Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Porofon’ny Fitiavan’Andriamanitra ny Fananganana ny Maty

Porofon’ny Fitiavan’Andriamanitra ny Fananganana ny Maty

Hira 185

Porofon’ny Fitiavan’Andriamanitra ny Fananganana ny Maty

(Jaona 11:25)

1. Hatsangan’Andriamanitra

’Reo havan-tiantsika;

Kristy nomeny antsika,

Hitondra fiainana.

Hatsangana aloha ireo

Ho any an-danitra,

Ny “ondry vitsy” rehetra

’Zay tsy nivadika.

2. Ireo “vavolombelona”

Talohan’i Kristy,

Hatsangana eto an-tany

Mba hiaina ho doria.

Isika velona izao,

Raha maty ihany koa,

Dia tsy hafoin’i Jehovah,

Hatsangany aloha.

3. Handre ny feon’i Kristy

’Reo ao am-pasana,

Hatsangana toy ’lay jiolahy,

Izay nibebaka.

Aorian’ny Arivo Taona,

Hisy fitsapana;

Ho sambatra mandrakizay

’Reo tsy mivadika.

4. Ianareo, ry voahosotra

Sy ry “ondry hafa”,

Ampionòny ny olona

’Zay namoy havana.

Mahereza, hoy ny Tompo,

Manao ’reo asa soa,

Satria na maty aza ianao,

Hahazo valisoa.