Ny any Am-pianarana
Fizarana 4
Ny any Am-pianarana
Sarotra aminao ve ny mahazo ny naoty ilaina mba hifindrana kilasy?
□ Eny
□ Tsia
Efa nampijalin’ny ankizy, na nadalainy ve ianao tany am-pianarana?
□ Eny
□ Tsia
Mitady ho voatariky ny ankizy maditra ve ianao indraindray?
□ Eny
□ Tsia
Asa ianao raha efa nahateny hoe: ‘Raha vitako soa aman-tsara ny fianarako, dia ho vitako ny hiatrika ny zava-drehetra!’ Mety ho marina izany. Maro mantsy ny zava-mitranga any am-pianarana, ka ireny no ahitana raha matanja-tsaina sy tsy mora kivy ianao, ary tena tia an’Andriamanitra. Inona àry no hanampy anao hahavita tsara ny fianaranao, nefa tsy hifindran’ny toe-tsain’ny ankizy tsy tia an’Andriamanitra? Vakio ny Toko 13-17.
[Sary, pejy 112,
113]