Firafitry ny Fifanekena

Mampiasa cookies sy teknolojia hafa mitovy aminy izahay mba handeha tsara ny fampiasanao ny jw.org. Tsy maintsy ekena ny fiasan’ny cookies sasany satria ilain’ny tranonkalanay mba hampandeha azy. Mampiasa cookies fanampiny izahay, ary mba hanatsarana ny fampiasanao an’ilay tranonkala fotsiny no ampiasanay azy. Azonao ekena na lavina ireny cookies fanampiny ireny. Tsy hamidinay mihitsy izay fanazavana voaray, sady tsy hampiasainay amin’ny resaka varotra mihitsy. Misy fanazavana fanampiny ao amin’ilay hoe Fifanekena Momba ny Fampiasana Cookies sy Teknolojia Mitovy Aminy. Azonao ovana araka izay tianao ny zavatra ekenao sy tsy ekenao, na rahoviana na rahoviana, ao amin’ilay hoe Firafitry ny Fifanekena.

Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nahoana no Ratsy ny Mifosa?

Nahoana no Ratsy ny Mifosa?

Toko 12

Nahoana no Ratsy ny Mifosa?

“Nisy fety nalehako, indray mandeha. Ny ampitson’iny ihany, dia nalaza be hoe nanao firaisana tamin’ny ankizilahy iray tany aho. Lainga be anefa izany!”—Rova.

“Mahare aho indraindray hoe misy ankizivavy miaraka amiko, hono. Olona tsy fantatro akory anefa ilay izy! Matetika ny mpifosa no tsy mba manadihady, raha marina na tsia izay lazainy.”—Dera.

LASA mahaliana kokoa noho ny filma ny fiainanao, rehefa misy mifosa ianao. Hoy, ohatra, i Mitia, 19 taona: “Misy mifosa foana aho. Nalaza be, ohatra, fa bevohoka aho ary efa nanala zaza imbetsaka. Nisy nilaza koa fa nivarotra, nividy, ary nifoka rongony aho. Tsy azoko mihitsy hoe maninona ny olona no manao resaka hoatr’izany!”

Afaka manala baraka anao ny ankizilahy na ankizivavy ratsy saina, na dia tsy miteny indraim-bava akory aza. Mandefa hafatra ao amin’ny Internet fotsiny izy. Teny vitsivitsy monja no soratany, ary olona maro be no andefasany azy. Voaray eo no ho eo ilay hafatra, ary may erỳ ny olona hamaky an’ilay izy! Misy pejy natokana hanalana baraka olona fotsiny koa ao amin’ny Internet. Malaza, ohatra, ilay atao hoe blog, na pejy ao amin’ny Internet ahafahanao milaza hevitra. Feno fitantarana manala baraka olona ao amin’izy ireny. Zavatra tsy ho sahin’ilay mpitantara lazaina ampahibemaso mihitsy no soratany.

Ratsy foana ve anefa ny miresaka olona?

Ratsy foana ve?

Marina sa diso izao:

Ratsy foana ny miresaka olona. □ Marina □ Diso

Inona no valiny marina? Tsy voatery ho ratsy ny miresaka olona, satria mety ho resaka tsotra fotsiny ilay izy. Milaza mihitsy aza ny Baiboly hoe: “Asio fiheverana ny fiainan’ny hafa.” (Filipianina 2:4, Fandikan-tenin’ny Taonjato Vaovao, anglisy) Tsy midika izany hoe tokony hitsabaka amin’ny raharaha tsy mahakasika antsika isika. (1 Petera 4:15) Ahalalan-javatra tsara ho fantatra anefa matetika ny miresadresaka. Ohatra hoe iza no hanambady, iza no tera-bao. Tsy ho afaka hilaza mihitsy isika hoe manisy fiheverana ny hafa, raha tsy miresaka momba azy!

Mety hivadika mora foana ho fifosana anefa ny resadresaka tsotra. Andeha, ohatra, hatao hoe misy milaza toy izao: “Tsy ratsy kosa raha i Nary sy Meva no miaraka an!” Mety hisy hamadika anefa io resaka tsotra io, ka lasa hoe: “Miaraka i Nary sy Meva.” Tsy fantatr’izy ireo akory amin’io fa misy resaka miely momba azy. Hilaza angamba ianao hoe: ‘Izany koa ve dia maninona?’ Tsy ianao tokoa mantsy no Nary na Meva!

Efa nitranga tamin’i Nivo, 18 taona, izany ary nalahelo be izy. Hoy izy: “Tezitra aho, ary lasa tsy natoky olona intsony.” Toy izany koa no nanjo an’i Lanto, 19 taona. Hoy izy: “Nataoko izay hanalavirana an’ilay ankizilahy nolazaina fa miaraka amiko. Hitako hoe tsy rariny ilay izy. Mpinamana mantsy izahay, ka tokony mba havela hifampiresaka fa tsy hofosaina.”

Ovao moramora ny resakareo

Inona no hanampy anao hifehy tena, raha mitady hifosa ianao? Eritrereto hoe mandeha bisikileta eo amin’ny lalana be olona ianao. Ilana fahaizana izany. Mety hisy zavatra tsy ampoizinao mantsy, ka tsy maintsy miova lalana, na mandeha miadana, na mijanona mihitsy ianao. Raha mailo ianao, dia ho hitanao izay mitranga eo alohanao, ka hanao zavatra mifanaraka amin’izany ianao.

Toy izany koa rehefa miresaka. Matetika no hitanao avy hatrany rehefa mitady ho lasa fifosana ilay izy. Nahoana raha miala, na manandrana manova ilay resaka? Tadidio fa mahatonga olana ny fifosana. Hoy i Dera: “Nanaratsy ankizivavy iray izay aho. Nilaza aho hoe adalan-dehilahy izy. Tonga tany am-poto-tsofiny ny teniko. Mbola tsy hadinoko hatramin’izao ny fomba niresahany tamiko. Nilaza izy fa nalahelo be satria niteniteny foana aho. Voalaminay ihany ilay izy, saingy mbola nanenina aho taorian’izay, satria nampalahelo olona!”

Mety handratra àry ny teny. Milaza mihitsy aza ny Baiboly fa “misy manao teny tsy voahevitra, ka tonga toy ny fanindron’ny sabatra.” (Ohabolana 12:18) Avadiho impito àry ny lela vao miteny! Marina fa mila mifehy tena ianao, vao mahavita manajanona resaka momba ny fiainan’olona, indrindra raha tsy tokony hisy hahalala ilay izy. Tena ilaina anefa izany, satria hoy i Caroline, 17 taona: “Mila tandremanao tsara izay lazainao. Mety hampiely lainga mantsy ianao, raha olona tsy atokisana no nandrenesanao zavatra iray.” Raha mitady hitantara zavatra renao àry ianao, nefa tsy azonao antoka na marina ilay izy na tsia, dia araho ity tenin’ny apostoly Paoly ity: ‘Ataovy tanjona ny hiaina amim-pilaminana, sy ny tsy hitsabaka amin’ny raharahan’ny hafa.’—1 Tesalonianina 4:11.

Ahoana àry no hampisehoanao fa manisy fiheverana ny hafa ianao, nefa tsy mitsabaka amin’ny raharahany? Alohan’ny hiresahana olona, dia mieritrereta hoe: ‘Tena marina ve ilay zavatra holazaiko? Maninona aho no te hitantara an’ilay izy? Inona no ho vokatr’izany eo amin’ny lazako?’ Zava-dehibe io fanontaniana farany io. Raha malaza ho mpifosa mantsy ianao, dia ianao no tena ho afa-baraka fa tsy ilay olona.

Ahoana kosa raha ianao no misy mifosa?

Inona no azonao atao raha misy mifosa ianao? Mampitandrina ny Mpitoriteny 7:9 hoe: “Aoka ianao tsy ho mora tezitra.” Ampiharo àry izany. Hoy ny Baiboly: “Aza raisina am-po daholo ny teny rehetra lazain’ny olona ... Fantatrao tsara mantsy fa na ianao koa aza mba efa nanozona ny hafa imbetsaka koa.”—Mpitoriteny 7:21, 22.

Marina aloha fa tena ratsy ny mifosa. Vao mainka anefa mety ho ratsy laza ianao, raha mora tezitra rehefa fosain’ny olona! Inona àry no azonao atao? Diniho ny tenin’i Riana. Hoy izy: “Malahelo aho rehefa misy mifosa. Miezaka ny tsy hivaky loha amin’ilay izy anefa aho. Fantatro mantsy fa olon-kafa na zavatra hafa indray no horesahiny amin’ny manaraka.” *

Miezaha àry mba tsy hifosa olona, rehefa miresaka. Aza mora tezitra koa raha misy mifosa ianao. Matotra ianao raha mahavita izany. Miezaha fotsiny hanao ny tsara, dia hiharihary ny tena marina momba anao. (1 Petera 2:12) Hifandray tsara amin’ny olona ianao amin’izay, ary ho tsara laza foana eo imason’Andriamanitra.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 21 Tsara indraindray ny manatona an’ilay olona nifosa anao, ka miresaka moramora aminy. Tsy voatery hanao an’izany foana anefa ianao, satria “manarona fahotana maro be ny fitiavana.”—1 Petera 4:8.

ANDININ-TENY

“Miaro ny ainy ny olona mahafehy ny vavany, fa izay be resaka kosa manimba tena.”—Ohabolana 13:3.

SOSO-KEVITRA

Izao tenenina raha mahare olona mifosa ianao: “Aleo tsy miresaka an’izany e! Sady izy tsy eo akory hanazava raha marina izany na tsia.”

FANTATRAO VE... ?

Efa azo lazaina hoe mifosa koa ianao, na dia mihaino an’ilay mifosa fotsiny aza. Vao mainka hiely haingana ilay resaka, raha avelanao hotohiziny hatramin’ny farany!

ZAVATRA ERITRERETIKO HATAO!

Izao no hataoko, raha mitady hampiely resaka tsy marina aho: ․․․․․

Izao no hataoko raha misy mifosa ahy: ․․․․․

Izao no hanontaniako ny ray aman-dreniko momba izany: ․․․․․

AHOANA NY HEVITRAO?

● Rahoviana no mety ny miresaka olona?

● Efa nisy nifosa ve ianao? Inona no nianaranao avy tamin’izany?

● Nahoana no mety ho afa-baraka koa ianao, raha mifosa olona?

[Teny notsongaina, pejy 107]

Nifosa olona aho indray mandeha, kanjo henony ilay izy, dia noteneniny aho. Tena fay aho tamin’izay! Tsy afa-niala aho! Aleo miresaka amin’ilay olona mivantana mihitsy amin’ny sisa, fa tsy mifosa azy any ambadimbadika any!’’—Paula

[Sary, pejy 108]

Toy ny sabatra ny fifosana. Mandratra olona izy io, satria mety hanala baraka azy