Fa Maninona i Dada sy Neny no Nisaraka?
Toko 4
Fa Maninona i Dada sy Neny no Nisaraka?
“Tadidiko ny nandehanan’ny dadanay. Vao enin-taona aho tamin’izay, dia tsy azoko hoe nisy inona. Nijery tele tao ambany aho fa ry zareo tany ambony. Nitomany be mamanay sady niteny hoe: ‘Aza ilaozana ho’ah izahay!’ Nidina dadanay avy eo niaraka tamin’ny valizy. Nankeo amiko izy, dia nataony ba kely aho sady hoy izy: ‘Tian’i Dada foana indrỳ an!’ Lasa izy dia tsy hitako intsony raha tsy ela be indray. Natahotra aho nanomboka tamin’izay, sao ho lasa koa mamanay.”—Fy, 19 taona.
TOY ny hoe tsy hisy masoandro mihiratra intsony eo amin’ny fiainan’ny ankizy, rehefa misaraka ny ray aman-dreniny. Matetika izy no menatra, tezitra, miady saina, kivy, malahelo be, mihevitra fa izy no diso, matahotra sao ho lasa koa ny reniny, ary te hamaly faty mihitsy aza.Izany koa ve no tsapanao? Tsy mahagaga izany, satria nataon’ny Mpamorona hiara-mitaiza ny ankizy ny ray aman-dreny. (Efesianina 6:1-3) Tena tianao angamba ny dadanao, nefa tsy afaka mahita azy isan’andro intsony ianao. Nisaraka, ohatra, ny ray aman-drenin’i Patrick, tamin’izy fito taona. Hoy izy: “Dadanay no tena tiako, sady te hiara-mipetraka aminy aho. Mamanay anefa no nasain’ny fitsarana hitaiza anay.”
Nahoana ny mpivady no misaraka?
Matetika no taitra be ny ankizy, rehefa misaraka ny ray aman-dreniny. Afenin’izy mivady mantsy ny olana misy eo aminy. Nisaraka, ohatra, ny ray aman-drenin’i Nofy tamin’izy 15 taona. Hoy izy: “Gaga be aho, satria noheveriko hoe nifankatia ry zareo.” Ary na efa hitan’ny ankizy izao aza fa miady lava ny ray aman-dreniny, dia mbola tampoka be aminy foana ilay izy.
Inona matetika no mampisaraka ny mpivady? Mampirafy, ohatra, ilay lehilahy na ilay vehivavy. Milaza ny Baiboly fa mahazo misaraka amin’ilay mampirafy ilay tsy diso, ary afaka manambady indray. (Matio 19:9) Ny hafa misaraka satria mahery setra ny iray. Angamba izy tezitra lava, milelalela, manevateva, ary mamono mihitsy. (Efesianina 4:31) Aleon’ilay vadiny àry misaraka sao maninomaninona eo izy sy ny zanany.
Misy indray misaraka noho ny antony tsy dia misy dikany. Tsy mifankatia intsony, hono, izy ireo na tsy sambatra. Malakia 2:16) Hita avy amin’ny tenin’i Jesosy ao amin’ny Matio 10:34-36 koa fa mety hisarahan’ny vadiny ny olona iray lasa Kristianina.
Tsy mba alaminy akory ny olana eo amin’izy roa, fa aleony misaraka. Tena tsy tian’Andriamanitra izany! (Tsy mety milaza aminao ny antony nisarahany angamba ny ray aman-dreninao, na miteny ihany fa tsy tena tsoriny ilay izy. Aza mieritreritra hoe tsy tia anao izy. Angamba mbola malahelo be izy, ka tsy te hiresaka. (Ohabolana 24:10) Na koa menatra izy hiteny fa tsy nety ny nataony.
Inona no azonao atao?
Fantaro izay mampiady saina anao. Mikorontana ambony ambany ve ny fiainanao, ka lasa mampieritreritra anao daholo na dia ny zavatra tsy nivakianao loha aza? Inona no azonao atao? Fantaro aloha hoe inona no mampiady saina anao. Raha iray amin’ireo ambany ireo ilay izy, dia asio ✔ eo akaikiny. Raha tsy voalaza eo kosa, dia soraty eo amin’ilay hoe “Hafa.”
□ Sao dia ho lasa koa i Neny?
□ Sao dia ho lasa mahantra izahay?
□ Sao dia izaho no nahatonga an-dry zareo hisaraka?
□ Sao dia hisara-panambadiana koa aho any aoriana any?
□ Hafa ․․․․․
Mitadiava olona hiresahana. Resaho amin’ny ray aman-dreninao izay mampiady saina anao, fa fidio tsara fotsiny ny fotoana iresahana aminy. Hoy mantsy i Solomona Mpanjaka: “Misy fotoana itenenana.” (Mpitoriteny 3:7) Hazavao fa malahelo be ianao na mikorontan-tsaina. Angamba hohazavainy ny tena zava-misy, ka tsy hitebiteby be intsony ianao. Raha mbola tsy mazoto izy na tsy afaka miresaka, dia mitadiava namana matotra hiresahana. Aza misalasala manatona azy. Na mihaino anao fotsiny aza izy dia efa ho maivamaivana ianao.—Ohabolana 17:17.
Tadidio koa fa vonona hihaino anao foana ilay “Mpihaino vavaka”, izany hoe ilay Rainao any an-danitra. (Salamo 65:2) Resaho aminy izay tena ao am-ponao, ‘satria miahy anao izy.’—1 Petera 5:7.
Inona no tsy tokony hatao?
Aza mitana lolompo. Hoy i Patrick, ilay voaresaka terỳ aloha: “Tia tena ry dadanay sy mamanay. Tsy niraharaha anay ry zareo. Tsy noeritreretiny koa hoe hisy vokany aminay ange ny ataony.” Rariny raha tezitra i Patrick, ary mety ho marina ny teniny. Eritrereto anefa ireto fanontaniana ireto, ary soraty avy eo ny hevitrao.
Inona no mety ho vokany raha tezitra be amin’ny ray aman-dreniny foana i Patrick? (Vakio ny Ohabolana 29:22.) ․․․․․
Tsara raha mamela ny fahadisoan’izy ireo i Patrick, na tsy mora aza izany. Nahoana? (Vakio ny Efesianina 4:31, 32.) ․․․․․
Mety tsy hitana lolompo intsony i Patrick raha mamaky ny Romanina 3:23. Nahoana? ․․․․․
Aza manaonao foana. Ianao ihany mantsy no hizaka ny vokany. Hoy i Njiva: ‘Nalahelo be aho sady tezitra tamin’ny dadanay sy mamanay. Lasa tsy nianatra tsara intsony aho, dia tsy nifindra kilasy. Nilaozako niadaladala sy niady tamin’ny ankizy fotsiny avy eo.’
Araka ny hevitrao, nahoana i Njiva no nanao fanahy iniana niadaladala? ․․․․․
Nahoana izy no niady tamin’ny ankizy? ․․․․․
Te hanao hadalana koa ve ianao, mba hamaliana faty ny ray aman-dreninao? Vakio aloha ny Galatianina 6:7. Nahoana no mahasoa anao io andinin-teny io? ․․․․․
Mbola hiverina amin’ny laoniny ny fiainanao
Herinandro na volana maromaro vao sitrana ny taolana tapaka. Elaela koa ianao vao tsy malahelo be intsony. Misy manam-pahaizana milaza fa telo taona eo ho eo ny ankizy no malahelo be, rehefa misaraka ny ray aman-dreniny. Marina fa hoatran’ny ela be izany. Tadidio anefa fa tsy maintsy elaela hoatr’izay vao handeha tsara indray ny fiainanao.
Tsy maintsy alamina indray mantsy ny fiainanareo ao an-trano. Elaela koa vao tsy malahelo be intsony ny ray aman-dreninao. Amin’izay angamba izy vao ho afaka hikarakara tsara anao indray. Ho falifaly indray ianao, rehefa miverina amin’ny laoniny tsikelikely ny fiainanao.
JEREO NY MANONTANY NY TANORA, BOKY FAHA-2, TOKO 25, RAHA MILA FANAZAVANA FANAMPINY
Malahelo ve ianao fa nanambady indray ny dadanao na ny mamanao?
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 4 Marina fa ny lehilahy no resahinay ato hoe mandao ny tokantrano. Misy koa anefa vehivavy manao izany.
ANDININ-TENY MAHASOA
“Misy fotoana anasitranana.” —Mpitoriteny 3:3.
SOSO-KEVITRA
Nisy fahadisoana nataon’ny dadanao na mamanao na izy mivady, matoa izy ireo nisaraka. Iezaho fantarina izany, amin’izay ianao tsy manao hoatr’azy rehefa manambady. —Ohabolana 27:12.
FANTATRAO VE... ?
Tsy voatery hisara-panambadiana ianao rehefa lehibe, na dia nisaraka aza ny dadanao sy mamanao.
ZAVATRA ERITRERETIKO HATAO!
Horesahiko amin’i ․․․․․ ny zavatra mampiady saina ahy. (Soraty eo ny anaran’izay olona matotra tianao hiresahana.)
Izao no hataoko raha mitady hamaly faty an’i Dada sy Neny aho: ․․․․․
Izao no hanontaniako an’i Dada sy Neny momba izay noresahina tato amin’ity toko ity: ․․․․․
AHOANA NY HEVITRAO?
● Nahoana ny ray aman-dreninao no tsy te hanazava aminao ny antony nisarahany?
● Nahoana ianao no mila mitadidy fa ny dadanao sy mamanao no miady fa tsy ianareo telo mianaka?
[Teny notsongaina, pejy 32]
‘Nitomany foana aho isan’andro sady kivy be, tamin’ny mamanay lasa. Nivavaka foana anefa aho, nanampy olona, ary niaraka tamin’ny namana matotra. Hitako hoe izany no fomba nanampian’i Jehovah ahy.’—Natalie
[Sary, pejy 33]
Toy ny hoe tapa-tanana ianao, rehefa misaraka ny ray aman-dreninao. Manaintaina ilay izy, nefa tsy maintsy ho sitrana