran’ny fanaovana tsikera maoderina ny Baiboly, dia diniho ireto fanamarihana manaraka ireto, nataon’i Raymond E. Brown momba ny Filazantsaran’i Jaona: “Tamin’ny fifaranan’ny taonjato lasa sy tamin’ireo taona voalohandohany tamin’itỳ taonjato itỳ, dia nandalo fe-potoam-pisalasalana tafahoatra momba io Filazantsara io ireo manam-pahaizana. Ny Jaona dia noheverina ho nosoratana tatỳ aoriana be, tamin’ny tapany faharoa tamin’ny taonjato faharoa mihitsy aza. Tamin’ny naha-vokatry ny tontolo grika azy io, dia noeritreretina ho tsy manana vidiny ara-tantara tanteraka izy io sy tsy misy fifandraisana firy amin’ilay Palestina nisy an’i Jesosy avy tany Nazareta (...)

“Tsy misy mihitsy fomba fihevitra toy izany ka tsy niharan’ny fiantraikan’ny zavatra hita tsy nampoizina nifampitohitohy teo amin’ny arkeolojia sy ny tahirin-kevitra ary ny soratra. Ireny zavatra hita ireny dia nitarika anay hihaika amim-pahaiza-misaina ireo fomba fihevitra manakiana izay saika nanjary neken’ny rehetra sy hanaiky ny maha-marefo ny fototra nanohana ny fanadihadiana feno fisalasalana be ny Jaona. (...)

“Ny fanomezana daty ilay Filazantsara dia naverina ho tany amin’ny faran’ny taonjato voalohany na aloha kokoa mihitsy aza. (...) Angamba ny hafahafa indrindra amin’ny rehetra, dia ny hoe sahy manipy hevitra mihitsy aza ny manam-pahaizana sasany fa i Jaona zanak’i Zebedio dia nety ho nanana ifandraisana tamin’ilay Filazantsara”!​3

Nahoana no toa hafahafa ny hinoana fa i Jaona no nanoratra ilay boky neken’ny rehetra hatramin’izay ho avy aminy? Noho izy io tsy mifanentana amin’ireo fitompoan-teny fantatr’ireo mpanao tsikera fotsiny.

[Efajoro, pejy 70]

Famelezana Iray Hafa Fotsiny Atao Amin’ny Baiboly

I Timothy P. Weber dia nanoratra toy izao: “Ireo zavatra hitan’ny fanaovana tsikera ambony dia nanery olona lahika maro hisalasala ny amin’ny fahaizan’ny tenany hahazo hevitra na inona na inona [ao amin’ny Baiboly]. (...) I A. T. Pierson dia nilaza ny fahakivian’ny evanjelisitra maro rehefa nanambara izy fa ‘tahaka ny Fivavahana Katolika Romana, [ny fanaovana tsikera ambony] dia saika nanaisotra tanteraka ny Tenin’Andriamanitra tamin’ny sarambabem-bahoaka, tamin’ny fiheverana fa ireo manam-pahaizana ihany no afaka milaza ny hevitr’izy io; raha mametraka pretra iray eo anelanelan’ny olona sy ny Teny i Roma, ny fanaovana tsikera kosa dia mametraka mpivaofy teny nahita fianarana iray eo amin’ny mpino sy ny Baiboliny’.”​23 Araka izany, ny fanaovana tsikera ambony maoderina dia nalana sarona ho famelezana iray hafa fotsiny atao amin’ny Baiboly.

[Sary, pejy 62]

Io alitara tao Pergamosy io dia toa natokana “ho an’izay andriamanitra tsy fantatra”

[Sary, pejy 63]

Sisan-javatra tamin’ilay tempoly kanton’i Artemisy fahiny, izay nireharehan’ireo Efesiana

[Sary, pejy 64]

Ny Baiboly dia manao tatitra amim-pahamarinana fa nanda ho nahafantatra an’i Jesosy i Petera

[Sary, pejy 67]

Ny Baiboly dia mirakitra an-tsoratra amim-pahatsorana ny ‘fifandirana mafy’ teo amin’i Paoly sy i Barnabasy

[Sary, pejy 68]

Ny fifanarahan’ny filazalazana an’i Jesosy ao amin’ireo Filazantsara efatra dia porofo mahery ny amin’ny maha-marina azy ireo

[Sary, pejy 69]

Ny ankamaroan’ireo mpanao tsikera maoderina dia mino rahateo fa tsy misy ny fahagagana