Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Derao i Jehovah, Ilay Vatolampy

Derao i Jehovah, Ilay Vatolampy

Hira 41

Derao i Jehovah, Ilay Vatolampy

(Deoteronomia 32:4)

1. ‘Henoy, ry tany sy ry lanitra.

Henoy Jehovah, ry mpandefitra.

Ireo fampianarany dia marina,

Hirotsaka toy ny ando sy orana.’

2. Hotorintsika ny anaran’i Jah.

Lazao fa izy no Avo Indrindra.

Ry ondry, derao ilay Vatolampy.

Ankalazao ny asany lavorary.

3. Deraintsika izy fa tia rariny,

Mahitsy avokoa izay ataony.

Mampiavaka azy ny fitiavana;

Ilay Vatolampy tsy mivadika.

4. Matahora azy, ny marina atao.

Ireo lalàny no ifalianao.

Aza manao ratsy, tompoy Jehovah,

Amin’ny fo madio, tsy miovaova.