Ratsy ve ny Mampiaraka Nefa Manafina?
Toko 2
Ratsy ve ny Mampiaraka Nefa Manafina?
Sahiran-tsaina i Ando satria taratara taminy i Tefy, mpiara-mianatra taminy. Hoy i Ando: “Bôgôsy be izy. Nilaza tamiko ny namako fa tsy hahita ankizilahy hendry hoatr’azy mihitsy aho. Ankizivavy maromaro no efa nitetitetika hiaraka taminy, fa tsy nisy tiany. Izaho ihany no tiany.”
Nanasa an’i Ando hiaraka taminy i Tefy, tsy ela taorian’izay. Nanazava i Ando fa Vavolombelon’i Jehovah izy, ka tsy mahazo miaraka amin’ny ankizilahy tsy mitovy finoana aminy. “Nahita hevitra anefa i Tefy”, hoy i Ando. “Hoy izy tamiko: ‘Ary maninona raha miaraka isika, fa tsy miteniteny amin’ny dada sy mamanareo fotsiny?’ ”
INONA no hataonao, raha olona tianao no milaza izany aminao? Ho gaga angamba ianao raha hilazana fa nanaiky i Ando, tamin’ny voalohany. Hoy izy: “Nanantena aho fa raha miaraka izahay, dia ho afaka hanampy azy ho tia an’i Jehovah aho.” Inona no nitranga? Ho hitantsika izany avy eo. Hojerentsika aloha hoe nahoana no misy tanora mampiaraka nefa manafina.
Nahoana?
Nahoana ny ankizy sasany no mampiaraka, nefa manafina? Tsotra ny antony, araka ny tenin’ny ankizilahy iray atao hoe David: “Efa hain’ilay ankizy fa tsy
hanaiky mihitsy ny dada sy mamany, dia aleony tsy miteniteny.” Nilaza antony hafa i Jane. Hoy izy: “Manafina ny ankizy sasany, mba hampisehoana hoe mahaleo tena izy. Mieritreritra mantsy izy hoe efa lehibe, ka raha hitany hoe entina toy ny zazakely, dia aleony manao izay tiany, fa tsy miteny amin’ny ray aman-dreniny.”Mahita antony hafa mahatonga ny ankizy hanafina ve ianao? Tanisao eto izany, raha misy.
․․․․․
Fantatrao anefa fa mandidy anao hankatò ny ray aman-dreninao ny Baiboly. (Efesianina 6:1) Tsy avelan’izy ireo hampiaraka ve ianao? Tsy maintsy misy antony tsara mahatonga izany. Aza gaga anefa raha mbola mieritreritra ihany ianao hoe:
● Voa mafy aho satria izaho irery no tsy mba mampiaraka.
● Misy ankizy tiako nefa tsy mitovy finoana amiko.
● Te hiaraka amin’ny ankizy mitovy finoana amiko aho, na dia mbola kely aza ka tsy afaka manambady.
Fantatrao angamba hoe inona no holazain’ny ray aman-dreninao momba izany. Fantatrao koa fa marina ny azy. Na izany aza, dia mety hitovy hevitra amin’i Malala ianao. Hoy izy: “Ampirisihin’ny ankizy hampiaraka aho, na mahita ny ataony, ka
misalasala indraindray raha tena tsy mety tokoa ny mampiaraka. Hafahafa be amin’ny ankizy amin’izao fotoana izao izany hoe tsy mampiaraka izany. Sady tsy tsara koa ilay hoe tsy mba miaraka amin’olona!” Mampiaraka ny ankizy sasany noho izany, ary manafina an’ilay izy amin’ny ray aman-dreniny. Ahoana no ataony?“Nilazan-dry zareo izahay hoe: ‘Aza miteniteny’ ”
Voatery mamitaka ilay ankizy mba tsy ho tratra. Ny telefaonina na ny Internet no tena ampiasain’ny sasany, mba tsy hahatratrarana azy. Toy ny mpinamana fotsiny ry zareo eny imason’olona, fa hafa mihitsy rehefa mifanoratra amin’ny e-mail, na mifandefa hafatra na mifampiresaka an-telefaonina.
Misy indray tanora roa mody manao fotoana amin’ny ankizy maromaro, mba hahafahany hampiaraka fotsiny. Hoy i Njaka: “Ankizy maromaro izahay indray mandeha no nisy nanasa ho any amin’ny toerana iray. Tany izahay vao nahita hoe hay mba hahafahan’ny ankizy roa hampiaraka no tena anton’ilay izy. Nilazan-dry zareo izahay hoe: ‘Aza miteniteny.’ ”
Matetika àry no misy namana manampy an’ilay ankizy mampiaraka. Hoy i Carole: “Tsy maintsy misy namana iray, fara fahakeliny, mahafantatra an’ilay izy. Tsy sahy miteniteny anefa io, mba tsy hampahatezitra an’ilay ankizy.” Mandainga tsotra izao kosa ny sasany. Hoy i Beby, 17 taona: “Be dia be no mandainga momba izay alehany, mba tsy hahalalan’ny dada sy mamany hoe mampiaraka izy.” Izany mihitsy no nataon’i Misaki, 19 taona. Hoy izy: “Tsy maintsy namoron-dainga tamin’ny ray aman-dreniko aho, nefa namboamboariko tsara ilay izy. Nitandrina kosa aho, mba tsy handainga
mihitsy tamin-javatra hafa, sao tsy hatokisan-dry zareo intsony.”Misy vokany ratsy ilay izy
Alaim-panahy hampiaraka nefa hanafina ve ianao? Sa efa manao an’izany mihitsy? Tsara àry raha dinihinao ireto:
Inona no ho vokatr’ilay izy? Moa ve ianao mikasa hanambady an’ilay olona, nefa tsy hampiandry azy ela be? Hoy i Yvan, 20 taona: “Raha tsy mieritreritra ny hanambady ianao nefa mampiaraka, dia toy ny manao dokam-barotra entana iray, nefa hay tsy hamidinao akory ilay izy.” Inona no mety ho vokany? Hoy ny Ohabolana 13:12: “Marary ny fo raha mihemotra foana ny fahatanterahan’ny zavatra antenaina.” Tena irinao ve ny hankarary ny fon’ny olona tianao? Misy antony hafa koa tokony hitandremanao. Raha mampiaraka ianao nefa manafina, dia tsy ho afaka hanampy anao ny ray aman-dreninao na ny olon-dehibe hafa tia anao. Mety ho mora halaim-panahy haloto fitondran-tena ianao noho izany.—Galatianina 6:7.
Ahoana no fiheveran’i Jehovah Andriamanitra an’ilay izy? Hoy ny Baiboly: “Ny zavatra rehetra dia mihanjahanja sy miharihary eo imason’ilay hanao ampamoaka antsika.” (Hebreo 4:13) Koa na afeninao aza hoe mampiaraka ianao, na ny namanao, dia efa fantatr’i Jehovah izany. Vao mainka tokony hatahotra ianao raha mandainga. Halan’i Jehovah Andriamanitra mantsy ny lainga. Voalaza mazava tsara ao amin’ny Baiboly fa anisan’ny zavatra halany ny “lela fandainga”!—Ohabolana 6:16-19.
Aza manafina
Tsara raha miresaka amin’ny ray aman-dreninao ianao, na amin’ny Kristianina matotra iray, raha misy olona iarahanao 1 Timoty 5:22) Ahoana tokoa moa raha misy vokany ratsy ny fiarahan-dry zareo? Tsy ho tompon’andraikitra ihany ve ianao?
nefa tsy misy mahalala. Ary raha ny namanao no mampiaraka, dia aza miray tsikombakomba aminy. (Eritrereto hoe voan’ny diabeta ny namanao, nefa mangalatra mihinana zava-mamy be loatra. Ahoana raha tratranao izy, nefa miangavy anao tsy hiteniteny? Inona no tokony ho zava-dehibe aminao: Hanafina ny ataony, sa hamonjy ny ainy?
Aza afenina àry raha misy namanao fantatrao hoe mangalatra mampiaraka. Aza matahotra hoe tsy ho mpinamana intsony ianareo. Raha tena namana izy, dia tsy maintsy ho tsapany any aoriana any, fa izay tena hahasoa azy no notadiavinao.—Salamo 141:5.
Manafina sa mba malina fotsiny?
Tsy voatery ho mpamitaka daholo izay mampiaraka nefa tsy milaza izany. Eritrereto hoe misy tovolahy sy tovovavy te hifankahalala bebe kokoa. Tsy tiany ho fantatr’olona loatra anefa ny fiarahany, amin’ny voalohany. Hoy
i Thomas: “Tsy tiany angamba raha adalain’ny olona ry zareo hoe: ‘Rahoviana ihany no hatao ny raharahanareo e?’ ”Tsy tsara mantsy raha mandodona azy ireo ny hafa. (Tonon-kiran’i Solomona 2:7) Izany no mahatonga ny olona sasany tsy hisehoseho amin’ny voalohany. (Ohabolana 10:19) Hoy i Anna, 20 taona: “Manam-potoana tsara izy ireo amin’izay, mba hahitana raha tena vonona hiroso amin’ny fanambadiana na tsia. Rehefa tapa-kevitra izy ireo vao hasehony fa miaraka izy.”
Misy anefa olona manana zo hahafantatra hoe misy olona iarahanao. Anisan’izany ny ray aman-dreninao sy ny ray aman-dreniny. Tsy tokony hafeninao amin’izy ireo izany. Raha tsy sahinao ny milaza aminy, dia tokony hofantarinao ny antony. Sao dia efa hainao kosa fa misy antony tsara tsy haneken’ny ray aman-dreninao an’ilay izy?
“Fantatro ny tokony hataoko”
Niova hevitra i Ando, ilay voaresaka terỳ aloha, rehefa nahare izay nataon’ny Kristianina iray nangalatra nampiaraka.
Hoy i Ando: “Rehefa reko hoe nisaraka tamin’ilay ankizilahy izy, dia fantatro ny tokony hataoko.” Mora tamin’i Ando ve ny nisaraka? Tsia! Hoy izy: “Mbola tsy nisy ankizilahy tena tiako hoatran’iny hatramin’izay. Nitomany foana aho isan’andro, nandritra ny herinandro maromaro.”Tia an’i Jehovah anefa i Ando. Marina fa tsy nankatò azy izy, nefa tena naniry hanao ny tsara. Nihasitrana ny ratram-pony tatỳ aoriana. Hoy izy: “Mifandray tsara amin’i Jehovah aho izao. Tena misaotra azy aho fa manome tari-dalana antsika izy, amin’ny fotoana tena ilantsika izany!”
Aoka hatao hoe efa vonona hanambady ianao, ary efa nahita olona tianao. Ahoana anefa no hahalalanao raha tena mety aminao io olona io?
ANDININ-TENY
‘Te hanao ny marina amin’ny zava-drehetra izahay.’—Hebreo 13:18.
SOSO-KEVITRA
Tsy voatery hataonao ren-tany ren-danitra hoe miaraka ianareo. Ilazao kosa ireo olona manana zo hahalala izany. Anisan’izany ny ray aman-dreninao sy ny ray aman-dreniny.
FANTATRAO VE... ?
Maharitra ny fifandraisana rehefa mifampatoky ny olona. Tsy hatoky anao intsony ny ray aman-dreninao, raha mampiaraka ianao nefa manafina. Mety tsy haharitra koa ny fiarahanao sy ilay olon-tianao.
ZAVATRA ERITRERETIKO HATAO!
Inona no tokony hataoko, raha mampiaraka amin’ny ankizy Vavolombelon’i Jehovah aho, nefa manafina? ․․․․․
Izao no hataoko, raha misy namako mangalatra mampiaraka: ․․․․․
Izao no hanontaniako ny ray aman-dreniko momba izany: ․․․․․
AHOANA NY HEVITRAO?
● Jereo indray ireo fehezanteny natao sora-matevina eo amin’ny pejy 22. Iza amin’ireo no mahazo anao indraindray?
● Inona no azonao atao amin’izany, nefa tsy voatery hangalatra hampiaraka?
● Raha misy namanao fantatrao fa mampiaraka nefa manafina, inona no hataonao mba hanampiana azy? Nahoana ianao no nifidy izany vahaolana izany?
[Teny notsongaina, pejy 27]
Tsy nangalatra nampiaraka intsony aho. Marina fa mafy tamiko ny nandeha nianatra, satria nahita an’ilay ankizilahy foana aho. Mahita ny zava-drehetra sy izay ho vokany anefa i Jehovah Andriamanitra, fa tsy toa antsika. Mila matoky azy fotsiny isika.’’—Ando
[Sary, pejy 25]
Raha miray tsikombakomba amin’ny namanao mangalatra mampiaraka ianao, dia toy ny miray tsikombakomba amin’ny namanao voan’ny diabeta, nefa mangalatra mihinana zava-mamy be loatra